Jeremiah 35

Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia. mpanjakan'ny Joda, nanao hoe:
当犹大王约西亚之子约雅敬的时候,耶和华的话临到耶利米说:
Mankanesa any amin'ny taranak'i Rekaba, ary mitenena aminy, dia ampidiro ao an-tranon'i Jehovah, ao amin'ny efi-trano anankiray, izy, ka omeo divay hosotroiny.
「你去见利甲族的人,和他们说话,领他们进入耶和华殿的一间屋子,给他们酒喝。」
Dia nalaiko Jazania, zanak'i Jeremia, zanak'i Habazinia, sy ny rahalahiny sy ny zanany rehetra mbamin'ny taranak'i Rekaba rehetra,
我就将哈巴洗尼雅的孙子雅利米雅的儿子雅撒尼亚和他弟兄,并他众子,以及利甲全族的人,
ka nampidiriko ho ao amin'ny tranon'i Jehovah izy, dia tao amin'ny efi-tranon'ny taranak'i Hanana zanak'i Jigdalia, lehilahin'Andriamanitra, izay ao anilan'ny efi-tranon'ny mpanapaka, ao ambonin'ny efi-tranon'i Mahaseia, zanak'i Saloma, mpiandry varavarana.
领到耶和华的殿,进入神人伊基大利的儿子哈难众子的屋子。那屋子在首领的屋子旁边,在沙龙之子把门的玛西雅屋子以上。
Ary norosoako kapoaka sy siny feno divay teo anoloan'ny taranak'i Rekaba ka nolazaiko taminy hoe: Misotroa divay ianareo.
于是我在利甲族人面前设摆盛满酒的碗和杯,对他们说:「请你们喝酒。」
Fa hoy kosa ireo: Tsy hisotro divay izahay; fa Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay efa nafatra anay hoe: Aza mba misotro divay ianareo na ny taranakareo mandrakizay;
他们却说:「我们不喝酒;因为我们先祖利甲的儿子约拿达曾吩咐我们说:『你们与你们的子孙永不可喝酒,
ary aza manao trano ianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany akory, fa lay no itoeronareo amin'ny andronareo rehetra, mba ho ela velona ianareo amin'ny tany izay ivahinianareo.
也不可盖房、撒种、栽种葡萄园,但一生的年日要住帐棚,使你们的日子在寄居之地得以延长。』
Dia nankatoavinay izany tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay izany tamin'izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin'ny andronay rehetra, na izahay na ny vadinay, na ny zanakai-lahy, na ny zanakai-vavy;
凡我们先祖利甲的儿子约拿达所吩咐我们的话,我们都听从了。我们和我们的妻子儿女一生的年日都不喝酒,
ary tsy hanao trano hitoeranay, na hanana tanimboly, na saha, na voan-javatra izahay;
也不盖房居住,也没有葡萄园、田地,和种子,
fa efa nitoetra an-day izahay araka izay rehetra nanafaran'i Jonadaba razanay anay.
但住帐棚,听从我们先祖约拿达的话,照他所吩咐我们的去行。
Fa raha nananika ny tany Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona. Dia hoy izahay: Andeha isika hankany Jerosalema handositra ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana, ka dia izany no itoerany eto Jerosalema.
巴比伦王尼布甲尼撒上此地来,我们因怕迦勒底的军队和亚兰的军队,就说:『来吧,我们到耶路撒冷去。』这样,我们才住在耶路撒冷。」
Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
耶和华的话临到耶利米说:
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Andeha, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va ianareo? hoy Jehovah.
「万军之耶和华─以色列的 神如此说:你去对犹大人和耶路撒冷的居民说,耶和华说:你们不受教训,不听从我的话吗?
To ny tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, izay nanafarany ny zanany tsy hisotro divay, fa tsy misotro tokoa izy mandraka androany, fa mahatana ny hafa-drazany, ary Izaho efa niteny taminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny, nefa tsy nihaino ianareo.
利甲的儿子约拿达所吩咐他子孙不可喝酒的话,他们已经遵守,直到今日也不喝酒,因为他们听从先祖的吩咐。我从早起来警戒你们,你们却不听从我。
Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Samia miala amin'ny lalanareo ratsy ianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo. ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy, dia honina amin'ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo ianareo nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy ianareo.
我从早起来,差遣我的仆人众先知去,说:『你们各人当回头,离开恶道,改正行为,不随从事奉别神,就必住在我所赐给你们和你们列祖的地上。』只是你们没有听从我,也没有侧耳而听。
Eny, nankatoavin'ny zanak'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, ny hafa-drazany, izay nanafarany azy; fa ity firenena ity kosa tsy mba nihaino Ahy.
利甲的儿子约拿达的子孙能遵守先人所吩咐他们的命,这百姓却没有听从我!
Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely Indro, hataoko mihatra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, satria efa niteny taminy Aho, fa tsy nihaino izy, ary niantso azy Aho, fa tsy namaly izy.
因此,耶和华─万军之 神、以色列的 神如此说:我要使我所说的一切灾祸临到犹大人和耶路撒冷的一切居民。因为我对他们说话,他们没有听从;我呼唤他们,他们没有答应。」
Ary ny taranak'i Rekaba dia nilazan'i Jeremia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nahatananareo ny hafatr'i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo,
耶利米对利甲族的人说:「万军之耶和华─以色列的 神如此说:因你们听从你们先祖约拿达的吩咐,谨守他的一切诫命,照他所吩咐你们的去行,
dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak'i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.
所以万军之耶和华─以色列的 神如此说:利甲的儿子约拿达必永不缺人侍立在我面前。」