Hebrews 5

Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin'ny olona ka tendrena ho solon'ny olona hanao ny raharahan'Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota,
凡从人间挑选的大祭司,是奉派替人办理属 神的事,为要献上礼物和赎罪祭(或作:要为罪献上礼物和祭物)。
dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin'ny fahalemena ihany;
他能体谅那愚蒙的和失迷的人,因为他自己也是被软弱所困。
ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an'ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an'ny olona ihany.
故此,他理当为百姓和自己献祭赎罪。
Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra, tahaka an'i Arona.
这大祭司的尊荣,没有人自取。惟要蒙 神所召,像亚伦一样。
Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany" (Sal.2.7);
如此,基督也不是自取荣耀作大祭司,乃是在乎向他说你是我的儿子,我今日生你的那一位;
ary toy ny lazainy eo amin'ny teny hafa koa hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4).
就如经上又有一处说:你是照著麦基洗德的等次永远为祭司。
Tamin'ny andron'ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin'izay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an'Andriamanitra,
基督在肉体的时候,既大声哀哭,流泪祷告,恳求那能救他免死的主,就因他的虔诚蒙了应允。
dia nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;
他虽然为儿子,还是因所受的苦难学了顺从。
ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy,
他既得以完全,就为凡顺从他的人成了永远得救的根源、
fa notononin'Andriamanitra hoe Mpisoronabe "araka ny fanaon'i Melkizedeka."
并蒙 神照著麦基洗德的等次称他为大祭司。
Ny amin'izany dia manana teny maro izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo.
论到麦基洗德,我们有好些话,并且难以解明,因为你们听不进去。
Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan'ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran'ny tenin'Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina.
看你们学习的工夫,本该作师傅,谁知还得有人将 神圣言小学的开端另教导你们,并且成了那必须吃奶,不能吃干粮的人。
Fa izay rehetra mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra amin'ny tenin'ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo.
凡只能吃奶的都不熟练仁义的道理,因为他是婴孩;
Fa ho an'izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.
惟独长大成人的才能吃干粮;他们的心窍习练得通达,就能分辨好歹了。