Jeremiah 38

Ary Safatia, zanak'i Matana, sy Gedalia, zanak'i Pasora, sy Jokala, zanak'i Semelia, ary Pasora, zanak'i Malkia, dia nandre ny teny izay efa nolazain'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra nanao hoe:
玛坦的儿子示法提雅、巴施户珥的儿子基大利、示利米雅的儿子犹甲、玛基雅的儿子巴示户珥听见耶利米对众人所说的话,说:
Izao no lazain'i Jehovah: Izay mitoetra amin'ity tanàna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; fa ny ainy no ho babony, ka ho velona izy.
「耶和华如此说:住在这城里的必遭刀剑、饥荒、瘟疫而死;但出去归降迦勒底人的必得存活,就是以自己命为掠物的,必得存活。
Izao no lazain'i Jehovah: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tànan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa ka ho afany.
耶和华如此说:这城必要交在巴比伦王军队的手中,他必攻取这城。」
Dia hoy ny mpanapaka tamin'ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity; fa mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin'ity tanàna ity mbamin'ny olona rehetra izy noho ny nitenenany taminy araka izany teny izany; fa ity lehilahy ity tsy mba mitady izay hiadanan'ity firenena ity, fa izay hahatonga loza aminy kosa.
于是首领对王说:「求你将这人治死;因他向城里剩下的兵丁和众民说这样的话,使他们的手发软。这人不是求这百姓得平安,乃是叫他们受灾祸。」
Dia hoy Zedekia mpanjaka: Indro, eo an-tananareo izy; fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo.
西底家王说:「他在你们手中,无论何事,王也不能与你们反对。」
Ary naka an'i Jeremia izy ka nandatsaka azy tao amin'ny lavaka famorian-dranon'i Malkia, zanak'andriana, izay tao amin'ny kianjan'ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin'ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin'ny lavaka, fa fotaka fotsiny ihany, ka dia nilentika tamin'ny fotaka Jeremia.
他们就拿住耶利米,下在哈米勒的儿子(或译:王的儿子)玛基雅的牢狱里;那牢狱在护卫兵的院中。他们用绳子将耶利米系下去。牢狱里没有水,只有淤泥,耶利米就陷在淤泥中。
Ary Ebeda-meleka Etiopiana, tandapa anankiray tao amin'ny tranon'ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an'i Jeremia tao amin'ny lavaka (nipetraka teo amin'ny vavahadin'ny Benjamina ny mpanjaka androtr'iny),
在王宫的太监古实人以伯•米勒,听见他们将耶利米下了牢狱(那时王坐在便雅悯门口),
dia nivoaka avy tao an-tranon'ny mpanjaka izy ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe:
以伯•米勒就从王宫里出来,对王说:
Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon'ity firenena ity tamin'i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-davaka izy ka ho faty mosary ao amin'izay itoerany, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.
「主─我的王啊,这些人向先知耶利米一味地行恶,将他下在牢狱中;他在那里必因饥饿而死,因为城中再没有粮食。」
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Ebeda-meleta Etiopiana hoe: Mitondrà telo-polo lahy hiaraka aminao hampakatra an'i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy.
王就吩咐古实人以伯•米勒说:「你从这里带领三十人,趁著先知耶利米未死以前,将他从牢狱中提上来。」
Ary Ebeda-meleka nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka eo ambanin'ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy, ka nampidininy tamin'ny mahazaka ho ao amin'ny lavaka izany ho ao amin'i Jeremia.
于是以伯•米勒带领这些人同去,进入王宫,到库房以下,从那里取了些碎布和破烂的衣服,用绳子缒下牢狱去到耶利米那里。
Dia hoy Ebeda-meleka Etiopiana tamin'i Jeremia: Ataovy eo ambanin'ny helikao ireto lamba rovitra sy vorodamba ireto ho efitry ny mahazaka, dia nataon'i Jeremia izany;
古实人以伯•米勒对耶利米说:「你用这些碎布和破烂的衣服放在绳子上,垫你的胳肢窝。」耶利米就照样行了。
ka dia nosintoniny tamin'ny mahazaka Jeremia ka nakariny avy tao anaty lavaka, ary dia nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana izy.
这样,他们用绳子将耶利米从牢狱里拉上来。耶利米仍在护卫兵的院中。
Ary Zedekia mpanjaka naniraka naka an'i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin'ny fidirana fahatelo, izay ao an-tranon'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Jeremia: Hanontany zavatra kely aminao aho, ka aza anafenana.
西底家王打发人带领先知耶利米,进耶和华殿中第三门里见王。王就对耶利米说:「我要问你一件事,你丝毫不可向我隐瞒。」
Ary hoy Jeremia tamin'i Zedekia: Raha ambarako anao, dia tsy hovonoinao tokoa va re aho? Fa na dia omeko saina aza ianao, dia tsy hihaino ahy tsinona.
耶利米对西底家说:「我若告诉你,你岂不定要杀我吗?我若劝戒你,你必不听从我。」
Ary Zedekia mpanjaka nianiana mangingina tamin'i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nanao izao fanahintsika izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tànan'ireto olona mitady ny ainao ireto.
西底家王就私下向耶利米说:「我指著那造我们生命之永生的耶和华起誓:我必不杀你,也不将你交在寻索你命的人手中。」
Dia hoy Jeremia tamin'i Zedekia: Izao ary no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona tokoa ianao, dia ho velona ny ainao, sady tsy hodorana amin'ny afo ity tanàna ity, fa ho velona ianao sy ny mpianakavinao;
耶利米对西底家说:「耶和华─万军之 神、以色列的 神如此说:你若出去归降巴比伦王的首领,你的命就必存活,这城也不致被火焚烧,你和你的全家都必存活。
fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona kosa ianao, dia hatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana ity tanàna ity, sady hodorany amin'ny afo izy, ary tsy ho afa-mandositra ny tànany ianao.
你若不出去归降巴比伦王的首领,这城必交在迦勒底人手中。他们必用火焚烧,你也不得脱离他们的手。」
Ary hoy Zedekia mpanjaka tamin'i Jeremia: Matahotra ny Jiosy izay efa nanatona ny Kaldeana aho, fandrao hatolony eo an-tànany aho ka hataony fihomehezana.
西底家王对耶利米说:「我怕那些投降迦勒底人的犹大人,恐怕迦勒底人将我交在他们手中,他们戏弄我。」
Fa hoy Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trarantitra ianao, ankatoavy ny tenin'i Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao, ka ho velona ny ainao.
耶利米说:「迦勒底人必不将你交出。求你听从我对你所说耶和华的话,这样你必得好处,你的命也必存活。
Fa raha tsy mety mivoaka kosa ianao, dia izao no teny efa nasehon'i Jehovah ahy:
你若不肯出去,耶和华指示我的话乃是这样:
Indreo, ny vehivavy rehetra izay sisa ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho entina mivoaka ho any amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona, ary ireo vehivavy ireo dia hanao hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao sady naharesy anao; Ary latsaka tao amin'ny honahona ny tongotrao, dia nilaozany nihemotra ianao.
犹大王宫里所剩的妇女必都带到巴比伦王的首领那里。这些妇女必说:你知己的朋友催逼你,胜过你;见你的脚陷入淤泥中,就转身退后了。
Ny vadinao rehetra sy ny zanakao dia ho entina mivoaka ho any amin'ny Kaldeana; ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho azon'ny tanan'ny mpanjakan'i Babylona; ary noho ianao no handoroana ity tanàna ity amin'ny afo.
人必将你的后妃和你的儿女带到迦勒底人那里;你也不得脱离他们的手,必被巴比伦王的手捉住;你也必使这城被火焚烧。」
Dia hoy Zedekia tamin'i Jeremia: Aoka tsy ho ren'olona ary izany teny izany, mba tsy ho faty ianao.
西底家对耶利米说:「不要使人知道这些话,你就不至于死。
Fa raha ren'ny mpanapaka fa niresaka taminao aho, ary tonga aminao izy ka manao aminao hoe: Ambarao aminay ankehitriny izay nolazainao tamin'ny mpanjaka, aza afenina anay, fa tsy hamono anao izahay; ary ambarao koa izay nolazain'ny mpanjaka taminao;
首领若听见了我与你说话,就来见你,问你说:『你对王说什么话不要向我们隐瞒,我们就不杀你。王向你说什么话也要告诉我们。』
dia ataovy aminy hoe: Noborahina teo anatrehan'ny mpanjaka ny fifonako, mba tsy hamerenany ahy ho faty any amin'ny tranon'i Jonatana.
你就对他们说:『我在王面前恳求不要叫我回到约拿单的房屋死在那里。』」
Ary nankany amin'i Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay teny rehetra nandidian'ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo, ka dia tsy re ny raharaha.
随后众首领来见耶利米,问他,他就照王所吩咐的一切话回答他们。他们不再与他说话,因为事情没有洩漏。
Ary Jeremia nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana mandra-pahatongan'ny andro nanafahana an'i Jerosalema.
于是耶利米仍在护卫兵的院中,直到耶路撒冷被攻取的日子。