Hebrews 4

Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany.
我们既蒙留下,有进入他安息的应许,就当畏惧,免得我们(原文是你们)中间或有人似乎是赶不上了。
Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre.
因为有福音传给我们,像传给他们一样;只是所听见的道与他们无益,因为他们没有信心与所听见的道调和。
Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
但我们已经相信的人得以进入那安息,正如 神所说:我在怒中起誓说:他们断不可进入我的安息!其实造物之工,从创世以来已经成全了。
Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito" (Gen. 2.3).
论到第七日,有一处说,到第七日 神就歇了他一切的工。
Ary amin'izao koa: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 11).
又有一处说:他们断不可进入我的安息!
Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,
既有必进安息的人,那先前听见福音的,因为不信从,不得进去。
dia mametra andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i Davida hoe: "Anio", araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo Aza manamafy ny fonareo" (Sal. 95.7, 8)
所以过了多年,就在大卫的书上,又限定一日,如以上所引的说:你们今日若听他的话,就不可硬著心。
Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany.
若是约书亚已叫他们享了安息,后来 神就不再提别的日子了。
Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.
这样看来,必另有一安息日的安息为 神的子民存留。
Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy.
因为那进入安息的,乃是歇了自己的工,正如 神歇了他的工一样。
Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa.
所以,我们务必竭力进入那安息,免得有人学那不信从的样子跌倒了。
Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.
 神的道是活泼的,是有功效的,比一切两刃的剑更快,甚至魂与灵,骨节与骨髓,都能刺入、剖开,连心中的思念和主意都能辨明。
Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason'izay iafaran'ny ataontsika.
并且被造的没有一样在他面前不显然的;原来万物在那与我们有关系的主眼前,都是赤露敞开的。
Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika.
我们既然有一位已经升入高天尊荣的大祭司,就是 神的儿子耶稣,便当持定所承认的道。
Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
因我们的大祭司并非不能体恤我们的软弱。他也曾凡事受过试探,与我们一样,只是他没有犯罪。
Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory.
所以,我们只管坦然无惧的来到施恩的宝座前,为要得怜恤,蒙恩惠,作随时的帮助。