sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony.
Ny zavatra rehetra dia efa nanapanekenao ho eo ambanin'ny tongony" (Sal. 8.4-6). Fa tamin'ny nampanekeny azy ny zavatra rehetra, dia tsy nisy izay tsy nampanekeny azy. Nefa ankehitriny tsy mbola hitantsika fa efa ampanekena azy ny zavatra rehetra.
Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan'Andriamanitra.
Fa miendrika Izay anton'ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon'ny famonjena ireo amin'ny fahoriana.
Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly,
Koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.