Isaiah 34

Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.
列国啊,要近前来听!众民哪,要侧耳而听!地和其上所充满的,世界和其中一切所出的都应当听!
Fa Jehovah dia tezitra amin'ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin'ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina.
因为耶和华向万国发忿恨,向他们的全军发烈怒,将他们灭尽,交出他们受杀戮。
Ary izay voavono amin'ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon'ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon'ny ràny.
被杀的必然抛弃,尸首臭气上腾;诸山被他们的血融化。
Izay rehetra eny amin'ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon'ny ravina mihintsana avy amin'ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin'ny aviavy.
天上的万象都要消没;天被捲起,好像书卷。其上的万象要残败,像葡萄树的叶子残败,又像无花果树的叶子残败一样。
Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin'ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin'i Edoma iny sy amin'ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy.
因为我的刀在天上已经喝足;这刀必临到以东和我所咒诅的民,要施行审判。
Ny sabatr'i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin'ny matavy sy amin'ny ran'ny zanak'ondry sy ny osilahy ary amin'ny fonomboan'ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin'ny tany Edoma.
耶和华的刀满了血,用脂油和羊羔、公山羊的血,并公绵羊腰子的脂油滋润的;因为耶和华在波斯拉有献祭的事,在以东地大行杀戮。
Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin'ny vantotr'omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.
野牛、牛犊,和公牛要一同下来。他们的地喝醉了血;他们的尘土因脂油肥润。
Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an'i Ziona.
因耶和华有报仇之日,为锡安的争辩有报应之年。
Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra.
以东的河水要变为石油,尘埃要变为硫磺;地土成为烧著的石油,
Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.
昼夜总不熄灭,烟气永远上腾,必世世代代成为荒废,永永远远无人经过。
Fa ho zara-tanin'ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana.
鹈鹕、箭猪却要得为业;猫头鹰、乌鸦要住在其间。耶和华必将空虚的准绳,混沌的线铊,拉在其上。
Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy.
以东人要召贵冑来治国;那里却无一个,首领也都归于无有。
Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin'ny lapan'ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin'ny trano fiarovany; Ary ho fonenan'ny amboadia sy fitoeran'ny ostritsa izy.
以东的宫殿要长荆棘;保障要长蒺藜和刺草;要作野狗的住处,鸵鸟的居所。
Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin'ny kary; ary ny osilahy hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin'ny alina hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy.
旷野的走兽要和豺狼相遇;野山羊要与伴偶对叫。夜间的怪物必在那里栖身,自找安歇之处。
Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin'ny alokaloka any; Any koa no hiangonan'ny papango, samy eo amin'ny namany avy.
箭蛇要在那里做窝,下蛋,菢蛋,生子,聚子在其影下;鹞鹰各与伴偶聚集在那里。
Izahao ao amin'ny bokin'i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan'i Jehovah no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy.
你们要查考宣读耶和华的书。这都无一缺少,无一没有伴偶;因为我的口已经吩咐,他的灵将他们聚集。
Ary Izy no efa tinendry anjara ho an'ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an'ireo tamin'ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin'ny taranaka fara-mandimby.
他也为他们拈阄,又亲手用准绳给他们分地;他们必永得为业,世世代代住在其间。