Isaiah 23

Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin'ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.
论推罗的默示:他施的船只都要哀号;因为推罗变为荒场,甚至没有房屋,没有可进之路。这消息是从基提地得来的。
Mangina, ianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, Izay mandeha eny ambonin'ny ranomasina, no efa nampanan-karena anao.
沿海的居民,就是素来靠航海西顿的商家得丰盛的,你们当静默无言。
Teny amin'ny rano be ny varin'i Sihora, dia ny vokatr'i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan'ny firenena izy.
在大水之上,西曷的粮食、尼罗河的庄稼是推罗的进项;她作列国的大码头。
Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina.
西顿哪,你当惭愧;因为大海说,就是海中的保障说:我没有劬劳,也没有生产,没有养育男子,也没有抚养童女。
Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an'i Tyro.
这风声传到埃及;埃及人为推罗的风声极其疼痛。
Mità ho any Tarsisy ianareo; Midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka.
推罗人哪,你们当过到他施去;沿海的居民哪,你们都当哀号。
Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady nentin'ny tongony hivahiny any lavitra any?
这是你们欢乐的城,从上古而有的吗?其中的居民往远方寄居。
Iza no nikasa izany hamelezana an'i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin'ny tany ny mpivarony.
推罗本是赐冠冕的。她的商家是王子;她的买卖人是世上的尊贵人。遭遇如此是谁定的呢?
Jehovah, Tompon'ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan'ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin'ny tany.
是万军之耶和华所定的!为要污辱一切高傲的荣耀,使地上一切的尊贵人被藐视。
Ry Tarsisy zanakavavy, aoka ianao hanafotra ny taninao tahaka an'i Neily; Fa tsy misy fifehezana intsony.
他施的民(原文是女)哪,可以流行你的地,好像尼罗河;不再有腰带拘紧你。
Ny tànan'i Jehovah nahifiny tambonin'ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin'i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy.
耶和华已经向海伸手,震动列国。至于迦南,他已经吩咐拆毁其中的保障。
Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao.
他又说:受欺压西顿的居民(原文是处女)哪,你必不得再欢乐。起来!过到基提去;就是在那里也不得安歇。
Indro ny tanin'ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon'ny Asyriana fonenan'ny bibi-dia any an-efitra; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan'ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato.
(看哪,迦勒底人之地向来没有这民,这国是亚述人为住旷野的人所立的。现在他们建筑戍楼,拆毁推罗的宫殿,使他成为荒凉。)
Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy.
他施的船只都要哀号,因为你们的保障变为荒场。
Ary amin'izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron'ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan'ilay tonon-kalon'ny janga manao hoe:
到那时,推罗必被忘记七十年,照著一王的年日。七十年后,推罗的景况必像妓女所唱的歌:
"Makà lokanga, ka miveziveze eran'ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao."
你这被忘记的妓女啊,拿琴周流城内,巧弹多唱,使人再想念你。
Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an'i Tyro, ka dia hiverina amin'ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin'ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.
七十年后,耶和华必眷顾推罗,她就仍得利息(原文是雇价;下同),与地上的万国交易(原文是行淫)。
Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an'izay mitoetra eo anatrehan'i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika.
她的货财和利息要归耶和华为圣,必不积攒存留;因为她的货财必为住在耶和华面前的人所得,使他们吃饱,穿耐久的衣服。