Jeremiah 18

Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
耶和华的话临到耶利米说:
Mitsangàna, ka midina ho any amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga, ary any no hampandrenesako anao ny teniko.
「你起来,下到窑匠的家里去,我在那里要使你听我的话。」
Dia nidina tany amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga aho, ary, indro, nanao ny asany teo amin'ny ankodina fanaovana izy.
我就下到窑匠的家里去,正遇他转轮做器皿。
Ary raha simba ny vilany ataony araka izay mazàna miseho amin'ny tanimanga eny an-tànan'ny mpanefy dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian'ny mpanefy tanimanga hanaovana azy.
窑匠用泥做的器皿,在他手中做坏了,他又用这泥另做别的器皿;窑匠看怎样好,就怎样做。
Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe :
耶和华的话就临到我说:
Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon'ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak'i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak'Isiraely.
耶和华说:「以色列家啊,我待你们,岂不能照这窑匠弄泥吗?以色列家啊,泥在窑匠的手中怎样,你们在我的手中也怎样。
Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako;
我何时论到一邦或一国说,要拔出、拆毁、毁坏;
Nefa raha miala amin'ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy.
我所说的那一邦,若是转意离开他们的恶,我就必后悔,不将我想要施行的灾祸降与他们。
Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko;
我何时论到一邦或一国说,要建立、栽植;
Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy.
他们若行我眼中看为恶的事,不听从我的话,我就必后悔,不将我所说的福气赐给他们。
Koa amin'izany, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin'ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.
现在你要对犹大人和耶路撒冷的居民说:『耶和华如此说:我造出灾祸攻击你们,定意刑罚你们。你们各人当回头离开所行的恶道,改正你们的行动作为。』
Nefa hoy ireo: Kivy izahay izany! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay, eny, samy hanao araka ny ditry ny fo ratsinay avy izahay rehetra.
「他们却说:『这是枉然。我们要照自己的计谋去行。』各人随自己顽梗的恶心做事。」
Koa izao no lazain'i Jehovah: anontanio any amin'ny jentilisa hoe: Iza no nandre zavatra toy izany? Zavatra mahatsiravina indrindra no nataon'Isiraely virijina.
所以,耶和华如此说:你们且往各国访问,有谁听见这样的事?以色列民(原文是处女)行了一件极可憎恶的事。
Hitsahatra tsy ho eo amin'ny vatolampy any an-tsaha va ny oram-panalan'i Libanona, ary mety ho ritra va ny rano maria sady mangatsiaka avy amin'ny tany hafa?
黎巴嫩的雪从田野的磐石上岂能断绝呢?从远处流下的凉水岂能干涸呢?
Fa efa nanadino Ahy ny oloko, ka ho an'ny sampy no nandoroany ditin-kazo manitra; Ary nanafintohina azy teo amin'ny lalany ireny; dia ny lalana fahagola, handehanany amin'ny sakeli-dalana madinika, dia amin'ny lalana tsy voavoatra,
我的百姓竟忘记我,向假神烧香,使他们在所行的路上,在古道上绊跌,使他们行没有修筑的斜路,
Mba hahatonga ny taniny ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra mandrakizay; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hihifikifi-doha.
以致他们的地令人惊骇,常常嗤笑;凡经过这地的必惊骇摇头。
Toy ny fampielin'ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako azy eo anoloan'ny fahavalony; Hiamboho azy Aho, fa tsy hanatrika azy, amin'ny andro hahitany loza.
我必在仇敌面前分散他们,好像用东风吹散一样。遭难的日子,我必以背向他们,不以面向他们。
Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an'i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin'ny mpisorona, na ny saina avy amin'ny hendry, na ny teny avy amin'ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.
他们就说:「来吧!我们可以设计谋害耶利米;因为我们有祭司讲律法,智慧人设谋略,先知说预言,都不能断绝。来吧!我们可以用舌头击打他,不要理会他的一切话。」
Mihainoa ahy, Jehovah ô; Ary mihainoa ny tenin'izay miady amiko
耶和华啊,求你理会我,且听那些与我争竞之人的话。
Ratsy va no havaly ny soa? Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao nitaraina ho azy hampiala ny fahatezeranao aminy.
岂可以恶报善呢?他们竟挖坑要害我的性命!求你记念我怎样站在你面前为他们代求,要使你的忿怒向他们转消。
Koa aoka ho mosarena ny zanany, ary atolory ho amin'ny herin'ny sabatra izy, ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; Ary aoka ny lehilahy lehibe aminy haripaky ny aretina, ary ny zatovony ho fatin-tsabatra amin'ny ady.
故此,愿你将他们的儿女交与饥荒和刀剑;愿他们的妻无子,且作寡妇;又愿他们的男人被死亡所灭,他们的少年人在阵上被刀击杀。
Aoka hisy fidradradradrana ho re ao an-tranony, raha mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Hianao; Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.
你使敌军忽然临到他们的时候,愿人听见哀声从他们的屋内发出;因他们挖坑要捉拿我,暗设网罗要绊我的脚。
Fa Hianao, Jehovah ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; Aza avela ny helony; Ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; Mameleza azy amin'ny andro fahatezeranao.
耶和华啊,他们要杀我的那一切计谋,你都知道。不要赦免他们的罪孽,也不要从你面前涂抹他们的罪恶,要叫他们在你面前跌倒;愿你发怒的时候罚办他们。