Isaiah 18

Indrisy ny tany be fibiziziokan'elatra! Izay any an-dafin'ny onin'i Etiopia,
唉!古实河外翅膀刷刷响声之地,
Izay mampandeha iraka eny ambonin'ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin'ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin'ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, any amin'ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany, dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, izay vakin'ny ony maro ny taniny.
差遣使者在水面上,坐蒲草船过海。先知说:你们快行的使者,要到高大光滑的民那里去。自从开国以来,那民极其可畏,是分地界践踏人的;他们的地有江河分开。
Ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin'ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.
世上一切的居民和地上所住的人哪,山上竖立大旗的时候你们要看;吹角的时候你们要听。
Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko hangina Aho aloha ka hijery eto amin'ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misy zavona amin'ny hainandro fararano.
耶和华对我这样说:我要安静,在我的居所观看,如同日光中的清热,又如露水的云雾在收割的热天。
Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin'ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.
收割之先,花开已谢,花也成了将熟的葡萄;他必用镰刀削去嫩枝,又砍掉蔓延的枝条,
Dia hafoy avokoa izy ho an'ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an'ny biby eny ambonin'ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin'ny tany handany ririnina any.
都要撇给山间的鸷鸟和地上的野兽。夏天,鸷鸟要宿在其上;冬天,野兽都卧在其中。
Amin'izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin'ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin'ny ony maro ny taniny ho ao amin'ny fitoeran'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona.
到那时,这高大光滑的民,就是从开国以来极其可畏、分地界践踏人的,他们的地有江河分开;他们必将礼物奉给万军之耶和华,就是奉到锡安山─耶和华安置他名的地方。