Isaiah 59

Indro, ny tànan'i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare;
耶和华的膀臂并非缩短,不能拯救,耳朵并非发沉,不能听见,
Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
但你们的罪孽使你们与 神隔绝;你们的罪恶使他掩面不听你们。
Fa ny tananareo dia voaloto amin'ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin'ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.
因你们的手被血沾染,你们的指头被罪孽沾污,你们的嘴唇说谎言,你们的舌头出恶语。
Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.
无一人按公义告状,无一人凭诚实辨白;都倚靠虚妄,说谎言。所怀的是毒害;所生的是罪孽。
Mikotrika ny atodin'ny menarana izy ary manenona ny tranon-kala; Izay homana ny atodin'ireny dia ho faty, fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy ao.
他们菢毒蛇蛋,结蜘蛛网;人吃这蛋必死。这蛋被踏,必出蝮蛇。
Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany.
所结的网不能成为衣服;所做的也不能遮盖自己。他们的行为都是罪孽;手所做的都是强暴。
Ny tongony miriotra ho amin'ny ratsy sy mimaona handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany.
他们的脚奔跑行恶;他们急速流无辜人的血;意念都是罪孽,所经过的路都荒凉毁灭。
Ny lalan'ny fiadanana tsy fantany; ary tsy misy rariny ao amin'ny alehany; lalana miolakolaka ny lalany, ka na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana.
平安的路,他们不知道;所行的事没有公平。他们为自己修弯曲的路;凡行此路的都不知道平安。
Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin'ny aizim-pito ihany no andehanantsika.
因此,公平离我们远,公义追不上我们。我们指望光亮,却是黑暗,指望光明,却行幽暗。
Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny maizimaizina isika, ary eo amin'ny matanjaka dia tahaka ny maty isika.
我们摸索墙壁,好像瞎子;我们摸索,如同无目之人。我们晌午绊脚,如在黄昏一样;我们在肥壮人中,像死人一般。
Isika rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany.
我们咆哮如熊,哀鸣如鸽;指望公平,却是没有;指望救恩,却远离我们。
Fa efa betsaka eo anatrehanao ny fiodinanay, ary ny fahotanay miampanga anay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay, ary ny helokay dia fantatray,
我们的过犯在你面前增多,罪恶作见证告我们;过犯与我们同在。至于我们的罪孽,我们都知道:
Dia ny miodina sy ny mandà an'i Jehovah, ary ny miala amin'ny fanarahana an'Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona sy mamoaka teny lainga avy ao am-po.
就是悖逆、不认识耶和华,转去不跟从我们的 神,说欺压和叛逆的话,心怀谎言,随即说出。
Nahemotra ny rariny, ary mijanon-davitra ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana, ary ny hitsim-po tsy mahazo miditra.
并且公平转而退后,公义站在远处;诚实在街上仆倒,正直也不得进入。
Eny, tsy eo ny fahamarinana; ary izay mifady ny ratsy dia hoatra ny manolo-tena hobabom'ny sasany. Ary hitan'i Jehovah ny tsi-fisian'ny rariny, ka nataony fa ratsy izany;
诚实少见;离恶的人反成掠物。那时,耶和华看见没有公平,甚不喜悦。
Eny, hitany fa tsy nisy olona, sady talanjona Izy, satria tsy nisy mpanalalana, ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
他见无人拯救,无人代求,甚为诧异,就用自己的膀臂施行拯救,以公义扶持自己。
Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin'ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
他以公义为铠甲(或译:护心镜),以拯救为头盔,以报仇为衣服,以热心为外袍。
Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an'ny fahavalony, famaliana ho an'ny rafiny; ary ny nosy dia hovaliany tokoa.
他必按人的行为施报,恼怒他的敌人,报复他的仇敌向众海岛施行报应。
Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran'i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin'ny fiposahan'ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin'ny Fanahin'i Jehovah.
如此,人从日落之处必敬畏耶和华的名,从日出之地也必敬畏他的荣耀;因为仇敌好像急流的河水冲来,是耶和华之气所驱逐的。
Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, Ho amin'ny Jakoba izay miala amin'ny fahadisoana, hoy Jehovah.
必有一位救赎主来到锡安─雅各族中转离过犯的人那里。这是耶和华说的。
Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin'ny vavanao, na amin'ny vavan'ny taranakao, na amin'ny vavan'ny taranaky ny taranakao, hatramin'izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.
耶和华说:至于我与他们所立的约乃是这样:我加给你的灵,传给你的话,必不离你的口,也不离你后裔与你后裔之后裔的口,从今直到永远;这是耶和华说的。