Isaiah 24

Indro, Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy ary mampihohoka azy ka manely izay mponina ao aminy.
看哪,耶和华使地空虚,变为荒凉;又翻转大地,将居民分散。
Koa ho sahala ihany ny hanjo ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompolahy sy ny mpanompolahiny, ny tompovavy sy ny mpanompovaviny, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpampisambotra sy ny mpisambotra, ny mpampanàna vola sy ny mpanana vola.
那时百姓怎样,祭司也怎样;仆人怎样,主人也怎样;婢女怎样,主母也怎样;买物的怎样,卖物的也怎样;放债的怎样,借债的也怎样;取利的怎样,出利的也怎样。
Hatao foana dia foana ny tany, ary hobaboina dia hobaboina tokoa izy, fa Jehovah no efa niteny.
地必全然空虚,尽都荒凉;因为这话是耶和华说的。
Misaona sy malazo ny tany; Milofika sy malazo izao tontolo izao; Milofika ny lehibe indrindra amin'ny olona etỳ an-tany.
地上悲哀衰残,世界败落衰残;地上居高位的人也败落了。
Ary ny tany dia efa voavetavetan'ny mponina ao aminy, satria nandika ny lalàna sy nanota ny didy izy ary nivadika ny fanekena mandrakizay.
地被其上的居民污秽;因为他们犯了律法,废了律例,背了永约。
Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany, ary ny mponina ao dia valiana noho ny helony, sady voadotra ny mponina amin'ny tany ka dia olona vitsy foana no sisa ao.
所以,地被咒诅吞灭;住在其上的显为有罪。地上的居民被火焚烧,剩下的人稀少。
Misaona ny ranom-boaloboka, milofika ny taro-boaloboka, misento avokoa ilay nifaly am-po;
新酒悲哀,葡萄树衰残;心中欢乐的俱都叹息。
Mitsahatra ny firavoravoana amin'ny ampongatapaka, tapitra ny fitabataban'ny niravoravo; Mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga;
击鼓之乐止息;宴乐人的声音完毕,弹琴之乐也止息了。
Tsy mihira eo am-pisotroan-divay intsony izy, mangidy amin'izay misotro azy ny toaka;
人必不得饮酒唱歌;喝浓酒的,必以为苦。
Rava ny tanana be fikorontanana, mirindrina ny trano rehetra ka tsy azo idiran'olona;
荒凉的城拆毁了;各家关门闭户,使人都不得进去。
Misy fitarainana divay eny an-tsaha, tafalentika toy ny masoandro ny fifaliana rehetra; Voaroaka ny faharavoravoan'ny tany.
在街上因酒有悲叹的声音;一切喜乐变为昏暗;地上的欢乐归于无有。
Fahafoanana ihany no sisa ao an-tanàna, satria rava sady montsamontsana ny vavahady,
城中只有荒凉;城门拆毁净尽。
Fa ao amin'ny tany, ao amin'ny olona, dia hisy toy ny amin'ny fikapohana hazo oliva sy ny fitsimpontsimponam-boaloboka, rehefa tapitra ny andro fiotazana azy.
在地上的万民中,必像打过的橄榄树,又像已摘的葡萄所剩无几。
Ireo dia hanandratra ny feony ka hihoby; Noho ny fahalehibiazan'i Jehovah dia hiantso mafy eny amin'ny ranomasina izy hoe:
这些人要高声欢呼;他们为耶和华的威严,从海那里扬起声来。
Mankalazà an'i Jehovah any amin'ny tany atsinanana, dia ny anaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any amin'ny amoron- dranomasina.
因此,你们要在东方荣耀耶和华;在众海岛荣耀耶和华─以色列 神的名。
Hatrany am-paran'ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an'ny marina. Fa hoy izaho: Indrisy izato halevonako! Indrisy ity halevonako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka fatratra.
我们听见从地极有人歌唱,说:荣耀归于义人。我却说:我消灭了!我消灭了,我有祸了!诡诈的行诡诈;诡诈的大行诡诈。
Tahotra sy longoa ary fandrika no mahazo anao, ry mponina amin'ny tany.
地上的居民哪,恐惧、陷坑、网罗都临近你。
Ary izay mandositra noho ny fandrenesana ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy ao anatin'ny lavaka dia ho voan'ny fandrika; Fa misy varavarana mivoha any amin'ny avo, ary mihorohoro ny fanorenan'ny tany.
躲避恐惧声音的必坠入陷坑;从陷坑上来的必被网罗缠住;因为天上的窗户都开了,地的根基也震动了。
Rava dia rava ny tany; Mitresaka dia mitresaka ny tany; Mihorohoro dia mihorohoro ny tany;
地全然破坏,尽都崩裂,大大地震动了。
Mivembena dia mivenbena tahaka ny mamo ny tany ka mitsingevaheva toy ny fandriana mihantona; ary mitambesatra aminy ny fahadisoany, dia potraka izy ka tsy ho tafarina intsony.
地要东倒西歪,好像醉酒的人;又摇来摇去,好像吊床。罪过在其上沉重,必然塌陷,不能复起。
Ary amin'izany andro izany dia any an-danitra no hamalian'i Jehovah ny antokon'ny lanitra, ary etỳ an-tany kosa ny mpanjakan'ny tany.
到那日,耶和华在高处必惩罚高处的众军,在地上必惩罚地上的列王。
Dia hangonina ao an-davaka tahaka ny mpifatotra ireny ka hohidiana ao an-trano-maizina, ary rehefa afaka andro maro, dia hovangiana ihany izy.
他们必被聚集,像囚犯被聚在牢狱中,并要囚在监牢里,多日之后便被讨罪(或译:眷顾)。
Dia hivoara-mena ny volana, ary hivaloarika ny masoandro, fa Jehovah, Tompon'ny maro, no Mpanjaka ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, ary eo anatrehan'ny loholony dia misy voninahitra.
那时,月亮要蒙羞,日头要惭愧;因为万军之耶和华必在锡安山,在耶路撒冷作王;在敬畏他的长老面前,必有荣耀。