Isaiah 14

Fa Jehovah hamindra fo amin'i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin'ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak'i Jakoba ho namany
耶和华要怜恤雅各,必再拣选以色列,将他们安置在本地。寄居的必与他们联合,紧贴雅各家。
Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak'Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin'ny tanin'i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy.
外邦人必将他们带回本土;以色列家必在耶和华的地上得外邦人为仆婢,也要掳掠先前掳掠他们的,辖制先前欺压他们的。
Ary amin'ny andro hanomezan'i Jehovah fitsaharana anao ho afaka amin'ny fahorianao sy ny fitebitebin'ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao,
当耶和华使你脱离愁苦、烦恼,并人勉强你做的苦工,得享安息的日子,
dia hataonao izao oha-teny ny amin'ny mpanjakan'i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny. tsy ao intsony ilay tanàna volamena!
你必题这诗歌论巴比伦王说:欺压人的何竟息灭?强暴的何竟止息?
Jehovah efa nanapatapaka ny tehin'ny ratsy fanahy. Dia ny tehina fanapahan'ny mpanapaka,
耶和华折断了恶人的杖,辖制人的圭,
Izay namely firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny fanenjehana tsy misy antra.
就是在忿怒中连连攻击众民的,在怒气中辖制列国,行逼迫无人阻止的。
Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; Velominy ao ny hoby,
现在全地得安息,享平静;人皆发声欢呼。
Eny, ny hazo kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay dia tsy nisy mpikapa niakatra tatỳ aminay.
松树和黎巴嫩的香柏树都因你欢乐,说:自从你仆倒,再无人上来砍伐我们。
Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin'ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin'ny tany; Aingainy hiala amin'ny seza fiandrianana ny mpanjakan'ny firenena rehetra.
你下到阴间,阴间就因你震动来迎接你,又因你惊动在世曾为首领的阴魂,并使那曾为列国君王的,都离位站起。
Izy rehetra samy hiteny aminao hoe: Hay! ianao koa mba efa osa tahaka anay! Efa tonga tahaka anay ianao!
他们都要发言对你说:你也变为软弱像我们一样吗?你也成了我们的样子吗?
Efa navarina ho etỳ amin'ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao mbamin'ny feon'ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.
你的威势和你琴瑟的声音都下到阴间。你下铺的是虫,上盖的是蛆。
Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
明亮之星,早晨之子啊,你何竟从天坠落?你这攻败列国的何竟被砍倒在地上?
Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
你心里曾说:我要升到天上;我要高举我的宝座在 神众星以上;我要坐在聚会的山上,在北方的极处。
Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;
我要升到高云之上;我要与至上者同等。
Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka ianao.
然而,你必坠落阴间,到坑中极深之处。
Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana
凡看见你的都要定睛看你,留意看你,说:使大地战抖,使列国震动,
Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?
使世界如同荒野,使城邑倾覆,不释放被掳的人归家,是这个人吗?
Ny mpanjaka rehetra amin'ny firenena samy mandry amin'ny voninahitra avokoa, ary samy ao am-pasany avy;
列国的君王俱各在自己阴宅的荣耀中安睡。
Fa ianao kosa dia nariana niala lavitra ny fasanao, tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana, sady voatsindrin'ny fatin'ny voavono ianao, dia ireo voatrabaky ny sabatra, ka midina ho ao amin'ny vato ao an-davaka, tahaka ny faty hitsakitsahin'ny tongotra.
惟独你被抛弃,不得入你的坟墓,好像可憎的枝子,以被杀的人为衣,就是被刀刺透,坠落坑中石头那里的;你又像被践踏的尸首一样。
Tsy halevina tahaka ireny ianao, satria efa nanimba ny taninao sady efa namono ny olonao; tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny mpanao ratsy!
你不得与君王同葬;因为你败坏你的国,杀戮你的民。恶人后裔的名,必永不提说。
Manamboara famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany; tsy hitsangana hanana ny tany izy, Na hanorina tanana eran'izao tontolo izao.
先人既有罪孽,就要预备杀戮他的子孙,免得他们兴起来,得了遍地,在世上修满城邑。
Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary hofoanako ny anaran'i Babylona sy izay sisa ao mbamin'ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah.
万军之耶和华说:我必兴起攻击他们,将巴比伦的名号和所余剩的人,连子带孙一并剪除。这是耶和华说的。
Ary hataoko fonenan'ny sokina sy fihandronan'ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
我必使巴比伦为箭猪所得,又变为水池;我要用灭亡的扫帚扫净它。这是万军之耶和华说的。
Jehovah, Tompon'ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy,
万军之耶和华起誓说:我怎样思想,必照样成就;我怎样定意,必照样成立,
Dia ny hanorotoro ny Asyriana ao amin'ny taniko, ary ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro; ny zioga fitondrany dia hiala amin'ireo, ary ny entany ho afaka amin'ny sorony
就是在我地上打折亚述人,在我山上将他践踏。他加的轭必离开以色列人;他加的重担必离开他们的肩头。
Izany no fikasana ny amin'ny tany rehetra, ary izany no tanana ahinjitra amin'ny firenena rehetra.
这是向全地所定的旨意;这是向万国所伸出的手。
Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany?
万军之耶和华既然定意,谁能废弃呢?他的手已经伸出,谁能转回呢?
Tamin'ny taona nahafatesan'i Ahaza mpanjaka no nisy izao faminaniana ny loza hanjo izao:
亚哈斯王崩的那年,就有以下的默示:
Aza mifaly, ry Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo namely anao; fa avy ao an-kibon'ny bibilava no hihavian'ny menarana, ary ny aterany ho tonga menaran'afo manidina.
非利士全地啊,不要因击打你的杖折断就喜乐。因为从蛇的根必生出毒蛇;牠所生的是火焰的飞龙。
Ny faraidina indrindra hihinana, ary ny mahantra handry fahizay; Fa hataoko maty mosary kosa izay tsy ringana aminao, eny, izay sisa aminao ho matiny.
贫寒人的长子必有所食;穷乏人必安然躺卧。我必以饥荒治死你的根;你所余剩的人必被杀戮。
Midradradradrà, ry vavahady, ary mitaraina, ry tanàna; Aoka ho ketraka avokoa ianao, ry Filistia! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra, ary tsy misy miala amin'ny laharany akory ny miaramilany.
门哪,应当哀号!城啊,应当呼喊!非利士全地啊,你都消化了!因为有烟从北方出来,他行伍中并无乱队的。
Ary inona moa no valiny ho entin'ny iraky ny jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an'i Ziona, ary ao no hialofan'izay olony ory.
可怎样回答外邦(或指非利士)的使者呢?必说:耶和华建立了锡安;他百姓中的困苦人必投奔在其中。