Jeremiah 10

Henoy ny teny izay lazain'i Jehovah aminareo, ry taranak'Isiraely!
以色列家啊,要听耶和华对你们所说的话。
Izao no lazain'i Jehovah: Aza mianatra ny fanaon'ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo famantarana eny amin'ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany.
耶和华如此说:你们不要效法列国的行为,也不要为天象惊惶,因列国为此事惊惶。
Fa ny fanaon'ny firenena dia zava-poana; Fa hazo nokapaina tany an'ala ireny, dia asan-tànan'ny mpiasa amin'ny famaky;
众民的风俗是虚空的;他们在树林中用斧子砍伐一棵树,匠人用手工造成偶像。
Volafotsy sy volamena no an-dravahany azy, ary hombo sy tantanana no entiny manamafy azy, mba tsy hihetsiketehany.
他们用金银妆饰它,用钉子和锤子钉稳,使它不动摇。
Toy ny hazo voasana ho sari-drofia izy, fa tsy mahateny; Ary entina ihany izy, fa tsy mba afa-mandeha; Aza matahotra azy, fa tsy mahatonga loza izy sady tsy mahay manisy soa.
它好像棕树,是镟成的,不能说话,不能行走,必须有人抬著。你们不要怕它;它不能降祸,也无力降福。
Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; Lehibe Hianao, ary lehibe amin'ny hery ny anaranao.
耶和华啊,没有能比你的!你本为大,有大能大力的名。
Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan'ny firenena! Fa Hianao no iendrehan'izany, eny, amin'ny hendry rehetra amin'ny firenena sy amin'ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao.
万国的王啊,谁不敬畏你?敬畏你本是合宜的;因为在列国的智慧人中,虽有政权的尊荣,也不能比你。
Fa ketrina sy adala avokoa izy rehetra; He! fananaram-poana! fa tapa-kazo ihany.
他们尽都是畜类,是愚昧的。偶像的训诲算什么呢?偶像不过是木头。
Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan'ny mpiasa sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan'ny mahay zavatra izy rehetra.
有银子打成片,是从他施带来的,并有从乌法来的金子,都是匠人和银匠的手工,又有蓝色紫色料的衣服,都是巧匠的工作。
Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Izay mampihorohoro ny tany amin'ny fahatezerany, ka tsy tantin'ny firenena ny fahavinirany
惟耶和华是真 神,是活 神,是永远的王。他一发怒,大地震动;他一恼恨,列国都担当不起。
(Izao no holazainareo amin'ireny; Ny amin'ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin'ny tany na ho atỳ ambanin'ny lanitra ireny)
(你们要对他们如此说:不是那创造天地的神,必从地上从天下被除灭!)
Dia Ilay nanao ny tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany.
耶和华用能力创造大地,用智慧建立世界,用聪明铺张穹苍。
Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho amin'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.
他一发声,空中便有多水激动;他使云雾从地极上腾;他造电随雨而闪,从他府库中带出风来。
Efa ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy manam-pahalalana; Menarina noho ny sarin-javatra voasokitra ny mpanefy volamena rehetra; Fa fitaka ny sarin-javatra an-idina, sady tsy misy fofon'aina ao aminy.
各人都成了畜类,毫无知识;各银匠都因他雕刻的偶像羞愧。他所铸的偶像本是虚假的,其中并无气息,
Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.
都是虚无的,是迷惑人的工作;到追讨的时候必被除灭。
Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran'i Jakoba; Fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
雅各的分不像这些,因他是造作万有的主。以色列也是他产业的支派,万军之耶和华是他的名。
Angony ny korontan'entanao, ka ento hiala amin'ny tany, ry ilay mipetraka ao amin'ny haterena!
受围困的人哪,当收拾你的财物,从国中带出去。
Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatorako ho indray misidina toy ny vaton'antsamotady ny mponina amin'ny tany, ary hataoko tery izy mba hahitany.
因为耶和华如此说:这时候,我必将此地的居民,好像用机弦甩出去,又必加害在他们身上,使他们觉悟。
Mahita loza aho, fa torotoro! Tsy azo sitranina ny feriko; Nefa hoy Izaho: Anjara-fahoriako izao, ka dia hozakaiko ihany.
民说:祸哉!我受损伤;我的伤痕极其重大。我却说:这真是我的痛苦,必须忍受。
Rava ny laiko, ary tapaka avokoa ny kofehin-daiko; Lasa ny zanako, ka tsy misy intsony, eny, tsy misy hamelatra ny laiko intsony na hanantona ny ambain-daiko.
我的帐棚毁坏;我的绳索折断。我的儿女离我出去,没有了。无人再支搭我的帐棚,挂起我的幔子。
Fa efa ketrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady an'i Jehovah; Izany no tsy mahahendry azy, ka dia miely ny ondry andrasany rehetra.
因为牧人都成为畜类,没有求问耶和华,所以不得顺利;他们的羊群也都分散。
Injany! misy siosion-teny hoe: Indro, tamy izy amin'ny fihorakorahana be avy any amin'ny tany avaratra mba hahatonga ny tanànan'ny Joda ho lao sy ho fonenan'ny amboadia.
有风声!看哪,敌人来了!有大扰乱从北方出来,要使犹大城邑变为荒凉,成为野狗的住处。
Jehovah ô, fantatro fa tsy an'ny olombelona ny lalan-kalehany, na an'ny mpandeha ny hahalavorary ny diany
耶和华啊,我晓得人的道路不由自己,行路的人也不能定自己的脚步。
Jehovah ô, anaro aho, nefa araka ny antonony ihany, fa tsy amin'ny fahatezeranao, fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho.
耶和华啊,求你从宽惩治我,不要在你的怒中惩治我,恐怕使我归于无有。
Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, dia amin'ny taranaka Izay tsy miantso ny anaranao. Fa efa nihinana an'i Jakoba ireo, eny, nihinana sy nahalevona azy ary nahalao ny fonenany.
愿你将忿怒倾在不认识你的列国中,和不求告你名的各族上;因为他们吞了雅各,不但吞了,而且灭绝,把他的住处变为荒场。