Isaiah 27

Amin'izany andro izany ny sabatr'i Jehovah, izay mafy sady lehibe no mahery, no ho entiny mamaly ny leviatana, dia ilay menarana mandositra, sy ny leviatana, dia ilay menarana miforoporotra, Ary hovonoiny ilay dragona ao an-dranomasina.
到那日,耶和华必用他刚硬有力的大刀刑罚鳄鱼─就是那快行的蛇,刑罚鳄鱼─就是那曲行的蛇,并杀海中的大鱼。
Amin'izany andro izany no hihiranareo ny amin'ny tanim-boaloboka ahazoana divay mahery hoe:
当那日,有出酒的葡萄园,你们要指这园唱歌说:
Izaho Jehovah no mpiaro io; Isaky ny indray mipi-maso no andemako azy, Fandrao misy manimba azy; Na andro na alina dia miaro azy aho.
我─耶和华是看守葡萄园的;我必时刻浇灌,昼夜看守,免得有人损害。
Tsy misy fahatezerana ato amiko; Enga anie ka hisy hery sy tsilo eto anatrehako hiadiako. Dia hiroatako ireo ka hodorako avokoa!
我心中不存忿怒。惟愿荆棘蒺藜与我交战,我就勇往直前,把它一同焚烧。
Fa raha tsy izany, dia aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy.
不然,让它持住我的能力,使它与我和好,愿它与我和好。
Amin'ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; Ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin'ny fahavokarany.
将来雅各要扎根,以色列要发芽开花;他们的果实必充满世界。
Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no moa namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa?
主击打他们,岂像击打那些击打他们的人吗?他们被杀戮,岂像被他们所杀戮的吗?
Tamin'ny nandroahany azy dia voafetra no niadiany taminy; Nokororohiny tamin'ny rivony mahery izy tamin'ny andron'ny rivotra avy any atsinanana.
你打发他们去,是相机宜与他们相争;刮东风的日子,就用暴风将他们逐去。
Ka izao no hamelana ny helok'i Jakoba, Ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin'ny anaovany ny vato rehetra amin'ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an'ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.
所以,雅各的罪孽得赦免,他的罪过得除掉的果效,全在乎此:就是他叫祭坛的石头变为打碎的灰石,以致木偶和日像不再立起。
Fa ho foana ny tanàna mimanda, ka dia ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny efitra: Ao no hihinanan'ny zanak'omby, ary ao no handriany sy handaniany ny rantsan-kazony.
因为坚固城变为凄凉,成了撇下离弃的居所,像旷野一样;牛犊必在那里吃草,在那里躺卧,并吃尽其中的树枝。
Raha malazo ny rantsany, dia hotapatapahina, ka ho avy ny vehivavy hitaina azy, satria firenena tsy manam-pahalalana izy, dia tsy hiantra azy ny Mpanao azy, ary tsy hamindra fo aminy ny Mpamorona azy.
枝条枯干,必被折断;妇女要来点火烧著。因为这百姓蒙昧无知,所以,创造他们的必不怜恤他们;造成他们的也不施恩与他们。
Ary amin'izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon'i Jehovah hatramin'ny ony mandriaka ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta; Ary ianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak'Isiraely.
以色列人哪,到那日,耶和华必从大河,直到埃及小河,将你们一一地收集,如同人打树拾果一样。
Ary amin'izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin'ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin'ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah ao amin'ny tendrombohitra masina any Jerosalema.
当那日,必大发角声,在亚述地将要灭亡的,并在埃及地被赶散的,都要来,他们就在耶路撒冷圣山上敬拜耶和华。