Genesis 45

Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan'izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin'i Josefa, raha nanao izay hahafantaran'ny rahalahiny azy izy.
约瑟在左右站著的人面前情不自禁,吩咐一声说:「人都要离开我出去!」约瑟和弟兄们相认的时候并没有一人站在他面前。
Dia nitomany mafy izy, ka ren'ny Egyptiana, ary ren'ny tao an-tranon'i Farao koa.
他就放声大哭,埃及人和法老家中的人都听见了。
Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo.
约瑟对他弟兄们说:「我是约瑟。我的父亲还在吗?」他弟兄不能回答,因为在他面前都惊惶。
Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta.
约瑟又对他弟兄们说:「请你们近前来。他们就近前来。」他说:「我是你们的兄弟约瑟,就是你们所卖到埃及的。
Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan'Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.
现在,不要因为把我卖到这里自忧自恨。这是 神差我在你们以先来,为要保全生命。
Fa roa taona izao no efa nisian'ny mosary teto amin'ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.
现在这地的饥荒已经二年了,还有五年不能耕种,不能收成。
Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin'ny tany, fa hamelona anareo amin'ny famonjena lehibe.
 神差我在你们以先来,为要给你们存留余种在世上,又要大施拯救,保全你们的生命。
Ary amin'izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atỳ, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain'i Farao, sy ho tompon'ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra.
这样看来,差我到这里来的不是你们,乃是 神。他又使我如法老的父,作他全家的主,并埃及全地的宰相。
Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin'ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin'i Josefa zanakao: Efa nataon'Andriamanitra ho tompon'i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatỳ amiko, fa aza mijanona;
你们要赶紧上到我父亲那里。对他说:『你儿子约瑟这样说: 神使我作全埃及的主,请你下到我这里来,不要耽延。
dia honina eo amin'ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman'osinao sy ny ombinao mbamin'izay rehetra anananao.
你和你的儿子孙子,连牛群羊群,并一切所有的,都可以住在歌珊地,与我相近。
Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao.
我要在那里奉养你;因为还有五年的饥荒,免得你和你的眷属,并一切所有的,都败落了。』
Ary, indro, hitan'ny masonareo sy ny mason'i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo.
况且你们的眼和我兄弟便雅悯的眼都看见是我亲口对你们说话。
Dia hambaranareo amin'ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana ianareo, ka ento midina atỳ ikaky.
你们也要将我在埃及一切的荣耀和你们所看见的事都告诉我父亲,又要赶紧的将我父亲搬到我这里来。」
Dia namihina ny vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin'ny vozony.
于是约瑟伏在他兄弟便雅悯的颈项上哭,便雅悯也在他的颈项上哭。
Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny.
他又与众弟兄亲嘴,抱著他们哭,随后他弟兄们就和他说话。
Ary re tao an-tranon'i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin'i Josefa; dia sitrak'i Farao sy ny mpanompony izany.
这风声传到法老的宫里,说:「约瑟的弟兄们来了。」法老和他的臣仆都很喜欢。
Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Lazao amin'ny rahalahinao: Izao no ataovy: atai­ngeno ny entana ho entin'ny bibinareo, ka mankanesa any amin'ny tany Kanana;
法老对约瑟说:「你吩咐你的弟兄们说:『你们要这样行:把驮子抬在牲口上,起身往迦南地去。
ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atỳ amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin'ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin'ny tany ianareo.
将你们的父亲和你们的眷属都搬到我这里来,我要把埃及地的美物赐给你们,你们也要吃这地肥美的出产。
Ary ankehitriny efa nomena teny ianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin'ny tany Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa atỳ.
现在我吩咐你们要这样行:从埃及地带著车辆去,把你们的孩子和妻子,并你们的父亲都搬来。
Aza malahelo ny amin'ny fanakareo; fa anareo izay tsara eto amin'ny tany Egypta rehetra.
你们眼中不要爱惜你们的家具,因为埃及全地的美物都是你们的。』」
Ary nataon'ny zanak'Isiraely izany, ka dia nomen'i Josefa sariety izy, araka ny tenin'i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dalana izy.
以色列的儿子们就如此行。约瑟照著法老的吩咐给他们车辆和路上用的食物,
Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjami­na kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova.
又给他们各人一套衣服,惟独给便雅悯三百银子,五套衣服;
Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an'ny rainy ho entiny eny an-dalana.
送给他父亲公驴十匹,驮著埃及的美物,母驴十匹,驮著粮食与饼和菜,为他父亲路上用。
Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana ianareo.
于是约瑟打发他弟兄们回去,又对他们说:「你们不要在路上相争。」
Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin'i Jakoba rainy tany amin'ny tany Kanana.
他们从埃及上去,来到迦南地、他们的父亲雅各那里,
Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon'i Jakoba, fa tsy nino azy izy.
告诉他说:「约瑟还在,并且作埃及全地的宰相。」雅各心里冰凉,因为不信他们。
Dia nolazain'izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain'i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain'i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin'i Jakoba rainy
他们便将约瑟对他们说的一切话都告诉了他。他们父亲雅各又看见约瑟打发来接他的车辆,心就甦醒了。
Ary hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.
以色列说:「罢了!罢了!我的儿子约瑟还在,趁我未死以先,我要去见他一面。」