Isaiah 41

Mangina hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; Aoka hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika hifanatona eo amin'ny fitsarana.
众海岛啊,当在我面前静默;众民当从新得力,都要近前来才可以说话,我们可以彼此辩论。
Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban'ny fahamarinana tamin'ny diany rehetra, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka?
谁从东方兴起一人,凭公义召他来到脚前呢?耶和华将列国交给他,使他管辖君王,把他们如灰尘交与他的刀,如风吹的碎秸交与他的弓。
Mipaoka ireo izy ka mandroso soa aman-tsara any amin'izay lalana tsy mbola nodiavin'ny tongony.
他追赶他们,走他所未走的道,坦然前行。
Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin'ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin'ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.
谁行做成就这事,从起初宣召历代呢?就是我─耶和华!我是首先的,也与末后的同在。
Ny nosy nahita ka raiki-tahotra; Toran-kovitra ny vazan-tany dia nanatona izy ka tonga.
海岛看见就都害怕;地极也都战兢,就近前来。
Samy nanampy ny namany avy izy rehetra, ary samy nilaza tamin'ny rahalahiny avy hoe: Matokia.
他们各人帮助邻舍,各人对弟兄说:壮胆吧!
Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin'ny tantanana nampahery izay nively teo amin'ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin'ny hombo izy mba tsy hihozongozona.
木匠勉励银匠,用锤打光的勉励打砧的,论銲工说,銲得好;又用钉子钉稳,免得偶像动摇。
Fa ianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, Taranak'i Abrahama sakaizako,
惟你以色列─我的仆人,雅各─我所拣选的,我朋友亚伯拉罕的后裔,
Hianao izay efa notantanako avy tany amin'ny faran'ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako:
你是我从地极所领(原文是抓)来的,从地角所召来的,且对你说:你是我的仆人;我拣选你,并不弃绝你。
Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.
你不要害怕,因为我与你同在;不要惊惶,因为我是你的 神。我必坚固你,我必帮助你;我必用我公义的右手扶持你。
Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao.
凡向你发怒的必都抱愧蒙羞;与你相争的必如无有,并要灭亡。
Hotadiavinao izay mifanditra aminao, fa tsy ho hitanao, ary ho tahaka ny tsinontsinona sy ny zava-poana izay miady aminao.
与你争竞的,你要找他们也找不著;与你争战的必如无有,成为虚无。
Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
因为我耶和华─你的 神必搀扶你的右手,对你说:不要害怕!我必帮助你。
Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin'ny Isiraely no Mpanavotra anao.
你这虫雅各和你们以色列人,不要害怕!耶和华说:我必帮助你。你的救赎主就是以色列的圣者。
Indro, ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra ianao; Hively ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ho vovoka ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa.
看哪,我已使你成为有快齿打粮的新器具;你要把山岭打得粉碎,使冈陵如同糠秕。
Hikororoka azy ianao, ka hopaohin'ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao kosa dia hiravoravo amin'i Jehovah, ary ny Iray Masin'ny Isiraely no ho reharehanao.
你要把它簸扬,风要吹去;旋风要把它刮散。你倒要以耶和华为喜乐,以色列的圣者为夸耀。
Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan'ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;
困苦穷乏人寻求水却没有;他们因口渴,舌头干燥。我─耶和华必应允他们;我─以色列的 神必不离弃他们。
Hampiboika renirano ao amin'ny tendrombohitra mangadihady Aho ary loharano ao amin'ny lohasaha; Hanao ny efitra ho farihy Aho ary ny tany karankaina no loharano miboiboika.
我要在净光的高处开江河,在谷中开泉源;我要使沙漠变为水池,使干地变为涌泉。
Hampaniry hazo sedera sy akasia sy rotra ary oliva any an-efitra Aho ary kypreso sy pina sy bokso eny an-tani-hay,
我要在旷野种上香柏树、皂荚树、番石榴树,和野橄榄树。我在沙漠要把松树、杉树,并黄杨树一同栽植;
Mba ho hitany sy ho fantany sy hoheveriny ary ho azony an-tsaina fa ny tànan'i Jehovah no nanao izany, ary ny Iray Masin'ny Isiraely no nahary izany.
好叫人看见、知道、思想、明白;这是耶和华的手所做的,是以色列的圣者所造的。
Alaharo eto ny teninareo, hoy Jehovah; Asehoy izay mahamarina ny anareo, hoy ny Mpanjakan'i Jakoba.
耶和华对假神说:你们要呈上你们的案件;雅各的君说:你们要声明你们确实的理由。
Aoka hampanatoniny ka hasehony amintsika izay zavatra mbola ho avy; Ambarao izay zavatra taloha, mba hoheverinay ka ho fantatray izay hiafarany, na ilazao izay zavatra ho avy izahay.
可以声明,指示我们将来必遇的事,说明先前的是什么事,好叫我们思索,得知事的结局,或者把将来的事指示我们。
Ambarao anay izay zavatra ho avy rahatrizay, mba ho fantatray fa andriamanitra ianareo; Eny, manaova soa, na manaova ratsy, mba hitaha isika, ka samy hahita.
要说明后来的事,好叫我们知道你们是 神。你们或降福,或降祸,使我们惊奇,一同观看。
Indro, ianareo dia naman'ny tsinontsinona, ary ny asanareo dia naman'ny zava-poana; vetaveta izay mifidy anareo.
看哪,你们属乎虚无;你们的作为也属乎虚空。那选择你们的是可憎恶的。
Nanaitra ny anankiray avy tany avaratra Aho, ka tonga izy. Dia ny anankiray avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro, izay hiantso ny anarako, ary hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy feta izy, ary tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.
我从北方兴起一人;他是求告我名的,从日出之地而来。他必临到掌权的,好像临到灰泥,彷彿窑匠踹泥一样。
Iza no nitory izany hatramin'ny voalohany, mba ho fantatray? Ary hatry ny fony taloha, mba hataonay hoe: Marina? Tsy nisy nanambara, eny, tsy nisy nitory; Ary tsy nisy nandre ny teninareo.
谁从起初指明这事,使我们知道呢?谁从先前说明,使我们说他不错呢?谁也没有指明,谁也没有说明。谁也没有听见你们的话。
Izaho no voalohany Izay milaza amin'i Ziona hoe: Indreo, indreo izy, sady manome mpitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema.
我首先对锡安说:看哪,我要将一位报好信息的赐给耶路撒冷。
Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy olona, eny, nojereko ireny kanjo tsy nisy mpanolo-tsaina hamaly Ahy, raha manontany azy Aho.
我看的时候并没有人;我问的时候,他们中间也没有谋士可以回答一句。
Indro, zava-poana avokoa izy rehetra; Tsinontsinona ny asany; Rivotra sy zava-poana ny sampiny anidina.
看哪,他们和他们的工作都是虚空,且是虚无。他们所铸的偶像都是风,都是虚的。