Job 11

Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
拿玛人琐法回答说:
Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?
这许多的言语岂不该回答吗?多嘴多舌的人岂可称为义吗?
Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra,
你夸大的话岂能使人不作声吗?你戏笑的时候岂没有人叫你害羞吗?
Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.
你说:我的道理纯全;我在你眼前洁净。
Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao!
惟愿 神说话;愿他开口攻击你,
Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian'Andriamanitra avokoa ny helokao.
并将智慧的奥祕指示你;他有诸般的智识。所以当知道 神追讨你比你罪孽该得的还少。
Takatry ny sainao va ny fomban'Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha
你考察就能测透 神吗?你岂能尽情测透全能者吗?
Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao?
他的智慧高于天,你还能做什么?深于阴间,你还能知道什么?
Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.
其量比地长,比海宽。
Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?
他若经过,将人拘禁,招人受审,谁能阻挡他呢?
Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy.
他本知道虚妄的人;人的罪孽,他虽不留意,还是无所不见。
Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona.
空虚的人却毫无知识;人生在世好像野驴的驹子。
Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,
你若将心安正,又向主举手;
Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;
你手里若有罪孽,就当远远地除掉,也不容非义住在你帐棚之中。
Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;
那时,你必仰起脸来毫无斑点;你也必坚固,无所惧怕。
Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.
你必忘记你的苦楚,就是想起也如流过去的水一样。
Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina.
你在世的日子要比正午更明,虽有黑暗仍像早晨。
Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin'ahiahy.
你因有指望就必稳固,也必四围巡查,坦然安息。
Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao.
你躺卧,无人惊吓,且有许多人向你求恩。
Fa ny mason'ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina.
但恶人的眼目必要失明。他们无路可逃;他们的指望就是气绝。