Jeremiah 49

Ny amin'ny taranak'i Amona, Izao no lazain'i Jehovah: Moa tsy manan-janakalahy va Isiraely? Ary tsy manan-kandova va izy? Koa nahoana Gada no lasan'ny mpanjakany, ary ny vahoakany monina ao amin'ny tanànany?
论亚扪人。耶和华如此说:以色列没有儿子吗?没有后嗣吗?玛勒堪为何得迦得之地为业呢?属他的民为何住其中的城邑呢?
Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampandrenesako akoran'ady amin'ny famelezana an'i Raban'ny taranak'i Amona, ary ho tanànaolo rava izy, ary ny zana-bohiny hodorana amin'ny afo; Ary ny Isiraely hahalasa ny an'izay nahalaza azy, hoy Jehovah.
耶和华说:日子将到,我必使人听见打仗的喊声,是攻击亚扪人拉巴的喊声。拉巴要成为乱堆;属她的乡村(原文是女子)要被火焚烧。先前得以色列地为业的,此时以色列倒要得他们的地为业。这是耶和华说的。
Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava Ay! Mitaraina, ianareo zanakavavin'i Raba! Misikina lamba fisaonana ianareo; Manaova fisaonana, ary mivoivoiza eo anaty fefy; Fa lasan-ko babo ny mpanjakany, dia ny mpisorony sy ireo mpanapaka azy.
希实本哪,你要哀号,因为爱地变为荒场。拉巴的居民(原文是女子)哪,要呼喊,以麻布束腰;要哭号,在篱笆中跑来跑去;因玛勒堪和属他的祭司、首领要一同被掳去。
Nahoana no ny lohasaha no ataonao ho reharehanao, dia ny lohasahanao mahavokatra be. Ry zanakavavy mpiodina, izay mitoky amin'ny rakiny ka manao hoe: Iza moa no ho afa-miakatra atỳ amiko?
背道的民(原文是女子)哪,你们为何因有山谷,就是水流的山谷夸张呢?为何倚靠财宝说:谁能来到我们这里呢?
Indro Aho hahatonga tahotra aminao avy amin'izay rehetra manodidina anao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary horoahina samy hizotra amin'izay hitsiny avy ianareo rehetra, sady tsy hisy hamory izay mandositra.
主─万军之耶和华说:我要使恐吓从四围的人中临到你们;你们必被赶出,各人一直前往,没有人收聚逃民。
Ary rehefa afaka izany, dia hampodiko ihany avy amin'ny fahababoana ny taranak'i Amona, hoy Jehovah.
后来我还要使被掳的亚扪人归回。这是耶和华说的。
Ny amin'i Edoma. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Very saina va ny olon-kendry? Lany va ny fahendreny?
论以东。万军之耶和华如此说:提幔中再没有智慧吗?明哲人不再有谋略吗?他们的智慧尽归无有吗?
Mandosira, miambohoa ianareo, mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Dedana, fa ny loza ho an'i Esao dia nataoko nihatra taminy, dia ny andro hamaliako azy.
底但的居民哪,要转身逃跑,住在深密处;因为我向以扫追讨的时候,必使灾殃临到他。
Raha tonga ao aminao ny mpioty voaloboka, dia tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina akory izy; Raha avy alina ny mpangalatra, dia handrava mandra-pahafa-pony izy.
摘葡萄的若来到他那里,岂不剩下些葡萄呢?盗贼若夜间而来,岂不毁坏直到够了呢?
Izaho dia nampitanjaka an'i Esao, ary naharihariko ny fiereny, ka tsy mahazo miery izy; Ringana ny zanany sy ny rahalahiny ary ny namany, ka tsy ao intsony ireny.
我却使以扫赤露,显出他的隐密处;他不能自藏。他的后裔、弟兄、邻舍尽都灭绝;他也归于无有。
Ilaozy ny zanakao ho kamboty, fa Izaho no hamelona azy, ary aoka Izaho no hitokian'ny vadinao mpitondratena.
你撇下孤儿,我必保全他们的命;你的寡妇可以倚靠我。
Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin'ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, ka moa ho afa-potsiny va ianao? Tsy ho afa-potsiny ianao, fa tsy maintsy hisotro tokoa.
耶和华如此说:「原不该喝那杯的一定要喝。你能尽免刑罚吗?你必不能免,一定要喝!」
Fa ny tenako no nianianako, hoy Jehovah, fa ho tonga figagana Bozra sy ho fandatsa sy ho rava ary ho fanozonana, ary ny tanànany rehetra ho lao mandrakizay.
耶和华说:「我指著自己起誓,波斯拉必令人惊骇、羞辱、咒诅,并且荒凉。她的一切城邑必变为永远的荒场。」
Fa efa nahare filazana avy tamin'i Jehovah aho, ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa hamely azy, ary mitsangàna hanafika.
我从耶和华那里听见信息,并有使者被差往列国去,说:你们聚集来攻击以东,要起来争战。
Fa, indro, hataoko tsinontsinona eo amin'ny firenena ianao sy fanazimbazimba eo amin'ny olona,
我使你在列国中为最小,在世人中被藐视。
Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Izay mifikitra amin'ny tampon'ny havoana, ny fahatahorana anao sy ny avonavon'ny fonao no namitaka anao; Fa na dia ataonao eny amin'ny avo tahaka ny an'ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
住在山穴中据守山顶的啊,论到你的威吓,你因心中的狂傲自欺;你虽如大鹰高高搭窝,我却从那里拉下你来。这是耶和华说的。
Ary ho figagana Edoma: Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy.
以东必令人惊骇;凡经过的人就受惊骇,又因她一切的灾祸嗤笑。
Ary toy ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ny tanàna teny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian'olona honina any, na zanak'olombelona hivahiny any.
耶和华说:必无人住在那里,也无人在其中寄居,要像所多玛、蛾摩拉,和邻近的城邑倾覆的时候一样。
Indro, toy ny fiakatry ny liona avy any amin'ny kirihitrala eny amoron'i Jordana no hiakarany ho any amin'ny misy ahitra mateza; Fa hampandosiriko tampoka Edoma hiala ao, ary izay olona iray voafidy no hotendreko hanapaka azy. Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko, ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?
仇敌必像狮子从约旦河边的丛林上来,攻击坚固的居所。转眼之间,我要使以东人逃跑,离开这地。谁蒙拣选,我就派谁治理这地。谁能比我呢?谁能给我定规日期呢?有何牧人能在我面前站立得住呢?
Koa henoy ny saina avy amin'i Jehovah, Izay nosaininy hamelezana an'i Edoma, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny mponina ao Temana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin'ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
你们要听耶和华攻击以东所说的谋略和他攻击提幔居民所定的旨意。仇敌定要将他们群众微弱的拉去,定要使他们的居所荒凉。
Tamin'ny fiezinezin'ny fianjerany dia nihorohoro ny tany; Ny feon'ny fitarainany dia re hatrany amin'ny Ranomasina Mena.
因他们仆倒的声音,地就震动。人在红海那里必听见呼喊的声音。
Indro, hanidina hiakatra toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany eny ambonin'i Bozra; Ary amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy maherin'i Edoma dia ho tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi- jaza.
仇敌必如大鹰飞起,展开翅膀攻击波斯拉。到那日,以东的勇士心中疼痛如临产的妇人。
Ny amin'i Damaskosy. Very hevitra Hamata sy Arpada, fa nandre filazan-doza izy ka kivy; Misamboaravoara ny ranomasina ka tsy mety tafatoetra.
论大马士革。哈马和亚珥拔蒙羞,因他们听见凶恶的信息就消化了。海上有忧愁,不得平静。
Efa ketraka Damaskosy ka mihodina handositra, fa, toran-kovitra izy; Ary azon'ny faharariana sy ny fanaintainana, toy ny vehivavy raha miteraka.
大马士革发软,转身逃跑。战兢将她捉住;痛苦忧愁将她抓住,如产难的妇人一样。
Nahoana re no tsy nilaozana ny tanàna malaza, tanana fifaliako!
我所喜乐可称讚的城,为何被撇弃了呢?
Ka dia hiampatrampatra eny an-kalalahana ny zatovony. Ary ny miaramila rehetra ho ringana avokoa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
她的少年人必仆倒在街上;当那日,一切兵丁必默默无声。这是万军之耶和华说的。
Ary hisy afo hampirehetiko ao anatin'ny mandan'i Damaskosy, handevona ny lapan'i Beni-hadada.
我必在大马士革城中使火著起,烧灭便哈达的宫殿。
Ny amin'i Kedara sy ny fanjakan'i Hazora, izay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangàna ianareo, ka miakara hamely an'i Kedara, ary aringano ny zanaky ny atsinanana.
论巴比伦王尼布甲尼撒所攻打的基达和夏琐的诸国。耶和华如此说:迦勒底人哪,起来上基达去,毁灭东方人。
Halainy ny lainy sy ny ondry aman'osiny, ho entin'ny ambain-dainy mbamin'ny fanaka rehetra sy ny ramevany, sady hiantsoantso hilaza aminy hoe izy: Misy fampangorohoroana manodidina!
他们的帐棚和羊群都要夺去,将幔子和一切器皿,并骆驼为自己掠去。人向他们喊著说:四围都有惊吓。
Mandosira, ka mandehana lavitra! Mamitsaha ao amin'ny lalina, ry mponina any Hazora! hoy Jehovah; Fa Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao saina hamelezany anareo sy namoron-kevitra hamelezany anareo.
耶和华说:夏琐的居民哪,要逃奔远方,住在深密处;因为巴比伦王尼布甲尼撒设计谋害你们,起意攻击你们。
Mitsangàna, iakaro ny firenena miadana izay tsy manana ahiahy, hoy Jehovah. Dia izay tsy misy vavahady mirindrina na mihidy sady mitoka- monina.
耶和华说:迦勒底人哪,起来!上安逸无虑的居民那里去;他们是无门无闩、独自居住的。
Ho babo ny ramevany, ary horobaina ny omby aman'ondriny betsaka, haeliko ho any amin'ny rivotra rehetra ireo voahety sisim-bolo; Ary ho entiko avy amin'ny manodidina rehetra ny loza hanjo azy, hoy Jehovah,
他们的骆驼必成为掠物;他们众多的牲畜必成为掳物。我必将剃周围头发的人分散四方(原文是风),使灾殃从四围临到他们。这是耶和华说的。
Ary Hazora dia ho fonenan'ny amboadia sy ho tany lao mandrakizay; Tsy hisy olona honina any, Na zanak'olombelona hivahiny any.
夏琐必成为野狗的住处,永远凄凉;必无人住在那里,也无人在其中寄居。
Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'i Elama tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, hoe:
犹大王西底家登基的时候,耶和华论以拦的话临到先知耶利米说:
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hotapatapahiko ny tsipìkan'i Elama, Izay fototry ny heriny.
「万军之耶和华如此说:我必折断以拦人的弓,就是他们为首的权力。
Ary hitondra Avotra efatra avy amin'ny lafiny efatry ny lanitra Aho hamelezana an'i Elama, ary haeliko ho amin'izany rivotra rehetra izany izy, ka tsy hisy firenena izay tsy halehan'ny voaroaka avy any Elama.
我要使四风从天的四方刮来,临到以拦人,将他们分散四方(原文是风)。这被赶散的人没有一国不到的。」
Fa hampivadi-po an'i Elama eo anoloan'ny fahavalony sy eo anoloan'izay mitady ny ainy Aho ka hahatonga loza aminy, dia ny firehetan'ny fahatezerako, hoy Jehovah; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra Mandra-pandaniko azy;
耶和华说:「我必使以拦人在仇敌和寻索其命的人面前惊惶;我也必使灾祸,就是我的烈怒临到他们,又必使刀剑追杀他们,直到将他们灭尽。
Dia hapetrako ao Elasma ny seza fiandrianako. Ary hofongorako tsy hisy intsony any na ny mpanjaka na ny mpanapaka, hoy Jehovah.
我要在以拦设立我的宝座,从那里除灭君王和首领。」这是耶和华说的。
Nefa any am-parany dia mbola hampodiko avy amin'ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah.
「到末后,我还要使被掳的以拦人归回。这是耶和华说的。」