Jeremiah 39

Ary rehefa afaka Jerosalema (tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an'i Jerosalema ka nanao fahirano azy;
犹大王西底家第九年十月,巴比伦王尼布甲尼撒率领全军来围困耶路撒冷。
ary nony tamin'ny andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, dia nisy voabanga ny tanàna),
西底家十一年四月初九日,城被攻破。
dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra ka nipetraka teo amin'ny vavahady ampovoany, dia Nergala-sarezera sy Samgarnebo sy Sarsekima. Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera Raba-magy, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona.
耶路撒冷被攻取的时候,巴比伦王的首领尼甲•沙利薛、三甲•尼波、撒西金─拉撒力、尼甲•沙利薛─拉墨,并巴比伦王其余的一切首领都来坐在中门。
Ary rehefa nahita ireo Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny miaramila rehetra, dia nandositra izy ka lasa nandeha alina niala tao an-tanàna, nahazo ny lalana mankamin'ny sahan'ny mpanjaka, tamin'ny vavahady eo anelanelan'ny manda roa; ary lasa nivoaka nankany amin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay izy.
犹大王西底家和一切兵丁看见他们,就在夜间从靠近王园两城中间的门出城逃跑,往亚拉巴逃去。
Fa ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika azy ka nahatratra an'i Zedekia teny amin'ny tani-hay any Jeriko; ary nony azony izy, dia nentiny niakatra ho any amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao Ribla tao amin'ny tany Hamata; ka dia notsarainy tao izy.
迦勒底的军队追赶他们,在耶利哥的平原追上西底家,将他拿住,带到哈马地的利比拉、巴比伦王尼布甲尼撒那里;尼布甲尼撒就审判他。
Ary ny zanakalahin'i Zedekia dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla teo imason-drainy; ary ny manan-kaja rehetra tamin'ny Joda koa dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona.
巴比伦王在利比拉、西底家眼前杀了他的众子,又杀了犹大的一切贵冑,
Ary nopotsiriny ny mason'i Zedekia, dia nafatony tamin'ny gadra varahina izy ho entiny any Babylona.
并且剜西底家的眼睛,用铜鍊锁著他,要带到巴比伦去。
Ary nodoran'ny Kaldeana tamin'ny afo ny tranon'ny mpanjaka sy ny tranon'ny vahoaka, ary ny mandan'i Jerosalema noravany.
迦勒底人用火焚烧王宫和百姓的房屋,又拆毁耶路撒冷的城墙。
Ary ny olona sisa tao an-tanàna sy izay efa nanatona azy ary ny vahoaka sisa koa dia nentin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ho babo tany Babylona.
那时,护卫长尼布撒拉旦将城里所剩下的百姓和投降他的逃民,以及其余的民都掳到巴比伦去了。
Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'ny tanin'ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin'izany andro izany.
护卫长尼布撒拉旦却将民中毫无所有的穷人留在犹大地,当时给他们葡萄园和田地。
Ary Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanome teny an'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ny amin'i Jeremia nanao hoe:
巴比伦王尼布甲尼撒提到耶利米,嘱咐护卫长尼布撒拉旦说:
Ento izy, ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy fa araka izay lazainy aminao no ataovy aminy.
「你领他去,好好地看待他,切不可害他;他对你怎么说,你就向他怎么行。」
Ary Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, sy Nebosazbana, Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera, Raba-magy, ary ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra
护卫长尼布撒拉旦和尼布沙斯班─拉撒力、尼甲•沙利薛─拉墨,并巴比伦王的一切官长,
dia naniraka haka an'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana, ka natolony an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, mba ho entiny any an-trano izy, ka dia nitoetra tao amin'ny olona.
打发人去,将耶利米从护卫兵院中提出来,交与沙番的孙子亚希甘的儿子基大利,带回家去。于是耶利米住在民中。
Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, fony izy mbola voahazona tao amin'ny kianjan'ny trano fiambenana ihany, nanao hoe:
耶利米还囚在护卫兵院中的时候,耶和华的话临到他说:
Mandehana, ka lazao amin'i Ebeda-meleka Etiopiana hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hotoviko amin'ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao izany amin'izany andro izany.
「你去告诉古实人以伯•米勒说,万军之耶和华─以色列的 神如此说:我说降祸不降福的话必临到这城,到那时必在你面前成就了。
Nefa hovonjeko ianao amin'izany andro izany, hoy Jehovah, fa tsy mba hatolotra eo an-tànan'ny olona izay atahoranao.
耶和华说:到那日我必拯救你,你必不致交在你所怕的人手中。
Fa hovonjeko tokoa ianao ka tsy holavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria efa natoky Ahy, hoy Jehovah.
我定要搭救你,你不致倒在刀下,却要以自己的命为掠物,因你倚靠我。这是耶和华说的。」