Genesis 50

Ary Josefa nihohoka tamin'ny tavan'ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy.
约瑟伏在他父亲的面上哀哭,与他亲嘴。
Ary nasain'i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an'Isiraely ny mpanao fanafody.
约瑟吩咐伺候他的医生用香料薰他父亲,医生就用香料薰了以色列。
Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan'ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro.
薰尸的常例是四十天;那四十天满了,埃及人为他哀哭了七十天。
Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin'ny tao an-tranon'i Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, masìna ianareo, lazao amin'i Farao, ka ataovy hoe:
为他哀哭的日子过了,约瑟对法老家中的人说:「我若在你们眼前蒙恩,请你们报告法老说:
Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin'ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin'ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina atỳ indray.
『我父亲要死的时候叫我起誓说:你要将我葬在迦南地,在我为自己所掘的坟墓里。』现在求你让我上去葬我父亲,以后我必回来。」
Ary hoy Farao: Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao.
法老说:「你可以上去,照著你父亲叫你起的誓,将他葬埋。」
Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon'i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin'ny tany Egypta,
于是约瑟上去葬他父亲。与他一同上去的,有法老的臣仆和法老家中的长老,并埃及国的长老,
ary ny ankohonan'i Josefa rehetra sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman'osiny sy ny ombiny ihany no navelany tao amin'ny tany Gosena.
还有约瑟的全家和他的弟兄们,并他父亲的眷属;只有他们的妇人孩子,和羊群牛群,都留在歌珊地。
Ary nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny.
又有车辆马兵,和他一同上去;那一帮人甚多。
Ary rehefa tonga teo Goren'atada izy, izay ao an-dafin'i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa.
他们到了约旦河外、亚达的禾场,就在那里大大地号咷痛哭。约瑟为他父亲哀哭了七天。
Ary rehefa hitan'ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin'ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin'i Jordana.
迦南的居民见亚达禾场上的哀哭,就说:「这是埃及人一场极大的哀哭。」因此那地方名叫亚伯‧麦西,是在约旦河东。
Ary ny zanakalahin'i Jakoba nanao taminy araka izay nandidiany azy,
雅各的儿子们就遵著他父亲所吩咐的办了,
dia nitondra azy tany amin'ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin'ny zohy amin'ny saha Makpela, tandrifin'i Mamre, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
把他搬到迦南地,葬在幔利前、麦比拉田间的洞里;那洞和田是亚伯拉罕向赫人以弗崙买来为业,作坟地的。
Ary rehefa voalevin'i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin'izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy.
约瑟葬了他父亲以后,就和众弟兄,并一切同他上去葬他父亲的人,都回埃及去了。
Ary rehefa hitan'ny rahalahin'i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy.
约瑟的哥哥们见父亲死了,就说:「或者约瑟怀恨我们,照著我们从前待他一切的恶足足的报复我们。」
Dia naniraka nankany amin'i Josefa izy ka nanao hoe: Ny rainao nanafatra, fony izy tsy mbola maty,
他们就打发人去见约瑟,说:「你父亲未死以先吩咐说:
ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Josefa: Mamela re ny fahadisoan'ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan'ny mpanompon'ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo.
『你们要对约瑟这样说:从前你哥哥们恶待你,求你饶恕他们的过犯和罪恶。』如今求你饶恕你父亲 神之仆人的过犯。」他们对约瑟说这话,约瑟就哭了。
Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia nianko­hoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.
他的哥哥们又来俯伏在他面前,说:「我们是你的仆人。」
Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon'Andriamanitra va aho?
约瑟对他们说:「不要害怕,我岂能代替 神呢?
Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin'izao anio izao, hamelona olona betsaka.
从前你们的意思是要害我,但 神的意思原是好的,要保全许多人的性命,成就今日的光景。
Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.
现在你们不要害怕,我必养活你们和你们的妇人孩子。」于是约瑟用亲爱的话安慰他们。
Ary Josefa sy ny ankohonan'ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan'i Josefa dia folo amby zato taona.
约瑟和他父亲的眷属都住在埃及。约瑟活了一百一十岁。
Ary hitan'i Josefa ny zafiafin'i Efraima; ny zanak'i Makira koa, zanakalahin'i Manase, dia noraisin'i Josefa ho eo am-pofoany.
约瑟得见以法莲第三代的子孙。玛拿西的孙子、玛吉的儿子也养在约瑟的膝上。
Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin'ity tany ity ho any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.
约瑟对他弟兄们说:「我要死了,但 神必定看顾你们,领你们从这地上去,到他起誓所应许给亚伯拉罕、以撒、雅各之地。」
Ary Josefa dia nampianiana ny zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo.
约瑟叫以色列的子孙起誓说:「 神必定看顾你们;你们要把我的骸骨从这里搬上去。」
Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin'ny vata tany Egypta.
约瑟死了,正一百一十岁。人用香料将他薰了,把他收殓在棺材里,停在埃及。