Jeremiah 3

Fa hoy Izy: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin'olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va ianao? hoy Jehovah.
有话说:人若休妻,妻离他而去,作了别人的妻,前夫岂能再收回她来?若收回她来,那地岂不是大大玷污了吗?但你和许多亲爱的行邪淫,还可以归向我。这是耶和华说的。
Andrandrao amin'ny tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo. Taiza no tsy nandrian'olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-efitra; Ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany,
你向净光的高处举目观看,你在何处没有淫行呢?你坐在道旁等候,好像阿拉伯人在旷野埋伏一样,并且你的淫行邪恶玷污了全地。
Ka dia voasakana ny orana mivatravatra, sady tsy tonga ny fara-orana; Ary ny handrinao dia handrin'ny vehivavy janga ka tsy manan-kenatra.
因此甘霖停止,春(原文是晚)雨不降。你还是有娼妓之脸,不顾羞耻。
Moa tsy hitaraina amiko va ianao amin'izao sisa izao hoe: Ry Raiko ô, Hianao no nahazatra ahy, hatry ny fony aho mbola tanora?
从今以后,你岂不向我呼叫说:我父啊,你是我幼年的恩主。
Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatamin'ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany.
耶和华岂永远怀怒,存留到底吗?看哪,你又发恶言又行坏事,随自己的私意而行(或译:你虽这样说,还是行恶放纵欲心)。
Ary hoy Jehovah tamiko tamin'ny andro nanjakan'i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon'Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin'ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.
约西亚王在位的时候,耶和华又对我说:「背道的以色列所行的,你看见没有?她上各高山,在各青翠树下行淫。
Ary nataoko fa rehefa nanao izany rehetra izany izy, dia hiverina amiko. Kanjo tsy niverina izy. Ary Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.
她行这些事以后,我说她必归向我,她却不归向我。她奸诈的妹妹犹大也看见了。
Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.
背道的以色列行淫,我为这缘故给她休书休她;我看见她奸诈的妹妹犹大,还不惧怕,也去行淫。
Ary tamin'ny fihorakorahan'ny fijangajangany no nandotoany ny tany, ary nijangajanga tamin'ny vato sy ny hazo izy.
因以色列轻忽了她的淫乱,和石头木头行淫,地就被玷污了。
Fa na dia izany rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin'ny fony rehetra Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin'ny fihatsaram-belatsihy ihany, hoy Jehovah.
虽有这一切的事,她奸诈的妹妹犹大还不一心归向我,不过是假意归我。这是耶和华说的。」
Ary hoy Jehovah tamiko: Isiraely mpiodina dia hita fa marimarina kokoa noho Joda mpivadika.
耶和华对我说:「背道的以色列比奸诈的犹大还显为义。
Mandehana, ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah; Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; Fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.
你去向北方宣告说:耶和华说:背道的以色列啊,回来吧!我必不怒目看你们;因为我是慈爱的,我必不永远存怒。这是耶和华说的。
Kanefa kosa ekeo ny helokao, fa tamin'i Jehovah Andriamanitrao no niodinanao, ary nivezivezy nankany amin'ny hafa ianao. Teny ambanin'ny hazo maitso rehetra, fa tsy mba nihaino ny feoko ianareo, hoy Jehovah.
只要承认你的罪孽,就是你违背耶和华─你的 神,在各青翠树下向别神东奔西跑,没有听从我的话。这是耶和华说的。
Miverena, ry zaza mpiodina, hoy Jehovah, fa Izaho ihany no vadinareo; Ary hangalako iray isan-tanàna ianareo Sy roa isam-pokony, ka ho entiko ho any Ziona ianareo;
耶和华说:背道的儿女啊,回来吧!因为我作你们的丈夫,并且我必将你们从一城取一人,从一族取两人,带到锡安。
Dia homeko mpitondra araka ny sitrapoko ianareo. Izay hitondra anareo amin'ny fahalalana sy ny fahendrena.
我也必将合我心的牧者赐给你们。他们必以知识和智慧牧养你们。」
Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin'ny tany ianareo, dia amin'izany andro izany, hoy Jehovah, no tsy hanaovany intsony hoe: Ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; Ary tsy hosaintsaininy akory izany, sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanao fiara intsony.
耶和华说:「你们在国中生养众多;当那些日子,人必不再提说耶和华的约柜,不追想,不记念,不觉缺少,也不再制造。
Amin'izany andro izany no hanononana an'i Jerosalema hoe Seza fiandrianan'i Jehovah; Ary hivory any ny jentilisa rehetra noho ny anaran'i Jehovah any Jerosalema, ary izy tsy handeha intsony araka ny ditry ny fo ratsiny.
那时,人必称耶路撒冷为耶和华的宝座;万国必到耶路撒冷,在耶和华立名的地方聚集。他们必不再随从自己顽梗的恶心行事。
Amin'izany andro izany ny taranak'i Joda sy ny taranak'Isiraely dia hiara-mandeha, ka hiara-tonga avy any amin'ny tany avaratra izy ho any amin'ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.
当那些日子,犹大家要和以色列家同行,从北方之地一同来到我赐给你们列祖为业之地。」
Ary Izaho efa nanao hoe: He! fa hataoko isan-janako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova izay tena endriky ny firenena. Eny, hoy Izaho: Hianao hanao Ahy hoe Raiko, ka tsy hiala amin'ny fanarahana Ahy.
我说:我怎样将你安置在儿女之中,赐给你美地,就是万国中肥美的产业。我又说:你们必称我为父,也不再转去不跟从我。
Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin'ny lahy, dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala tamiko, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah.
以色列家,你们向我行诡诈,真像妻子行诡诈离开她丈夫一样。这是耶和华说的。
Injay! feo re any an-tendrombohitra mangadihady, dia fitomaniana amam-pitarainan'ny Zanak'Isiraely; Fa nivilivily tamin'ny nalehany izy ary nanadino an'i Jehovah Andriamaniny.
在净光的高处听见人声,就是以色列人哭泣恳求之声,乃因他们走弯曲之道,忘记耶和华─他们的 神。
Miverena ianao, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Hianao Jehovah no Andriamanitray.
你们这背道的儿女啊,回来吧!我要医治你们背道的病。看哪,我们来到你这里,因你是耶和华─我们的 神。
Foana tokoa ny horakoraka any amin'ny tendrombohitra sy ny havoana; Marina fa ao amin'i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely.
仰望从小山或从大山的喧嚷中得帮助,真是枉然的。以色列得救,诚然在乎耶和华─我们的 神。
Fa lanin'ilay mampahamenatra hatramin'ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran'ny razanay, dia ny ondry aman'osiny sy ny ombiny, ny zananilahy sy ny zananivavy.
从我们幼年以来,那可耻的偶像将我们列祖所劳碌得来的羊群、牛群,和他们的儿女都吞吃了。
Aoka handry ao amin'ny henatray izahay. Ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, satria tamin'i Jehovah Andriamanitray no efa nanotanay dia izahay sy ny razanay, hatramin'ny fahazazanay ka ambaraka androany sady tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray izahay.
我们在羞耻中躺卧吧!愿惭愧将我们遮盖;因为从立国(原文是幼年)以来,我们和我们的列祖常常得罪耶和华─我们的 神,没有听从耶和华─我们 神的话。