Jeremiah 6

Hianareo, zanak'i Benjamina, mandosira faingana hiala an'i Jerosalema, ary tsofy ao Tekoa ny anjomara, ka manaova tsangan'afo ao Beti-hakerema; Fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra.
便雅悯人哪,你们要逃出耶路撒冷,在提哥亚吹角,在伯‧哈基琳立号旗;因为有灾祸与大毁灭从北方张望。
Ziona zanakavavy dia ampitoviko amin'ny fiandrasan-ondry misy ahitra milenodenoka.
那秀美娇嫩的锡安女子(就是指民的意思),我必剪除。
Ao aminy no alehan'ny mpiandry sy ny ondry; Haoriny manodidina azy ny lainy, ka samy handany ny ao akaikiny avy izy.
牧人必引他们的羊群到她那里,在她周围支搭帐棚,各在自己所占之地使羊吃草。
Mitaova ianareo hanao ady masina hamelezana azy; Mitsangàna, ka andeha isika hiakatra antoandro. Lozantsika! fa lasan-davitra ny andro, ka efa mandroso ny aloky ny hariva.
你们要准备攻击她。起来吧,我们可以趁午时上去。哀哉!日已渐斜,晚影拖长了。
Mitsangàna, ka andeha isika hanao latsak'alina, ary aoka horavantsika ny trano-beny.
起来吧,我们夜间上去,毁坏她的宫殿。
Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro; Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana an'i Jerosalema; Io ilay tanàna hovaliana, feno fampahoriana ny ao anatiny.
因为万军之耶和华如此说:你们要砍伐树木,筑垒攻打耶路撒冷。这就是那该罚的城,其中尽是欺压。
Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.
井怎样涌出水来,这城也照样涌出恶来;在其间常听见有强暴毁灭的事,病患损伤也常在我面前。
Minoa anatra ianao, ry Jerosalema, fandrao miombotra miala aminao ny fanahiko, ary fandrao hataoko tany lao ianao, dia tany tsy honenana.
耶路撒冷啊,你当受教,免得我心与你生疏,免得我使你荒凉,成为无人居住之地。
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hotsimponina fatratra toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin'ny Isiraely; Avereno ho amin'ny sakeliny ny tananao toy ny mpioty voaloboka.
万军之耶和华曾如此说:敌人必掳尽以色列剩下的民,如同摘净葡萄一样。你要像摘葡萄的人摘了又摘,回手放在筐子里。
Iza no hilazako sy hanariko mba handrenesany? Indro, ny sofiny dia tsy voafora, ka tsy mahahaino izy; He! tsatsoiny ny tenin'i Jehovah ka tsy ankamaminy.
现在我可以向谁说话作见证,使他们听呢?他们的耳朵未受割礼,不能听见。看哪,耶和华的话他们以为羞辱,不以为喜悦。
Fa ny fahatezeran'i Jehovah mahafeno ahy ka tsy zakako tsindriana intsony! Aidino amin'ny ankizy madinika eny an-dalambe sy amin'ny fiokoan'ny zatovo izany; Fa na lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa, ary ny anti-panahy mbamin'ny ela niainana koa;
因此我被耶和华的忿怒充满,难以含忍。我要倾在街中的孩童和聚会的少年人身上,连夫带妻,并年老的与日子满足的都必被擒拿。
Ary ho lasan'ny sasany ny tranony mbamin'ny sahany sy ny vehivavy koa; Fa hahinjitro amin'ny mponina amin'ny tany ny tanako, hoy Jehovah,
他们的房屋、田地,和妻子都必转归别人;我要伸手攻击这地的居民。这是耶和华说的。
Satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena avokoa; Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa.
因为他们从最小的到至大的都一味地贪婪,从先知到祭司都行事虚谎。
Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran'ny oloko zanakavavy tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
他们轻轻忽忽地医治我百姓的损伤,说:平安了!平安了!其实没有平安。
Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, amin'ny andro hamaliako azy dia ho tafintohina izy, hoy Jehovah.
他们行可憎的事知道惭愧吗?不然,他们毫不惭愧,也不知羞耻。因此,他们必在仆倒的人中仆倒;我向他们讨罪的时候,他们必致跌倒。这是耶和华说的。
Izao no lazain'i Jehovah: Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao, ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela. Dia izay lalana mankany amin'ny tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo; Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay.
耶和华如此说:你们当站在路上察看,访问古道,哪是善道,便行在其间;这样,你们心里必得安息。他们却说:我们不行在其间。
Ary nasiako mpitily ianareo hanao hoe: Henoy ny feon'ny anjomara! Nefa hoy ianareo: Tsy hihaino izahay.
我设立守望的人照管你们,说:要听角声。他们却说:我们不听。
Koa henoinareo, ry jentilisa, ary aoka ho fantatrareo, ry fiangonana, ny hanjo azy.
列国啊,因此你们当听!会众啊,要知道他们必遭遇的事。
Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity firenena ity, dia ny vokatry ny heviny ihany; Fa tsy nihaino ny teniko izy, ary nolaviny ny lalàko.
地啊,当听!我必使灾祸临到这百姓,就是他们意念所结的果子;因为他们不听从我的言语,至于我的训诲(或译:律法),他们也厌弃了。
Nahoana no itondrana ditin-kazo mani-pofona avy any Sheba Aho sy veromanitra avy any amin'ny tany lavitra? Tsy sitrako ny fanatitra doranareo, ary tsy mamiko ny zavatra vonoinareo hatao fanatitra.
从示巴出的乳香,从远方出的菖蒲(或译:甘蔗)奉来给我有何益呢?你们的燔祭不蒙悦纳;你们的平安祭,我也不喜悦。
Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro hasiako fahatafintohinana eo amin'ity firenena ity, ka dia samy ho tafintohina amin'izany ny ray mbamin'ny zanany; Ho faty ny olona mbamin'ny namany.
所以耶和华如此说:我要将绊脚石放在这百姓前面。父亲和儿子要一同跌在其上;邻舍与朋友也都灭亡。
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, misy firenena avy any amin'ny tany avaratra, dia firenena lehibe mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany;
耶和华如此说:看哪,有一种民从北方而来,并有一大国被激动,从地极来到。
Tsipika sy lefona no entiny, lozabe sady tsy mamindra fo izy; Ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny ady, hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy.
他们拿弓和枪,性情残忍,不施怜悯;他们的声音像海浪匉訇。锡安城(原文是女子)啊,他们骑马都摆队伍,如上战场的人要攻击你。
Efa renay ny lazany, ka miraviravy tanana izahay; Fahoriana no mahazo anay, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.
我们听见他们的风声,手就发软;痛苦将我们抓住,疼痛彷彿产难的妇人。
Aza mivoaka ho any an-tsaha, ary aza mandeha amin'ny lalambe; Fa manan-tsabatra ny fahavalo, misy fampangorohoroana manodidina.
你们不要往田野去,也不要行在路上,因四围有仇敌的刀剑和惊吓。
Ry oloko zanakavavy, misikìna lamba fisaonana ianao, ary mihosena lavenona, ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; Fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.
我民(原文是民女)哪,应当腰束麻布,滚在灰中。你要悲伤,如丧独生子痛痛哭号,因为灭命的要忽然临到我们。
Ho mpizaha toetra ao amin'ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, mba ho fantatrao sy hizahanao toetra ny alehany.
我使你在我民中为高台(或译:试验人的),为保障,使你知道试验他们的行动。
Tena maditra avokoa izy rehetra ka mandehandeha manaratsy, varahina sy vy izy; Samy mpanao ratsy avokoa izy rehetra.
他们都是极悖逆的,往来谗谤人。他们是铜是铁,都行坏事。
May ny tafoforana, levon'ny afo ny firaka, foana ny nandrendrehan'ny mpandrendrika, fa tsy voaisotra ny ratsy.
风箱吹火,铅被烧毁;他们炼而又炼,终是徒然;因为恶劣的还未除掉。
Ataon'ny olona hoe, volafotsy tsy lany izy, satria tsy lanin'i Jehovah.
人必称他们为被弃的银渣,因为耶和华已经弃掉他们。