Hosea 1

Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Hosea, zanak'i Bery, tamin'ny andro nanjakan'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely.
当乌西雅、约坦、亚哈斯、希西家作犹大王,约阿施的儿子耶罗波安作以色列王的时候,耶和华的话临到备利的儿子何西阿。
Tamin'ny niandohan'ny nitenenan'i Jehovah tamin'i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin'i Jehovah ny tany.
耶和华初次与何西阿说话,对他说:「你去娶淫妇为妻,也收那从淫乱所生的儿女;因为这地大行淫乱,离弃耶和华。」
Dia lasa izy naka an'i Gomera, zanakavavin'i Diblaima; ary dia nanan'anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.
于是,何西阿去娶了滴拉音的女儿歌篾。这妇人怀孕,给他生了一个儿子。
Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak'i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan'ny taranak'Isiraely.
耶和华对何西阿说:「给他起名叫耶斯列;因为再过片时,我必讨耶户家在耶斯列杀人流血的罪,也必使以色列家的国灭绝。
Ary amin'izany andro izany dia hotapahiko ao amin'ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan'Isiraely.
到那日,我必在耶斯列平原折断以色列的弓。」
Ary nanan'anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama no anarany; fa tsy hamindra fo amin'ny taranak'Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony.
歌篾又怀孕生了一个女儿,耶和华对何西阿说:「给她起名叫罗路哈玛(就是不蒙怜悯的意思);因为我必不再怜悯以色列家,决不赦免他们。
Fa ny taranak'i Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin'ny tsipìka, na amin'ny sabatra, na amin'ny ady, na amin'ny soavaly, na amin'ny mpitaingin-tsoavaly.
我却要怜悯犹大家,使他们靠耶和华─他们的 神得救,不使他们靠弓、刀、争战、马匹,与马兵得救。」
Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia nanan'anaka indray reniny ka nitera-dahy.
歌篾给罗路哈玛断奶以后,又怀孕生了一个儿子。
Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.
耶和华说:「给他起名叫罗阿米(就是非我民的意思);因为你们不作我的子民,我也不作你们的 神。」
然而,以色列的人数必如海沙,不可量,不可数。从前在什么地方对他们说「你们不是我的子民」,将来在那里必对他们说「你们是永生 神的儿子。」
犹大人和以色列人必一同聚集,为自己立一个首领,从这地上去(或译:从被掳之地上来),因为耶斯列的日子必为大日。