Jeremiah 48

Ny amin'i Moaba. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Nidiran-doza Nebo, fa rava! Mangaihay Kiriataima, fa afaka; Mangaihay Misgaba sady raiki-tahotra.
论摩押。万军之耶和华─以色列的 神如此说:尼波有祸了!因变为荒场。基列亭蒙羞被攻取。米斯迦蒙羞被毁坏;
Tsy misy ho reharehan'i Moaba intsony; Tao Hesbona no niheverany hampididoza aminy hoe: Andeha horavantsika tsy ho firenena izy. Ho ringana koa ianao, ry Madmena, Hanenjika anao ny sabatra.
摩押不再被称讚。有人在希实本设计谋害她,说:来吧!我们将她剪除,不再成国。玛得缅哪,你也必默默无声;刀剑必追赶你。
Injay! misy feo fitarainana ao Horonaima hoe: Fandravana sy fandringanana be!
从何罗念有喊荒凉大毁灭的哀声:
Rava Moaba, ny madinika ao dia mamoaka fitarainana.
摩押毁灭了!她的孩童(或译:家僮)发哀声,使人听见。
Fa miakatra mitomany lalandava eny amin'ny fiakarana Lohita izy; Ary amin'ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.
人上鲁希坡随走随哭,因为在何罗念的下坡听见毁灭的哀声。
Mandosira, vonjeo ny ainareo. Ary aoka ho tahaka ny olona mahantra any an-efitra ianareo.
你们要奔逃,自救性命,独自居住,好像旷野的杜松。
Fa noho ny nitokianao tamin'ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao; Ary Kemosy ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.
你因倚靠自己所做的和自己的财宝必被攻取。基抹和属他的祭司、首领也要一同被掳去。
Ary ny mpandringana ho tonga ao amin'ny tanàna rehetra, ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka; Ny lohasaha koa ho simba, ary ny tany lemaka ho rava, araka izay nolazain'i Jehovah.
行毁灭的必来到各城,并无一城得免。山谷必致败落,平原必被毁坏;正如耶和华所说的。
Omeo elatra Moaba, fa hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanànanay, ka tsy hisy mponina.
要将翅膀给摩押,使她可以飞去。她的城邑必致荒凉,无人居住。
Ho voaozona anie Izay manao tsirambina foana ny asa asain'i Jehovah atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-drà!
(懒惰为耶和华行事的,必受咒诅;禁止刀剑不经血的,必受咒诅。)
Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin'ny faikany, fa tsy naidina nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no aharetan'ny tsirony ao aminy sy tsy iovan'ny fofony.
摩押自幼年以来常享安逸,如酒在渣滓上澄清,没有从这器皿倒在那器皿里,也未曾被掳去。因此,它的原味尚存,香气未变。
Koa, indro, avy ny andro hanirahako mpanohoka ho any aminy, hoy Jehovah, Izay hanohoka azy ka hahafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny sininy.
耶和华说:「日子将到,我必打发倒酒的往他那里去,将他倒出来,倒空他的器皿,打碎他的罈子。
Ary Moaba ho menatra noho ny amin'i Kemosy toy ny nahamenaran'ny taranak'Isiraely noho ny amin'i Betela tokiny.
摩押必因基抹羞愧,像以色列家从前倚靠伯特利的神羞愧一样。
Ahoana no anaovanareo hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an'ady izahay?
你们怎么说:我们是勇士,是有勇力打仗的呢?
Rava Moaba, fa ny tanànany dia efa nanihina. Ary ny zatovony voafantina efa nidina ho any amin'ny famonoana. Hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
摩押变为荒场,敌人上去进了她的城邑。他所特选的少年人下去遭了杀戮;这是君王─名为万军之耶和华说的。
Efa antomotra ny loza hanjo an'i Moaba, ary mimaona ny fahoriany.
摩押的灾殃临近;他的苦难速速来到。
Mitomania azy, ianareo rehetra izay manodidina azy sy ianareo rehetra izay mahalala ny anarany! Eny, manaova hoe: Indrisy! tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara tarehy!
凡在他四围的和认识他名的,你们都要为他悲伤,说:那结实的杖和那美好的棍,何竟折断了呢?
Ry Dibona, zanakavavy mponina, midina miala amin'ny voninahitrao, ka mitoera ao amin'ny tany mangentana, fa ilay mandringana an'i Moaba dia miakatra mamely anao sady mandrava ny fiarovanao.
住在底本的民哪(原文是女子),要从你荣耀的位上下来,坐受干渴;因毁灭摩押的上来攻击你,毁坏了你的保障。
Ry mponina any Aroera, mijanòna eny an-dalambe, ka mitazàna, ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe: Nozoin'inona ianareo?
住亚罗珥的啊,要站在道旁观望,问逃避的男人和逃脱的女人说:是什么事呢?
Afa-baraka Moaba, eny, raiki-tahotra izy; Midradradradra sy mitaraina, ka ambaraonareo ao Arnona fa rava Moaba.
摩押因毁坏蒙羞;你们要哀号呼喊,要在亚嫩旁报告说:摩押变为荒场!
Ary ny fitsarana dia miakatra ao amin'ny tany lemaka, dia ao Holona sy Jahaza sy Mefata
「刑罚临到平原之地的何伦、雅杂、米法押、
Sy Dibona sy Nebo sy Beti-diblataima
底本、尼波、伯•低比拉太音、
Sy Kiriataima sy Beti-gamola sy Beti-meona
基列亭、伯迦末、伯•米恩、
Sy Keriota ary Bozra, eny, ny tanànan'i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky.
加略、波斯拉,和摩押地远近所有的城邑。
Voakapa ny tandrok'i Moaba, ary tapaka koa ny sandriny, hoy Jehovah.
摩押的角砍断了,摩押的膀臂折断了。这是耶和华说的。
Ataovy leony izy, fa niavonavona tamin'i Jehovah; Moaba hihosinkosina amin'ny loany sady mba ho tonga fihomehezana kosa.
你们要使摩押沉醉,因他向耶和华夸大。他要在自己所吐之中打滚,又要被人嗤笑。
Fa tsy efa nataonao ho fihomehezana va ny Isiraely? Moa hita fa naman'ny mpangalatra va izy, no dia mihifikifika ianao isaky ny milaza azy?
摩押啊,你不曾嗤笑以色列吗?他岂是在贼中查出来的呢?你每逢提到他便摇头。
Ry mponina any Moaba! ilaozy ny tanàna, ka mitoera ao amin'ny harambato, ary aoka ho tahaka ny voromailala izay manao ny akaniny erỳ am-pitan'ny hantsana ianao.
摩押的居民哪,要离开城邑,住在山崖里,像鸽子在深渊口上搭窝。
Ffa renay ny fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fiaingitrainginy ary ny avonavon'ny fony.
我们听说摩押人骄傲,是极其骄傲;听说他自高自傲,并且狂妄,居心自大。
Izaho mahalala ny fihoa-bavany sy ny fibedibediny foana, hoy Jehovah; Tsinontsinona ny ataony.
耶和华说:我知道他的忿怒是虚空的;他夸大的话一无所成。
Koa hidradradradra noho ny amin'i Moaba aho; Eny, hitomany noho ny amin'i Moaba rehetra aho, ary hitsetra noho ny amin'ny mponina ao Kira-haresa ny olona.
因此,我要为摩押哀号,为摩押全地呼喊;人必为吉珥•哈列设人叹息。
Mihoatra noho ny fitomanian'i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok'i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin'ny ranomasin'i Jazera; Ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.
西比玛的葡萄树啊,我为你哀哭,甚于雅谢人哀哭。你的枝子蔓延过海,直长到雅谢海。那行毁灭的已经临到你夏天的果子和你所摘的葡萄。
Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana nesorina tamin'ny saha nahavokatra sy tamin'ny tany Moaba, ary nataoko tankina ny divay tamin'ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy hihoby amin'ny fanitsakitsahana; Ny fihobiana dia tsy fihobiana akory.
肥田和摩押地的欢喜快乐都被夺去;我使酒醡的酒绝流,无人踹酒欢呼;那欢呼却变为仇敌的呐喊(原文是那欢呼却不是欢呼)。
Ny fitarainan'i Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza. Hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Eglata-selisia; Fa na dia ny ranon'i Nimrima aza dia ho ritra koa.
「希实本人发的哀声达到以利亚利,直达到雅杂;从琐珥达到何罗念,直到伊基拉‧施利施亚,因为宁林的水必然干涸。」
Ary hatsahatro ao Moaba koa Izay miakatra hanatitra amin'ny fitoerana avo sy izay mandoro ditin-kazo manitra ho an'ny andriamaniny, hoy Jehovah.
耶和华说:「我必在摩押地使那在邱坛献祭的,和那向他的神烧香的都断绝了。
Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'i Moaba, ary ny foko mitomany manao feon-tsodina noho ny amin'ny mponina ao Kira-haresa. Eny, noho izany dia levona ny harena be izay nohariny.
我心腹为摩押哀鸣如箫,我心肠为吉珥•哈列设人也是如此,因摩押人所得的财物都灭没了。
Fa mibory ny loha rehetra. Ary voaharatra ny somotra rehetra, misy tetika amin'ny tanana rehetra sy lamba fisaonana amin'ny valahana.
「各人头上光秃,胡须剪短,手有划伤,腰束麻布。
Eny, amin'ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa; Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.
在摩押的各房顶上和街市上处处有人哀哭;因我打碎摩押,好像打碎无人喜悦的器皿。这是耶和华说的。
Indrisy! raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay Izy, ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an'izay rehetra manodidina azy.
摩押何等毁坏!何等哀号!何等羞愧转背!这样,摩押必令四围的人嗤笑惊骇。」
Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka an'i Moaba.
耶和华如此说:仇敌必如大鹰飞起,展开翅膀,攻击摩押。
Afaka ny tanàna, ka azo ny batery fiarovana, ary amin'izany andro izany ny fon'ny lehilahy maherin'i Moaba dia ho tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza.
加略被攻取,保障也被占据。到那日,摩押的勇士心中疼痛如临产的妇人。
Ary horavana tsy ho firenena intsony Moaba. Satria niavonavona tamin'i Jehovah izy.
摩押必被毁灭,不再成国,因他向耶和华夸大。
Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao, ry mponina any Moaba, hoy Jehovah.
耶和华说:摩押的居民哪,恐惧、陷坑、网罗都临近你。
Izay mandositra ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy any an-davaka dia ho voan'ny fandrika; Fa hataoko tonga amin'i Moaba ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
躲避恐惧的必坠入陷坑;从陷坑上来的必被网罗缠住;因我必使追讨之年临到摩押。这是耶和华说的。
Ao amin'ny alokalok'i Hesbona no ijanonan'ny mpandositra, satria lany hery ireny; Kanjo misy afo mivoaka avy any Hesbona, ary lelafo avy any Sihona, ka mandevona ny sisin'i Moaba sy ny tampon-dohan'ny mpitabataba.
躲避的人无力站在希实本的影下;因为有火从希实本发出,有火焰出于西宏的城,烧尽摩押的角和鬨嚷人的头顶。
Idiran-doza ianao, ry Moaba! Ringana ny olon'i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao-lahy, ary ho sambotra ny zanakao-vavy.
摩押啊,你有祸了!属基抹的民灭亡了!因你的众子都被掳去,你的众女也被掳去。
Nefa mbola hampodiko avy amin'ny fahababoana ihany Moaba any amparany, hoy Jehovah. Hatreto ny amin'ny fitsarana an'i Moaba.
耶和华说:到末后,我还要使被掳的摩押人归回。摩押受审判的话到此为止。