Jeremiah 8

Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan'ny mpanjakan'ny Joda sy ny taolan'ny lehibeny sy ny taolan'ny mpisorona sy ny taolan'ny mpaminany ary ny taolan'ny mponina any Jerosalema,
耶和华说:「到那时,人必将犹大王的骸骨和他首领的骸骨、祭司的骸骨、先知的骸骨,并耶路撒冷居民的骸骨,都从坟墓中取出来,
ka haeliny eo anatrehan'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana rehetra eny amin'ny lanitra, izay efa tiany sy notompoiny sy efa narahiny sy efa notadiaviny ary efa niankohofany teo anatrehany: tsy hangonina na halevina intsony ireny, fa hatao zezika eny ambonin'ny tany.
抛散在日头、月亮,和天上众星之下,就是他们从前所喜爱、所事奉、所随从、所求问、所敬拜的。这些骸骨不再收殓,不再葬埋,必在地面上成为粪土;
Ary ny sisa rehetra amin'ity taranaka ratsy ity, izay mbola sisa any amin'ny tany rehetra nandroahako azy, dia haniry ny ho faty noho ny ho velona, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
并且这恶族所剩下的民在我所赶他们到的各处,宁可拣死不拣生。这是万军之耶和华说的。」
Ary koa, lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo va ny olona ka tsy hiarina? Hihodina hivily va ny olona ka tsy hitodika hiverina?
你要对他们说,耶和华如此说:人跌倒,不再起来吗?人转去,不再转来吗?
Nahoana ity firenena eto Jerosalema ity no miodina amin'ny fiodinana tsy mety mitsahatra? Mikikitra mafy amin'ny fitaka izy ka tsy mety miverina.
这耶路撒冷的民,为何恒久背道呢?他们守定诡诈,不肯回头。
Nihaino Aho, ka nandre, fa manao teny tsy marina izy: Ary tsy misy manenina ny amin'ny haratsiany hoe: Endrey izany nataoko izany! Izy rehetra dia samy mivily mankamin'ny alehany avy tahaka ny soavaly miriotra ho amin'ny ady.
我留心听,听见他们说不正直的话。无人悔改恶行,说:我做的是什么呢?他们各人转奔己路,如马直闯战场。
Na dia ny vano eny amin'ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan'androny, ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik'i Jehovah.
空中的鹳鸟知道来去的定期;斑鸠燕子与白鹤也守候当来的时令;我的百姓却不知道耶和华的法则。
Ahoana no anaovanareo hoe: Hendry izahay, ary ato aminay ny lalàn'i Jehovah? Nefa ny fanoratan-daingan'ny mpanoratra mahatonga azy ho lainga.
你们怎么说:我们有智慧,耶和华的律法在我们这里?看哪,文士的假笔舞弄虚假。
Mahazo henatra ny hendry, raiki-tahotra sy voasambotra izy; Indro, ny tenin'i Jehovah dia nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany?
智慧人惭愧,惊惶,被擒拿;他们弃掉耶和华的话,心里还有什么智慧呢?
Ary noho izany dia homeko ho an'ny sasany ny vadiny, ary ny sahany ho an'izay maka azy, satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena, na mpaminany na mpisorona dia samy mamitaka avokoa.
所以我必将他们的妻子给别人,将他们的田地给别人为业;因为他们从最小的到至大的都一味地贪婪,从先知到祭司都行事虚谎。
Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran'ny oloko zanakavavy tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
他们轻轻忽忽地医治我百姓的损伤,说:平安了!平安了!其实没有平安。
Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy, ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, amin'ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, ho Jehovah.
他们行可憎的事知道惭愧吗?不然,他们毫不惭愧,也不知羞耻。因此他们必在仆倒的人中仆倒;我向他们讨罪的时候,他们必致跌倒。这是耶和华说的。
Hakifako tokoa izy, hoy Jehovah; Tsy mamoa ny voaloboka, ary tsy misy voany ny aviavy, malazo ny raviny; Ary nanendry izay hanafika azy Aho.
耶和华说:我必使他们全然灭绝;葡萄树上必没有葡萄,无花果树上必没有果子,叶子也必枯干。我所赐给他们的,必离开他们过去。
Nahoana isika no mbola mipetra-poana? Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra any an-tanàna mimanda, ka dia ho faty ao; fa Jehovah Andriamanitra efa nanendry antsika ho faty ka nanome rano mangidy hosotrointsika Noho ny nanotantsika tamin'i Jehovah.
我们为何静坐不动呢?我们当聚集,进入坚固城,在那里静默不言;因为耶和华─我们的 神使我们静默不言,又将苦胆水给我们喝,都因我们得罪了耶和华。
Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; Ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.
我们指望平安,却得不著好处;指望痊癒的时候,不料,受了惊惶。
Ny fiefonefon'ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon'ny soavaly matanjaka; Fa avy izy ka mandany ny tany mbamin'ny izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna sy izay monina ao.
听见从但那里敌人的马喷鼻气,他的壮马发嘶声,全地就都震动;因为他们来吞灭这地和其上所有的,吞灭这城与其中的居民。
Fa indro Aho handefa bibilava hamely anareo, dia menarana izay tsy azon'ody, ka hanaikitra anareo ireny, hoy Jehovah.
看哪,我必使毒蛇到你们中间,是不服法术的,必咬你们。这是耶和华说的。
Indrisy! enga anie ka hisy fahamiramiranana ho ahy eto amin'ny alaheloko, fa reraka ny foko ato anatiko.
我有忧愁,愿能自慰;我心在我里面发昏。
Injany! misy feo fitarainan'ny oloko zanakavavy hatrany amin'ny tany lavitra hoe: Moa Jehovah tsy ao Ziona va? Ary tsy ao aminy va ny Mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy ireny tamin'ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin'ny zava-poana avy amin'ny firenena hafa?
听啊,是我百姓的哀声从极远之地而来,说:耶和华不在锡安么?锡安的王不在其中么?耶和华说:他们为什么以雕刻的偶像和外邦虚无的神惹我发怒呢?
Lasa ny fararano, tapitra ny taom-piotazana, nefa tsy voavonjy isika.
麦秋已过,夏令已完,我们还未得救!
Torotoro aho noho ny fahatorotoroan'ny oloko zanakavavy; Misaona aho, ary horohoro no mahazo ahy.
先知说:因我百姓的损伤,我也受了损伤。我哀痛,惊惶将我抓住。
Moa tsy misy balsama va any Gileada? Moa tsy misy dokotera va any? Koa nahoana no tsy tanteraka ny fanasitranana ny oloko zanakavavy? Enga anie ka ho rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko, mba hitomaniako andro aman'alina noho ny voavono amin'ny oloko zanakavavy!
在基列岂没有乳香呢?在那里岂没有医生呢?我百姓为何不得痊癒呢?