Isaiah 42

Indro ny Mpanompoko, Izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady sitraky ny foko Napetrako tao aminy ny Fanahiko; Hamoaka fitsipika ho an'ny jentilisa Izy.
看哪,我的仆人─我所扶持所拣选、心里所喜悦的!我已将我的灵赐给他;他必将公理传给外邦。
Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana.
他不喧嚷,不扬声,也不使街上听见他的声音。
Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; Hamoaka izay tena rariny tokoa Izy.
压伤的芦苇,他不折断;将残的灯火,他不吹灭。他凭真实将公理传开。
Tsy ho reraka na ho kivy Izy, Mandra-panoriny ny rariny amin'ny tany, ary ny nosy hiandry ny lalàny.
他不灰心,也不丧胆,直到他在地上设立公理;海岛都等候他的训诲。
Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an'izay mandeha eo aminy:
创造诸天,铺张穹苍,将地和地所出的一并铺开,赐气息给地上的众人,又赐灵性给行在其上之人的 神耶和华,他如此说:
Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin'ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, Ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, Ho fanazavana ny jentilisa,
我─耶和华凭公义召你,必搀扶你的手,保守你,使你作众民的中保(中保:原文是约),作外邦人的光,
Hampahiratra ny mason'ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin'ny maizina hiala ao an-trano famatorana.
开瞎子的眼,领被囚的出牢狱,领坐黑暗的出监牢。
Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an'ny sarin-javatra voasokitra.
我是耶和华,这是我的名;我必不将我的荣耀归给假神,也不将我的称讚归给雕刻的偶像。
Ny amin'ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.
看哪,先前的事已经成就,现在我将新事说明,这事未发以先,我就说给你们听。
Hianareo izay midina any amin'ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin'ny faran'ny tany.
航海的和海中所有的,海岛和其上的居民,都当向耶和华唱新歌,从地极讚美他。
Aoka ny efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, dia ny vohitra izay onenan'i Kedara; Aoka hihoby ny mponina any Sela; Ary aoka hanao feo avo any an-tampon'ny tendrombohitra izy.
旷野和其中的城邑,并基达人居住的村庄都当扬声;西拉的居民当欢呼,在山顶上呐喊。
Aoka hanome voninahitra an'i Jehovah izy Ary hitory ny fiderana Azy any amin'ny nosy.
他们当将荣耀归给耶和华,在海岛中传扬他的颂讚。
Jehovah mivoaka tahaka ny lehilahy mahery, tahaka ny fanaon'ny mpiady no amohazany ny fahatezerany; Miantsoantso Izy, eny, mihiaka mafy; Mampiseho hery haharesy ny fahavalony Izy.
耶和华必像勇士出去,必像战士激动热心,要喊叫,大声呐喊,要用大力攻击仇敌。
Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; Fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka, eny, miehakehaka tsy avy miaina.
我许久闭口不言,静默不语;现在我要喊叫,像产难的妇人;我要急气而喘哮。
Hataoto mariry ny tendrombohitra sy ny havoana, hataoko maina ny ahitra rehetra ao aminy, ary ny ony ho tonga nosy, Ary hataoko tankina ny farihy.
我要使大山小冈变为荒场,使其上的花草都枯干;我要使江河变为洲岛,使水池都干涸。
Hitarika ny jamba amin'izay lalana tsy fantany Aho; ary amin'ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako.
我要引瞎子行不认识的道,领他们走不知道的路;在他们面前使黑暗变为光明,使弯曲变为平直。这些事我都要行,并不离弃他们。
Hihemotra sady ho menatra tokoa izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, dia izay manao amin'ny sarin-javatra an-idina hoe: Hianareo no andriamanitray.
倚靠雕刻的偶像,对铸造的偶像说:你是我们的神;这等人要退后,全然蒙羞。
Mihainoa ianareo, ry marenina; Ary mijere, ry jamba, mba hahita.
你们这耳聋的,听吧!你们这眼瞎的,看吧!使你们能看见。
Iza no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizan'i Jehovah, ary jamba tahaka ny mpanompony?
谁比我的仆人眼瞎呢?谁比我差遣的使者耳聋呢?谁瞎眼像那与我和好的?谁瞎眼像耶和华的仆人呢?
Mahita zavatra maro ianao, nefa tsy mitandrina; Manongilana ny sofiny izy, nefa tsy mihaino.
你看见许多事却不领会,耳朵开通却不听见。
Sitrak'i Jehovah noho ny fahamarinany ny hahalehibe ny lalàna sy ny hahabe voninahitra azy.
耶和华因自己公义的缘故,喜欢使律法(或译:训诲)为大,为尊。
Kanefa ity dia firenena nobaboina sy norobaina; Voafandrika ao an-davaka avokoa izy rehetra ary voàfina ao an-trano-maizina; Voababo izy, ka tsy misy mamonjy; Voasambotra izy, ka tsy misy manao hoe: Ampodio.
但这百姓是被抢被夺的,都牢笼在坑中,隐藏在狱里;他们作掠物,无人拯救,作掳物,无人说交还。
Iza aminareo no hihaino iza-ny? Iza no handre, dia hitandrina izany amin'ny andro ho avy?
你们中间谁肯侧耳听此,谁肯留心而听,以防将来呢?
Iza no nanolotra an'i Jakoba hosamborina, ary Isiraely ho an'ny mpamabo? Tsy Jehovah, Izay efa nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin'ny lalany ireo, sady tsy nety nihaino ny lalàny;
谁将雅各交出当作掳物,将以色列交给抢夺的呢?岂不是耶和华吗?就是我们所得罪的那位。他们不肯遵行他的道,也不听从他的训诲。
Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan'ny ady; Dia nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin'ny fony
所以,他将猛烈的怒气和争战的勇力倾倒在以色列的身上。在他四围如火著起,他还不知道,烧著他,他也不介意。