Jeremiah 26

Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao avy tamin'i Jehovah nanao hoe:
犹大王约西亚的儿子约雅敬登基的时候,有这话从耶和华临到耶利米说:
Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangàna eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, ka lazao amin'ny tanànan'ny Joda rehetra, izay avy hiankohoka ao an-tranon'i Jehovah, ny teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy, ary aza amelana na dia teny iray akory aza.
「耶和华如此说:你站在耶和华殿的院内,对犹大众城邑的人,就是到耶和华殿来礼拜的,说我所吩咐你的一切话,一字不可删减。
Fa angamba hihaino ihany izy, ka samy hiala amin'ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza izay kasaiko hamelezana azy noho ny faharatsian'ny ataony.
或者他们肯听从,各人回头离开恶道,使我后悔不将我因他们所行的恶,想要施行的灾祸降与他们。
Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Raha tsy mihaino Ahy ianareo ka tsy mandeha araka ny lalàko izay napetrako teo anoloanareo,
你要对他们说,耶和华如此说:『你们若不听从我,不遵行我设立在你们面前的律法,
ary tsy mihaino ny tenin'ny mpaminany mpanompoko, izay irahiko aminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka, nefa tsy mba nihaino ianareo
不听我从早起来差遣到你们那里去我仆人众先知的话(你们还是没有听从),
dia hataoko tahaka an'i Silo ity trano ity, ary hataoko fanozonana ho an'ny firenena rehetra ambonin'ny tany ity tanàna ity.
我就必使这殿如示罗,使这城为地上万国所咒诅的。』」
Ary ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin'ny vahoaka rehetra dia nandre an'i Jeremia nanambara ireo teny rehetra ireo tao an-tranon'i Jehovah.
耶利米在耶和华殿中说的这些话,祭司、先知与众民都听见了。
Koa nony efa tapitra voalazan'i Jeremia izay rehetra nasain'i Jehovah nolazaina tamin'ny vahoaka rehetra, dia nosamborin'ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin'ny vahoaka rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao.
耶利米说完了耶和华所吩咐他对众人说的一切话,祭司、先知与众民都来抓住他,说:「你必要死!
Nahoana ianao no naminany tamin'ny anaran'i Jehovah hoe: Ho tahaka an'i Silo ity tanàna ity, ary ho lao ity tanàna ity, ka tsy hisy mponina? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin'i Jeremia tao an-tranon'i Jehovah.
你为何托耶和华的名预言,说这殿必如示罗,这城必变为荒场无人居住呢?」于是众民都在耶和华的殿中聚集到耶利米那里。
Fa nony ren'ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany, dia niakatra avy tany amin'ny tranon'ny mpanjaka nankany amin'ny tranon'i Jehovah izy ka nipetraka teo anoloan'ny vavahady vaovaon'i Jehovah.
犹大的首领听见这事,就从王宫上到耶和华的殿,坐在耶和华殿的新门口。
Ary ny mpisorona sy ny mpaminany nilaza tamin'ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa efa naminany loza ho amin'ity tanàna ity izy araka izay efa ren'ny sofinareo.
祭司、先知对首领和众民说:「这人是该死的;因为他说预言攻击这城,正如你们亲耳所听见的。」
Dia nilaza tamin'ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia hoe: Jehovah no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin'ity trano sy ity tanàna ity.
耶利米就对众首领和众民说:「耶和华差遣我预言,攻击这殿和这城,说你们所听见的这一切话。
Koa ankehitriny ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo; fa hanenenan'i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo.
现在要改正你们的行动作为,听从耶和华─你们 神的话,他就必后悔,不将所说的灾祸降与你们。
Fa ny amiko, dia, indro, efa eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina.
至于我,我在你们手中,你们眼看何为善,何为正,就那样待我吧!
Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo, dia hahatonga rà marina aminareo sy amin'ity tanàna ity ary amin'ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.
但你们要确实地知道,若把我治死,就使无辜人的血归到你们和这城,并其中的居民了;因为耶和华实在差遣我到你们这里来,将这一切话传与你们耳中。」
Dia hoy ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra tamin'ny mpisorona sy ny mpaminany: Tsy misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity, satria tamin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.
首领和众民就对祭司、先知说:「这人是不该死的,因为他是奉耶和华─我们 神的名向我们说话。」
Dia nisy nitsangana ny loholona ka nanao tamin'ny vahoaka rehetra vory teo hoe:
国中的长老就有几个人起来,对聚会的众民说:
Mika Morastita dia naminany tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka nanao tamin'ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: "Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala." (Mik. 3. 12).
「当犹大王希西家的日子,有摩利沙人弥迦对犹大众人预言说:万军之耶和华如此说:锡安必被耕种像一块田;耶路撒冷必变为乱堆;这殿的山必像丛林的高处。
Moa namono azy va Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an'i Jehovah va izy ka nifona tamin'i Jehovah, ka dia nanenenan'i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampidi-doza lehibe amin'ny tenantsika.
犹大王希西家和犹大众人岂是把他治死呢?希西家岂不是敬畏耶和华、恳求他的恩吗?耶和华就后悔,不把自己所说的灾祸降与他们。若治死这人,我们就作了大恶,自害己命。」
Ary nisy lehilahy anankiray koa izay naminany tamin'ny anaran'i Jehovah, dia Oria, zanak'i Semaia, avy any Kiriata-jearima, izay naminany loza ho amin'ity tanàna sy ity tany ity araka izany teny rehetra nataon'i Jeremia izany koa.
(又有一个人奉耶和华的名说预言,是基列‧耶琳人示玛雅的儿子乌利亚,他照耶利米的一切话说预言,攻击这城和这地。
Ary nony ren'i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ny teniny, dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka; ary nony nandre izany Oria, dia natahotra izy ka nandositra, ary tonga tany Egypta;
约雅敬王和他众勇士、众首领听见了乌利亚的话,王就想要把他治死。乌利亚听见就惧怕,逃往埃及去了。
ary Joiakima mpanjaka naniraka olona nankany Egypta, dia Elnatana, zanak'i Akbora, mbamin'ny olona sasany nanaraka ny hankany Egypta.
约雅敬王便打发亚革波的儿子以利拿单,带领几个人往埃及去。
Ary Oria dia nalain'ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin'i Joiakima mpanjaka; ary izy namono azy tamin'ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin'ny fasam-bahoaka.
他们就从埃及将乌利亚带出来,送到约雅敬王那里;王用刀杀了他,把他的尸首抛在平民的坟地中。)
Nefa ny tànan'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nomba an'i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan'ny vahoaka hovonoiny.
然而,沙番的儿子亚希甘保护耶利米,不交在百姓的手中治死他。