Jeremiah 30

Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
耶和华的话临到耶利米说:
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Soratinao amin'ny boky ny teny rehetra izay efa nolazaiko taminao.
「耶和华─以色列的 神如此说:你将我对你说过的一切话都写在书上。
Fa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampodiako ny oloko, dia ny Isiraely sy ny Joda, avy amin'ny fahababoany, hoy Jehovah; eny, hampody azy ho amin'ny tany izay efa nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany.
耶和华说:日子将到,我要使我的百姓以色列和犹大被掳的人归回;我也要使他们回到我所赐给他们列祖之地,他们就得这地为业。这是耶和华说的。」
Ary izao no teny izay nolazain'i Jehovah ny amin'ny Isiraely sy ny Joda,
以下是耶和华论到以色列和犹大所说的话:
eny, izao no lazain'i Jehovah: Feo mampangovitra no renay; Misy tahotra, fa tsy fiadanana.
耶和华如此说:我们听见声音,是战抖惧怕而不平安的声音。
Anontanionareo ka izahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; Koa nahoana no samy hitako manery ny valahany amin'ny tànany avy ny lehilahy rehetra hoatra ilay efa mihetsi-jaza iny, ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?
你们且访问看看,男人有产难么?我怎么看见人人用手掐腰,像产难的妇人,脸面都变青了呢?
Indrisy! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy tahaka azy; Andro fahoriana ho an'i Jakoba izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin'izany ihany izy.
哀哉!那日为大,无日可比;这是雅各遭难的时候,但他必被救出来。
Fa amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao intsony;
万军之耶和华说:「到那日,我必从你颈项上折断仇敌的轭,扭开他的绳索;外邦人不得再使你作他们的奴仆。
Fa ianao hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao sy Davida Mpanjakanao, Izay hatsangako ho anao.
你们却要事奉耶和华─你们的 神和我为你们所要兴起的王大卫。
Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah; Ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary ny taranakao avy any amin'ny tany izay nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana sy handry fahizay, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
故此,耶和华说:我的仆人雅各啊,不要惧怕;以色列啊,不要惊惶;因我要从远方拯救你,从被掳到之地拯救你的后裔;雅各必回来得享平靖安逸,无人使他害怕。
Fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; Koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nampielezako anao, Hianao tsy mba holevoniko; Nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.
因我与你同在,要拯救你,也要将所赶散你到的那些国灭绝净尽,却不将你灭绝净尽,倒要从宽惩治你,万不能不罚你(不罚你:或译以你为无罪)。这是耶和华说的。
Fa izao no lazain'i Jehovah: Maharary ny faharatranao, ary tsy azo sitranina ny ferinao.
耶和华如此说:你的损伤无法医治;你的伤痕极其重大。
Tsy misy handahatra ny teninao; Tsy manana plasitera fanasitranana hapetaka amin'ny ferinao ianao.
无人为你分诉,使你的伤痕得以缠裹;你没有医治的良药。
Ireo tia anao dia efa nanadino anao avokoa, tsy mba notadiaviny ianao; Fa famelin'ny fahavalo no namelezako anao, dia ny famaizan'ny lozabe, noho ny habetsahan'ny helokao sy ny hamaroan'ny fahotanao.
你所亲爱的都忘记你,不来探问(或译:理会)你。我因你的罪孽甚大,罪恶众多,曾用仇敌加的伤害伤害你,用残忍者的惩治惩治你。
Nahoana ianao no mitaraina noho ny faharatranao sy noho ny fanaintainanao izay tsy azo atsahatra? Fa noho ny habetsahan'ny helokao sy ny hamaroan'ny fahotanao no nanaovako izany taminao.
你为何因损伤哀号呢?你的痛苦无法医治。我因你的罪孽甚大,罪恶众多,曾将这些加在你身上。
Koa izay rehetra mihinana anao dia mba hohanina, ary izay rehetra mampahory anao dia ho lasan-ko babo, izay mamabo anao dia hobaboina, ary Izay rehetra mandroba anao dia hatolotro horobaina.
故此,凡吞吃你的必被吞吃;你的敌人个个都被掳去;掳掠你的必成为掳物;抢夺你的必成为掠物。
Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy Jehovah, noho ny nanaovany anao hoe: Ilay noroahina, sy hoe: Ziona tsy misy mpitady ity.
耶和华说:我必使你痊癒,医好你的伤痕,都因人称你为被赶散的,说:这是锡安,无人来探问(或译:理会)的!
Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hampodiko avy amin'ny fahababoana ny lain'i Jakoba, ary ny fonenany dia hamindrako fo; ka ny tanàna dia haorina ao amin'ny havoany, ary ny lapan'andriana hitoetra ao amin'izay mahamety azy.
耶和华如此说:我必使雅各被掳去的帐棚归回,也必顾惜他的住处。城必建造在原旧的山冈;宫殿也照旧有人居住。
Ary hisy fisaorana sy feon'ny mifaly avy ao; Dia hahamaro azy Aho, ka tsy ho vitsy izy, sady hanome voninahitra azy Aho, ka tsy ho ambany izy.
必有感谢和欢乐的声音从其中发出,我要使他们增多,不致减少;使他们尊荣,不致卑微。
Ny zanany koa ho tahaka ny tany aloha, ary ny fiangonany hampitoerina eo anatrehako, dia hovaliako izay rehetra mampahory azy.
他们的儿女要如往日;他们的会众坚立在我面前;凡欺压他们的,我必刑罚他。
Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah.
他们的君王必是属乎他们的;掌权的必从他们中间而出。我要使他就近我,他也要亲近我;不然,谁有胆量亲近我呢?这是耶和华说的。
Ary ianareo ho oloko, ary Izaho ho Andriamanitrareo.
你们要作我的子民,我要作你们的 神。
He! ny tadion'i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin'ny lohan'ny ratsy fanahy.
看哪,耶和华的忿怒好像暴风已经发出;是扫灭的暴风,必转到恶人的头上。
Ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
耶和华的烈怒必不转消,直到他心中所拟定的成就了;末后的日子你们要明白。