Jeremiah 24

Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky voapetraka teo anoloan'ny tempolin'i Jehovah, taorian'ny nitondran'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babylona.
巴比伦王尼布甲尼撒将犹大王约雅敬的儿子耶哥尼雅和犹大的首领,并工匠、铁匠从耶路撒冷掳去,带到巴比伦。这事以后,耶和华指给我看,有两筐无花果放在耶和华的殿前。
Ny sobiky iray dia nisy aviavy tsara dia tsara, dia toy ny aviavy mialin-taona; ary ny sobiky anankiray kosa dia nisy aviavy ratsy dia ratsy, izay tsy azo hanina noho ny haratsiny.
一筐是极好的无花果,好像是初熟的;一筐是极坏的无花果,坏得不可吃。
Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Jeremia? Ary hoy izaho: Aviavy; koa ny tsara moa dia tsara tokoa, ary ny ratsy kosa dia ratsy tokoa ka tsy azo hanina noho ny haratsiny.
于是耶和华问我说:「耶利米你看见什么?」我说:「我看见无花果,好的极好,坏的极坏,坏得不可吃。」
Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
耶和华的话临到我说:
Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tahaka ireto aviavy tsara ireto no fijeriko ny Joda voababo mba hanasoavako azy, dia ireo noroahiko niala tamin'ity tany ity ho any amin'ny tanin'ny Kaldeana.
「耶和华─以色列的 神如此说:被掳去的犹大人,就是我打发离开这地到迦勒底人之地去的,我必看顾他们如这好无花果,使他们得好处。
Fa hojeren'ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin'ity tany ity; ary haoriko izy, ka tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako.
我要眷顾他们,使他们得好处,领他们归回这地。我也要建立他们,必不拆毁;栽植他们,并不拔出。
Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy.
我要赐他们认识我的心,知道我是耶和华。他们要作我的子民,我要作他们的 神,因为他们要一心归向我。」
Ary ny amin'ny aviavy ratsy izay tsy azo hanina kosa noho ny haratsiny, dia izao no lazain'i Jehovah: Toy izany no hanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanapaka ary izay sisa any Jerosalema, dia izay mbola sisa amin'ity tany ity sy izay mitoetra any amin'ny tany Egypta,
耶和华如此说:「我必将犹大王西底家和他的首领,以及剩在这地耶路撒冷的余民,并住在埃及地的犹大人都交出来,好像那极坏、坏得不可吃的无花果。
eny, hatolotro ho mpanjenjena sy fiharan-doza any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany izy, ho fandatsa sy ohabolana sy ambentinteny ary fanozonana any amin'ny tany rehetra izay handroahako azy.
我必使他们交出来,在天下万国中抛来抛去,遭遇灾祸;在我赶逐他们到的各处成为凌辱、笑谈、讥刺、咒诅。
Ary hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ambara-pahalany ritrany tsy ho amin'ny tany izay nomeko azy sy ny razany.
我必使刀剑、饥荒、瘟疫临到他们,直到他们从我所赐给他们和他们列祖之地灭绝。」