Genesis 8

Ary Andriamanitra nahatsiaro an'i Noa mbamin'ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran'ny tany, ka dia nihena ny rano.
 神记念挪亚和挪亚方舟里的一切走兽牲畜。 神叫风吹地,水势渐落。
Ary tampina ny loharanon'ny lalina sy ny varavaran'ny lanitra, ka nitsahatra ilay ranonorana nivatravatra avy tany an-danitra.
渊源和天上的窗户都闭塞了,天上的大雨也止住了。
Ary nihena niandalana niala tamin'ny tany ny rano; ary rehefa afaka dimam-polo amby zato andro, dia efa nihena ny rano.
水从地上渐退。过了一百五十天,水就渐消。
Dia nipetraka teo amin'ny tendrombohitra any Ararata ny sambo-fiara tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana fahafito.
七月十七日,方舟停在亚拉腊山上。
Ary ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin'ny volana fahafolo; tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo dia niseho ny tampon'ny tendrombohitra.
水又渐消,到十月初一日,山顶都现出来了。
Ary rehefa afaka efa-polo andro, dia novohan'i Noa ny varavarankelin'ny sambo-fiara izay efa nataony.
过了四十天,挪亚开了方舟的窗户,
Dia namoaka goaika anankiray izy, ary niverimberina mandra-paharitry ny rano tamin'ny tany iny.
放出一只乌鸦去;那乌鸦飞来飞去,直到地上的水都干了。
Dia namoaka voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano tambonin'ny tany, na tsia.
他又放出一只鸽子去,要看看水从地上退了没有。
Fa tsy hitan'ilay voromailala izay hipetrahan'ny faladiany, dia niverina tamin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin'ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin'ny sambo-fiara.
但遍地上都是水,鸽子找不著落脚之地,就回到方舟挪亚那里,挪亚伸手把鸽子接进方舟来。
Ary mbola niandry hafitoana koa izy; dia namoaka ilay voromailala tamin'ny sambo-fiara indray izy.
他又等了七天,再把鸽子从方舟放出去。
Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin'oliva maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran'i Noa fa efa kely ny rano tambonin'ny tany.
到了晚上,鸽子回到他那里,嘴里叼著一个新拧下来的橄榄叶子,挪亚就知道地上的水退了。
Ary mbola niandry hafitoana indray izy, dia namoaka ilay voromailala; ary tsy niverina teo aminy intsony iny.
他又等了七天,放出鸽子去,鸽子就不再回来了。
Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin'ny tany; ary nanaisotra ny tafon'ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany.
到挪亚六百零一岁,正月初一日,地上的水都干了。挪亚撤去方舟的盖观看,便见地面上干了。
Ary tamin'ny andro fahafito amby roa-polo tamin'ny volana faharoa, dia maina ny tany.
到了二月二十七日,地就都干了。
Ary Andriamanitra dia niteny tamin'i Noa ka nanao hoe:
 神对挪亚说:
Mivoaha amin'ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao ary ny vinantonao vavy miaraka aminao.
「你和你的妻子、儿子、儿妇都可以出方舟。
Ary ny zava-manan'aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin'ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin'ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin'ny tany ireny.
在你那里凡有血肉的活物,就是飞鸟、牲畜,和一切爬在地上的昆虫,都要带出来,叫牠在地上多多滋生,大大兴旺。」
Dia nivoaka Noa mbamin'ny vadiny aman-janany ary ny vinantonivavy niaraka taminy;
于是挪亚和他的妻子、儿子、儿妇都出来了。
Ny zava-manan'aina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin'izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin'ny tany dia samy nivoaka avy tao amin'ny sambo-fiara araka ny karazany.
一切走兽、昆虫、飞鸟,和地上所有的动物,各从其类,也都出了方舟。
Ary Noa dia nanorina alitara ho an'i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin'ny alitara.
挪亚为耶和华筑了一座坛,拿各类洁净的牲畜、飞鸟献在坛上为燔祭。
Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin'ny olona Aho; fa ny fisainan'ny fon'ny olona dia ratsy hatramin'ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko.
耶和华闻那馨香之气,就心里说:「我不再因人的缘故咒诅地(人从小时心里怀著恶念),也不再按著我才行的灭各种的活物了。
Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina,ary ny andro sy ny alina.
地还存留的时候,稼穑、寒暑、冬夏、昼夜就永不停息了。」