Isaiah 52

Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masina; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
锡安哪,兴起!兴起!披上你的能力!圣城耶路撒冷啊,穿上你华美的衣服!因为从今以后,未受割礼、不洁净的必不再进入你中间。
Ahintsano ny vovoka hiala amin'ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin'ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.
耶路撒冷啊,要抖下尘土!起来坐在位上!锡安被掳的居民(原文是女子)哪,要解开你颈项的锁鍊!
Fa izao no lazain'i Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo.
耶和华如此说:你们是无价被卖的,也必无银被赎。
Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan'ny oloko tamin'ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana.
主耶和华如此说:起先我的百姓下到埃及,在那里寄居,又有亚述人无故欺压他们。
Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako.
耶和华说:我的百姓既是无价被掳去,如今我在这里做什么呢?耶和华说:辖制他们的人呼叫,我的名整天受亵渎。
Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin'izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho.
所以,我的百姓必知道我的名;到那日他们必知道说这话的就是我。看哪,是我!
Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin'i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
那报佳音,传平安,报好信,传救恩的,对锡安说:你的 神作王了!这人的脚登山何等佳美!
Injany ny feon'ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian'i Jehovah ho any Ziona.
听啊,你守望之人的声音,他们扬起声来,一同歌唱;因为耶和华归回锡安的时候,他们必亲眼看见。
Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an'i Jerosalema.
耶路撒冷的荒场啊,要发起欢声,一同歌唱;因为耶和华安慰了他的百姓,救赎了耶路撒冷。
Jehovah efa nampiseho ny sandriny masina teo imason'ny firenena rehetra; ary ny faran'ny tany rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitsika.
耶和华在万国眼前露出圣臂;地极的人都看见我们 神的救恩了。
Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak'i Jehovah.
你们离开吧!离开吧!从巴比伦出来。不要沾不洁净的物;要从其中出来。你们扛抬耶和华器皿的人哪,务要自洁。
Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.
你们出来必不致急忙,也不致奔逃。因为,耶和华必在你们前头行;以色列的 神必作你们的后盾。
Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra.
我的仆人行事必有智慧(或译:行事通达),必被高举上升,且成为至高。
Fa toy ny nigagan'ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin'olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak'olombelona),
许多人因他(原文是你)惊奇;他的面貌比别人憔悴;他的形容比世人枯槁。
Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin'ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.
这样,他必洗净(或译:鼓动)许多国民;君王要向他闭口。因所未曾传与他们的,他们必看见;未曾听见的,他们要明白。