Hosea 4

Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo Zanak'Isiraely! Fa Jehovah manana ady amin'ny mponina amin'ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an'Andriamanitra eo amin'ny tany,
以色列人哪,你们当听耶和华的话。耶和华与这地的居民争辩,因这地上无诚实,无良善,无人认识 神。
Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy ka mifanontona ny fandatsahan-drà.
但起假誓,不践前言,杀害,偷盗,奸淫,行强暴,杀人流血,接连不断。
Ary noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia ny bibi-dia sy ny voro-manidina; Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.
因此,这地悲哀,其上的民、田野的兽、空中的鸟必都衰微,海中的鱼也必消灭。
Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin'ny mpisorona.
然而,人都不必争辩,也不必指责,因为这民与抗拒祭司的人一样。
Ka dia ho tafintohina antoandro ianao, ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin'ny alina, ary hovonoiko ny reninao.
你这祭司必日间跌倒;先知也必夜间与你一同跌倒;我必灭绝你的母亲。
Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.
我的民因无知识而灭亡。你弃掉知识,我也必弃掉你,使你不再给我作祭司。你既忘了你 神的律法,我也必忘记你的儿女。
Araka ny nitomboany no nanotany tamiko, ka dia hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.
祭司越发增多,就越发得罪我;我必使他们的荣耀变为羞辱。
Ny fanatitra noho ny ota izay aterin'ny oloko dia haniny ka satriny ihany ny ho diso ireny.
他们吃我民的赎罪祭,满心愿意我民犯罪。
Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny lalany, ary ny ataony dia hatsingeriko aminy.
将来民如何,祭司也必如何;我必因他们所行的惩罚他们,照他们所做的报应他们。
Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.
他们吃,却不得饱;行淫,而不得立后;因为他们离弃耶和华,不遵他的命。
Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.
奸淫和酒,并新酒,夺去人的心。
Ny oloko dia mila saina amin'ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an'Andriamaniny.
我的民求问木偶,以为木杖能指示他们;因为他们的淫心使他们失迷,他们就行淫离弃 神,不守约束,
Eny an-tampon'ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin'ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin'ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan'ny zanakavavinareo sy ijangajangan'ny vinantovavinareo.
在各山顶,各高冈的橡树、杨树、栗树之下,献祭烧香,因为树影美好。所以,你们的女儿淫乱,你们的新妇(或译:儿妇;下同)行淫。
Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo aza dia miavaka hankamin'ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin'ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.
你们的女儿淫乱,你们的新妇行淫,我却不惩罚她们;因为你们自己离群与娼妓同居,与妓女一同献祭。这无知的民必致倾倒。
Na dia mijangajanga aza ianao, ry Isiraely. Aoka ny Joda tsy mba hanota; Ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena ianareo; Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!
以色列啊,你虽然行淫,犹大却不可犯罪。不要往吉甲去,不要上到伯‧亚文,也不要指著永生的耶和华起誓。
Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr'ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan'i Jehovah toy ny zanak'ondry eny amin'ny malalaka izy.
以色列倔强,犹如倔强的母牛;现在耶和华要放他们,如同放羊羔在宽阔之地。
Tafaraikitra amin'ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.
以法莲亲近偶像,任凭他吧!
Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy.
他们所喝的已经发酸,他们时常行淫,他们的官长最爱羞耻的事。
Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.
风把他们裹在翅膀里;他们因所献的祭必致蒙羞。