Jeremiah 43

Ary rehefa tapitra voalazan'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin'i Jehovah Andriamaniny izany, izay nanirahan'i Jehovah Andriamanitra azy holazaina aminy,
耶利米向众百姓说完了耶和华─他们 神的一切话,就是耶和华─他们 神差遣他去所说的一切话。
dia niteny Azaria, zanak'i Hosaia, sy Johanana, zanak'i Karea, mbamin'ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin'i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta;
何沙雅的儿子亚撒利雅和加利亚的儿子约哈难,并一切狂傲的人,就对耶利米说:「你说谎言!耶和华─我们的 神并没有差遣你来说:『你们不可进入埃及,在那里寄居。』
fa Baroka, zanak'i Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tànan'ny Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babylona.
这是尼利亚的儿子巴录挑唆你害我们,要将我们交在迦勒底人的手中,使我们有被杀的,有被掳到巴比伦去的。」
Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon'i Jehovah ny amin'ny honenany ao amin'ny tanin'ny Joda.
于是加利亚的儿子约哈难和一切军长,并众百姓,不听从耶和华的话住在犹大地。
Fa Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra tamin'ny Joda, izay niverina avy tany amin'ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin'ny tanin'ny Joda,
加利亚的儿子约哈难和一切军长却将所剩下的犹大人,就是从被赶到各国回来在犹大地寄居的男人、妇女、孩童,和众公主,并护卫长尼布撒拉旦所留在沙番的孙子亚希甘的儿子基大利那里的众人,与先知耶利米,以及尼利亚的儿子巴录,
dia ny lehilahy sy ny zaza amim-behivavy sy ny vehivavy zanak'andriana ary ny olona rehetra izay navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, sy tao amin'i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak'i Neria
并入上节
ka dia nankany amin'ny tany Egypta izy ireny, fa tsy nihaino ny feon'i Jehovah, ary dia tonga hatrany Tapanesa.
都带入埃及地,到了答比匿。这是因他们不听从耶和华的话。
Dia tonga tamin'i Jeremia tao Tapanesa ny tenin'i Jehovah hoe:
在答比匿,耶和华的话临到耶利米说:
Mitondrà vato lehibe eny an-tananao, ka afeno ao amin'ny feta ao amin'ny gorodona taila, izay eo akaikin'ny vavahady amin'ny tranon'i Farao ao Tapanesa, eo imason'ny lehilahy amin'ny Joda,
「你在犹大人眼前要用手拿几块大石头,藏在砌砖的灰泥中,就是在答比匿法老的宫门那里,
ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro Aho haniraka haka an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko, ka haoriko amin'ireto vato nafeniko ireto ny seza fiandrianany; ary hamelatra ny lambany tsara tarehy hatao alokaloka eo amboniny izy.
对他们说:『万军之耶和华─以色列的 神如此说:我必召我的仆人巴比伦王尼布甲尼撒来。在所藏的石头上我要安置他的宝座;他必将光华的宝帐支搭在其上。
Eny, ho avy izy hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin'ny areti-mandringana dia ho amin'ny areti-mandringana, ary izay ho amin'ny fahababoana dia ho amin'ny fahababoana, ary izay ho amin'ny sabatra dia ho amin'ny sabatra.
他要来攻击埃及地,定为死亡的,必致死亡;定为掳掠的,必被掳掠;定为刀杀的,必交刀杀。
Ary handrehitra afo ao amin'ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta Aho, ka dia hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Egypta izy toy ny fitafin'ny mpiandry ondry ny lambany; ary hiala any amin'ny fiadanana izy.
我要在埃及神的庙中使火著起,巴比伦王要将庙宇焚烧,神像掳去;他要得(原文是披上)埃及地,好像牧人披上外衣,从那里安然而去。
Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin'ny tany Egypta; ary hodorany amin'ny afo ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta.
他必打碎埃及地伯‧示麦的柱像,用火焚烧埃及神的庙宇。』」