Jeremiah 51

Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin'ny mpandringana hamely an'i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay.
耶和华如此说:我必使毁灭的风刮起,攻击巴比伦和住在立加米的人。
Ary haniraka olona hafa firenena ho any Babylona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; Fa hamely azy manodidina amin'ny andro fahoriana ireo.
我要打发外邦人来到巴比伦,簸扬她,使她的地空虚。在她遭祸的日子,他们要周围攻击她。
Izay manenjana tsipìka mbamin'izay miandranandrana amin'ny akanjo fiarovan-tenany, dia aoka samy hasian'izay manenjana tsipìka; Aza tsitsinareo ny zatovony, aringano avokoa ny miaramilany rehetra,
拉弓的,要向拉弓的和贯甲挺身的射箭。不要怜惜她的少年人;要灭尽她的全军。
Mba hiampatrampatra any amin'ny tanin'ny Kaldeana ny faty, ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra any an-dalambeny.
他们必在迦勒底人之地被杀仆倒,在巴比伦的街上被刺透。
Fa Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely sy ny Joda, dia tsy hahafoy azy ho mpitondratena, na dia henika ny fahotany amin'ny Iray Masin'ny Isiraely aza ny taniny.
以色列和犹大虽然境内充满违背以色列圣者的罪,却没有被他的 神─万军之耶和华丢弃。
Mandosira hiala an'i Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian'i Jehovah, Izy no hamaly azy.
你们要从巴比伦中逃奔,各救自己的性命!不要陷在她的罪孽中一同灭亡;因为这是耶和华报仇的时候,他必向巴比伦施行报应。
Babylona dia kapoaka volamena teny an-tànan'i Jehovah, Izay nahamamo ny tany rehetra; Ny divainy efa nisotroan'ny firenena, koa izany no nahavery saina ireny.
巴比伦素来是耶和华手中的金杯,使天下沉醉;万国喝了她的酒就颠狂了。
Tampoka no naharavan'i Babylona sy nahatorotoroany; Idradradradrao izy; Makà balsama hatao amin'ny feriny maharary azy, fa angamba ho sitrana ihany izy.
巴比伦忽然倾覆毁坏;要为她哀号;为止她的疼痛,拿乳香或者可以治好。
Nitady hanasitrana an'i Babylona izahay, nefa tsy nety sitrana izy; Afoizo izy, ka andeha isika samy handeha ho any amin'ny tanintsika avy; Fa mahatakatra ny lanitra ny helony ary mitehika amin'ny rahona.
我们想医治巴比伦,她却没有治好。离开她吧!我们各人归回本国;因为她受的审判通于上天,达到穹苍。
Nasehon'i Jehovah ny fahamarinantsika; Andeha, ka aoka hotorintsika ao Ziona ny asan'i Jehovah Andriamanitsika.
耶和华已经彰显我们的公义。来吧!我们可以在锡安报告耶和华─我们 神的作为。
Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin'ny mpanjakan'ny Mediana; Fa ny hamely an'i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian'i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.
你们要磨尖了箭头,抓住盾牌。耶和华定意攻击巴比伦,将她毁灭,所以激动了玛代君王的心;因这是耶和华报仇,就是为自己的殿报仇。
Manangàna faneva eo akaikin'ny mandan'i Babylona; Ataovy mafy ny fiambenana; Alatsaho ny mpiambina, alamino ny Otrika; Fa Jehovah sady efa nisaina no nahatanteraka izay nolazainy ny amin'ny mponina any Babylona.
你们要竖立大旗,攻击巴比伦的城墙;要坚固了望台,派定守望的设下埋伏;因为耶和华指著巴比伦居民所说的话、所定的意,他已经作成。
Hianao izay monina eny amoron'ny rano be sady be rakitra, tonga ny fiafaranao, ka tsy hisy intsony ny filanao harena.
住在众水之上多有财宝的啊,你的结局到了!你贪婪之量满了!
Jehovah, Tompon'ny maro, nianiana tamin'ny tenany hoe: Hofenoiko olona maro toy ny valala tokoa ianao, ary ireny dia hanakora hamely anao,
万军之耶和华指著自己起誓说:我必使敌人充满你,像蚂蚱一样;他们必呐喊攻击你。
Dia Ilay nanao ny tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany.
耶和华用能力创造大地,用智慧建立世界,用聪明铺张穹苍。
Raha nampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia nampiakatra zavona avy tany amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho an'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.
他一发声,空中便有多水激动;他使云雾从地极上腾。他造电随雨而闪,从他府库中带出风来。
Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina ny mpanefy volamena rehetra noho ny amin'ny sarin-javatra voasokitra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, satria tsy misy aina ao aminy.
各人都成了畜类,毫无知识。各银匠都因他的偶像羞愧;他所铸的偶像本是虚假的,其中并无气息,
Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
都是虚无的,是迷惑人的工作,到追讨的时候,必被除灭。
Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran'i Jakoba, fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
雅各的分不像这些,因他是造作万有的主;以色列也是他产业的支派。万军之耶和华是他的名。
Langilangiko sy fiadiako ianao; Fa ianao no ho entiko manorotoro firenena, ary ianao no ho entiko mandringana fanjakana,
你是我争战的斧子和打仗的兵器;我要用你打碎列国,用你毁灭列邦;
Ary ianao no ho entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy;
用你打碎马和骑马的;用你打碎战车和坐在其上的;
Hianao koa no ho entiko manorotoro ny lehilahy sy ny vehivavy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny antitra sy ny tanora, ary ianao no ho entiko manorotoro ny zatovo sy ny virijina;
用你打碎男人和女人;用你打碎老年人和少年人;用你打碎壮丁和处女;
Hianao koa no ho entiko manorotoro ny mpiandry ondry sy ny ondry andiany, ary ianao no ho entiko manorotoro ny mpiasa tany sy ny ombiny roa mizioga, ary ianao no ho entiko manorotoro ny governora sy ny lefiny.
用你打碎牧人和他的群畜;用你打碎农夫和他一对牛;用你打碎省长和副省长。
Ary hampanodiaviko an'i Babylona sy ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra izay efa nataony tao Ziona teo imasonareo, hoy Jehovah.
耶和华说:「我必在你们眼前报复巴比伦人和迦勒底居民在锡安所行的诸恶。」
Indro mamely anao Aho, ry tendrombohitra ahitan-doza. Izay mandringana ny tany rehetra, hoy Jehovah; Ary hahinjitro ny tanako hamelezana anao, dia hakodiako hianjera amin'ny harambato ianao ka hataoko tendrombohitra mirehitra.
耶和华说:你这行毁灭的山哪,就是毁灭天下的山,我与你反对。我必向你伸手,将你从山巖滚下去,使你成为烧毁的山。
Ary tsy mba hakana vato hatao fehizoro ianao, na hatao vato fanorenana; Fa ho lao mandrakizay ianao, hoy Jehovah.
人必不从你那里取石头为房角石,也不取石头为根基石;你必永远荒凉。这是耶和华说的。
Manangana faneva eny amin'ny tany; Mitsofa anjomara any amin'ny firenena; Manendre firenena hamely azy; Antsoy ny fanjakan'i Ararata sy Miny ary Askenaza hamely azy; Asio mpifehy hamely azy; Mampiakara soavaly toy ny valala volovoloina.
要在境内竖立大旗,在各国中吹角,使列国预备攻击巴比伦,将亚拉腊、米尼、亚实基拿各国招来攻击她;又派军长来攻击她,使马匹上来如蚂蚱,
Manendre firenena sy ireo mpanjakan'ny Mediana hamely azy, ny governora sy ny lefiny rehetra ary ny tany rehetra anjakany.
使列国和玛代君王,与省长和副省长,并他们所管全地之人,都预备攻击她。
Mihorohoro sy mangovitra ny tany; Fa tanterahina amin'i Babylona ny fikasan'i Jehovah rehetra, mba hahatonga ny tany Babylona ho lao tsy misy mponina.
地必震动而瘠苦;因耶和华向巴比伦所定的旨意成立了,使巴比伦之地荒凉,无人居住。
Nitsahatra tamin'ny ady ny lehilahy maherin'i Babylona, nitoetra tao amin'ny batery fiarovana izy, lany ny heriny; Tonga toy ny vehivavy izy; Nodorana ny fonenany, tapaka ny hidiny.
巴比伦的勇士止息争战,藏在坚垒之中。他们的勇力衰尽,好像妇女一样。巴比伦的住处有火著起,门闩都折断了。
Mifamoivoy be ihany ny iraka mpihazakazaka, ary mifamoivoy be ihany ny mpitondra teny, mba hanambara amin'ny mpanjakan'i Babylona Fa afaka ny tanànany manontolo.
通报的要彼此相遇,送信的要互相迎接,报告巴比伦王说:城的四方被攻取了,
Ary efa azo ny fitàna, ary nodorany tamin'ny afo ny heniheny, sady toran-kovitra ny miaramila.
渡口被占据了,苇塘被火烧了,兵丁也惊慌了。
Fa izao no lazain i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Babylona zanakavavy dia tahaka ny famoloana amin'ny andro anosena azy; Ary raha mbola tsy toy inona dia ho avy ny andro hijinjana azy.
万军之耶和华─以色列的 神如此说:巴比伦城(原文作女子)好像踹谷的禾场;再过片时,收割她的时候就到了。
Efa lanin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izahay; Naringany izahay; Napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; Nateliny toy ny fitelin'ny mamba izahay; Nivokisan'ny kibony ny zava-piko, ka dia nandroaka ahy izy.
以色列人说:巴比伦王尼布甲尼撒吞灭我,压碎我,使我成为空虚的器皿。他像大鱼将我吞下,用我的美物充满他的肚腹,又将我赶出去。
Aoka ny mponina ao Ziona hanao hoe: Hanody an'i Babylona anie ny loza nanjo ahy sy ny nofoko! Ary aoka Jerosalema hanao hoe: Hanody ny mponina any Kaldea anie ny rako!
锡安的居民要说:巴比伦以强暴待我,损害我的身体,愿这罪归给她。耶路撒冷人要说:愿流我们血的罪归到迦勒底的居民。
Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hisolo vava anao amin'ny adinao Aho sady hanao famaliana ho anao, ary horitiko ny ranomasiny, sy hataoko tankina ny loharanony.
所以,耶和华如此说:我必为你伸冤,为你报仇;我必使巴比伦的海枯竭,使她的泉源干涸。
Ary Babylona ho tonga korontam-bato, ho fonenan'ny amboadia, ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka tsy hisy mponina.
巴比伦必成为乱堆,为野狗的住处,令人惊骇、嗤笑,并且无人居住。
Hiara-mierona toy ny liona tanora izy; Hikaonkaona toy ny zana-diona izy.
他们要像少壮狮子咆哮,像小狮子吼叫。
Raha mbola liana izy, dia hanaovako fanasana ho azy, ka hataoko mamo izy mba hiravoravo, dia hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy Jehovah.
他们火热的时候,我必为他们设摆酒席,使他们沉醉,好叫他们快乐,睡了长觉,永不醒起。这是耶和华说的。
Hampidiniko ho any amin'ny famonoana toy ny zanak'ondry izy, sy toy ny ondrilahy mbamin'ny osilahy.
我必使他们像羊羔、像公绵羊和公山羊下到宰杀之地。
Endrey! afaka Sesaka! Ary azo ilay fidèran'ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any amin'ny firenena Babylona.
示沙克(就是巴比伦)何竟被攻取,天下所称讚的何竟被占据?巴比伦在列国中何竟变为荒场?
Ny ranomasina nanafotra an'i Babylona; Voasaron'ny habetsahan'ny onjany izy.
海水涨起,漫过巴比伦;她被许多海浪遮盖。
Ny tanànany dia lao sy karankaina ary tani-hay, dia tany tsy onenan'olona sady tsy misy zanak'olombelona mamaky eo.
她的城邑变为荒场、旱地、沙漠,无人居住,无人经过之地。
Ary Bela dia hampijaliko any Babylona, ka hasaiko haloany izay nateliny; Ary ny firenena tsy hitanjozotra hankany aminy intsony; Ny mandan'i Babylona dia hirodana.
我必刑罚巴比伦的彼勒,使他吐出所吞的。万民必不再流归他那里;巴比伦的城墙也必坍塌了。
Mivoaha avy ao afovoany ianareo, ry oloko, ary samia mamonjy ny ainareo avy ianareo, mba tsy ho azon'ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.
我的民哪,你们要从其中出去!各人拯救自己,躲避耶和华的烈怒。
Ary fandrao ketraka ny fonareo, ka matahotra ianareo noho ny tsaho miely amin'ny tany; Fa amin'ny iray taona dia hisy tsaho, ary amin'ny taona manaraka indray dia mbola hisy tsaho ihany koa sy loza amin'ny tany, dia mpanapaka mamely mpanapaka.
你们不要心惊胆怯,也不要因境内所听见的风声惧怕;因为这年有风声传来;那年也有风声传来,境内有强暴的事,官长攻击官长。
koa, indro, avy ny andro hamaliako ny sarin-javatr'i Babylona; Ho menatra ny taniny rehetra; Ary ny fatiny rehetra dia hiampatrampatra eo aminy.
日子将到,我必刑罚巴比伦雕刻的偶像。她全地必然抱愧;她被杀的人必在其中仆倒。
Ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy dia hihoby noho ny amin'i Babylona, satria tonga ao aminy avy any avaratra ireo mpandringana, hoy Jehovah.
那时,天地和其中所有的,必因巴比伦欢呼,因为行毁灭的要从北方来到她那里。这是耶和华说的。
Toy ny nampiampatramparan'i Babylona ny faty tamin'ny Isiraely, dia ho toy izany no hiampatramparan'ny faty amin'ny tany rehetra noho ny amin'i Babylona.
巴比伦怎样使以色列被杀的人仆倒,照样她全地被杀的人也必在巴比伦仆倒。
Hianareo izay tsy voan'ny sabatra, mialà, fa aza mijanona; Tsarovy Jehovah, raha mbola lavitra ianareo. Ary aoka ho mby an-tsainareo Jerosalema.
你们躲避刀剑的要快走,不要站住!要在远方记念耶和华,心中追想耶路撒冷。
Menatra izahay, fa efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no niditra teo amin'ny fitoerana masina amin'ny tranon'i Jehovah.
我们听见辱骂就蒙羞,满面惭愧,因为外邦人进入耶和华殿的圣所。
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny sarin-javatra voasokitra ao koa; Ary hitoloko eran'ny taniny rehetra ny voatrobaka.
耶和华说:日子将到,我必刑罚巴比伦雕刻的偶像,通国受伤的人必唉哼。
Na dia miakatra any an-danitra aza Babylona, ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay heriny, dia avy amiko no hihavian'ny mpandringana azy, hoy Jehovah;
巴比伦虽升到天上,虽使她坚固的高处更坚固,还有行毁灭的从我这里到她那里。这是耶和华说的。
Injany! misy feo mitaraina avy any Babylona sy fandringanana be avy any amin'ny tanin'ny Kaldeana!
有哀号的声音从巴比伦出来;有大毁灭的响声从迦勒底人之地发出。
Fa Jehovah no mandrava an'i Babylona sy mampitsahatra ny fihorakorahana eo aminy, ary hirohondrohona toy ny rano be ny onjany, eny, re tokoa ny feon'ny firohondrohony.
因耶和华使巴比伦变为荒场,使其中的大声灭绝。仇敌彷彿众水,波浪匉訇,响声已经发出。
Fa tonga ao aminy, dia ao Babylona, ny mpandringana, ary voasambotra ny lehilahy maheriny; Tapatapaka avokoa ny tsipìkany Satria Jehovah dia Andriamanitry ny famaliana ka hamaly tokoa.
这是行毁灭的临到巴比伦。巴比伦的勇士被捉住,他们的弓折断了;因为耶和华是施行报应的 神,必定施行报应。
Ary hataoko mamo ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, ny governorany sy ny lefiny ary ny olo-maheriny; Ary hatory amin'ny torimaso mandrakizay izy ka tsy hifoha intsony, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
君王─名为万军之耶和华的说:我必使巴比伦的首领、智慧人、省长、副省长,和勇士都沉醉,使他们睡了长觉,永不醒起。
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ny manda malalaka any Babylona dia horavana tokoa hatramin'ny fanorenany, ary ny vavahadiny avo hodorana amin'ny afo. Ka dia ho nisasatra foana ny firenena, ary ny olona ho nisasatra ho an'ny afo ka ho reraka.
万军之耶和华如此说:巴比伦宽阔的城墙必全然倾倒;他高大的城门必被火焚烧。众民所劳碌的必致虚空;列国所劳碌的被火焚烧,他们都必困乏。
Ny teny izay nandidian'i Jeremia mpaminany an'i Seraia, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia, fony izy nandeha niaraka tamin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho any Babylona tamin'ny taona fahefatra nanjakany. Fa Seraia no lehiben'ny mpanorin-dasy.
犹大王西底家在位第四年,上巴比伦去的时候,玛西雅的孙子、尼利亚的儿子西莱雅与王同去(西莱雅是王宫的大臣),先知耶利米有话吩咐他。
Ary nosoratan'i Jeremia teo amin'ny boky iray ny loza rehetra izay hanjo an'i Babylona, dia ireo teny rehetra ireo, izay voasoratra ny amin'i Babylona.
耶利米将一切要临到巴比伦的灾祸,就是论到巴比伦的一切话,写在书上。
Ary hoy Jeremia tamin'i Seraia: Rehefa tonga any Babylona ianao, dia tandremo tsara mba hovakinao ireo teny rehetra ireo,
耶利米对西莱雅说:「你到了巴比伦务要念这书上的话;
ka manaova hoe: Jehovah ô, Hianao no niteny hamely ity tany ity handringana azy, ka tsy hisy hitoetra eto, na olona na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy.
又说:『耶和华啊,你曾论到这地方说:要剪除,甚至连人带牲畜没有在这里居住的,必永远荒凉。』
Ary rehefa tapitra ny famakianao ity boky ity, dia asio vato afehy aminy, ary atsipazo ao Eofrata izy.
你念完了这书,就把一块石头拴在书上,扔在幼发拉底河中,
ka ataovy hoe: Toy izao no hilentehan'i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto no tenin'i Jeremia.
说:『巴比伦因耶和华所要降与她的灾祸,必如此沉下去,不再兴起,人民也必困乏。』」耶利米的话到此为止。