Hosea 11

Fony mbola zaza Isiraely, dia tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako.
以色列年幼的时候,我爱他,就从埃及召出我的儿子来。
Nony nisy niantso azy, dia vao mainka nandositra ireny izy; Ho an'ireo Bala kosa no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary ho an'ny sarin-javatra voasokitra no andoroany ditin-kazo manitra.
先知越发招呼他们,他们越发走开,向诸巴力献祭,给雕刻的偶像烧香。
Fa Izaho no nampianatra an'i Efraima handeha. Eny, notrotroiko tamin'ny sandriko aza izy. Nefa tsy fantany fa Izaho no nahasitrana azy.
我原教导以法莲行走,用膀臂抱著他们,他们却不知道是我医治他们。
Tamin'ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin'ny mahazakan'ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava eo ambonin'ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.
我用慈绳(慈:原文是人的)爱索牵引他们;我待他们如人放松牛的两腮夹板,把粮食放在他们面前。
Tsy hiverina ho any amin'ny tany Egypta izy, fa Asyria no ho mpanjakany, satria tsy nety nibebaka izy.
他们必不归回埃及地,亚述人却要作他们的王,因他们不肯归向我。
Ary noho ny fisainany dia hisy sabatra hantsodina ao an-tanànany ka handrava sy handevona ny hidiny.
刀剑必临到他们的城邑,毁坏门闩,把人吞灭,都因他们随从自己的计谋。
Minia miodina amiko ny oloko; Ary na dia antsoiny ho amin'ny Avo aza izy, samy tsy mety miainga akory.
我的民偏要背道离开我;众先知虽然招呼他们归向至上的主,却无人尊崇主。
Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, na ho fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e no fanao anao ho tahaka an'i Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka an'i Zeboima! Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko.
以法莲哪,我怎能舍弃你?以色列啊,我怎能弃绝你?我怎能使你如押玛?怎能使你如洗扁?我回心转意,我的怜爱大大发动。
Tsy hanontolo fo Aho, na handringana an'i Efraima intsony; Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olona, dia ny Iray Masina ao aminao, ka dia tsy ho avy amim-pahatezerana mirehitra Aho.
我必不发猛烈的怒气,也不再毁灭以法莲。因我是 神,并非世人,是你们中间的圣者;我必不在怒中临到你们。
Harahin'ireny Jehovah, hierona toy ny liona Izy; Eny, Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka.
耶和华必如狮子吼叫,子民必跟随他。他一吼叫,他们就从西方急速而来。
Hanatona amin-kovitra avy any Egypta toy ny voronkely izy, ary avy any amin'ny tany Asyria toy ny voromailala; Ka dia hampitoeriko ao an-tranony izy, hoy Jehovah.
他们必如雀鸟从埃及急速而来,又如鸽子从亚述地来到。我必使他们住自己的房屋。这是耶和华说的。
以法莲用谎话,以色列家用诡计围绕我;犹大却靠 神掌权,向圣者有忠心(或译:犹大向 神,向诚实的圣者犹疑不定)。