Genesis 40

Ary taorian'izany ny mpitondra kapoakan'ny mpanjakan'i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin'ny mpanjakan'i Egypta tompony.
这事以后,埃及王的酒政和膳长得罪了他们的主─埃及王,
Ary tezitra indrindra tamin'ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo.
法老就恼怒酒政和膳长这二臣,
Dia natao­ny tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon'ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin'ny trano-maizina izay nifatoran'i Josefa.
把他们下在护卫长府内的监里,就是约瑟被囚的地方。
Ary Josefa notendren'ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin'izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin'ny trano-maizina izy roa lahy.
护卫长把他们交给约瑟,约瑟便伺候他们;他们有些日子在监里。
Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon'ny mpanjakan'i Egypta, izay nifatotra tao amin'ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy.
被囚在监之埃及王的酒政和膳长二人同夜各做一梦,各梦都有讲解。
Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.
到了早晨,约瑟进到他们那里,见他们有愁闷的样子。
Dia nanontanian'i Josefa ny tandapan'i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon'ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny?
他便问法老的二臣,就是与他同囚在他主人府里的,说:「他们今日为什么面带愁容呢?」
Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin'Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna ianareo, lazao amiko izany.
他们对他说:「我们各人做了一梦,没有人能解。」约瑟说:「解梦不是出于 神吗?请你们将梦告诉我。」
Dia nambaran'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka tamin'i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;
酒政便将他的梦告诉约瑟说:「我梦见在我面前有一棵葡萄树,
ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka.
树上有三根枝子,好像发了芽,开了花,上头的葡萄都成熟了。
Ary teny an-tanako ny kapoakan'i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin'ny kapoakan'i Farao, dia natolotro teo an-tànan'i Farao ny Kapoaka.
法老的杯在我手中,我就拿葡萄挤在法老的杯里,将杯递在他手中。」
Ary hoy Josefa taminy: Izao no heviny: Ny sampany telo dia hateloana.
约瑟对他说:「他所做的梦是这样解:三根枝子就是三天;
Ato anatin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao ianao ka hampodiny ho ao amin'ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan'i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka ilay fanao fahiny, fony ianao mpitondra kapoakany.
三天之内,法老必提你出监,叫你官复原职,你仍要递杯在法老的手中,和先前作他的酒政一样。
Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin'i Farao aho, ka avoahy amin'ity trano ity;
但你得好处的时候,求你记念我,施恩与我,在法老面前提说我,救我出这监牢。
fa nangalarina mihitsy avy tany amin'ny tanin'ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin'ity lavaka ity aho,.
我实在是从希伯来人之地被拐来的;我在这里也没有做过什么,叫他们把我下在监里。」
Ary rehefa hitan'ny lehiben'ny mpanao mofo fa tsara ny filazana ny hevitry ny nofy, dia hoy izy tamin'i Josefa: Izaho koa nanonofy, ka, indro, niloloha karaba telo feno mofo fotsy aho;
膳长见梦解得好,就对约瑟说:「我在梦中见我头上顶著三筐白饼;
ary teo anatin'ny karaba ambony indrindra dia nisy ny fihinan'i Farao samy hafa karazana rehetra fanaon'ny mpanao mofo; ary nohanin'ny vorona teo anatin'ny karaba izay nololohaviko izany.
极上的筐子里有为法老烤的各样食物,有飞鸟来吃我头上筐子里的食物。」
Dia namaly Josefa ka nanao hoe: Izao kosa no heviny. Ny karaba telo dia hateloana.
约瑟说:「你的梦是这样解:三个筐子就是三天;
Ato anatin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin'ny hazo ianao) dia hohanin'ny vorona ny nofonao.
三天之内,法老必斩断你的头,把你挂在木头上,必有飞鸟来吃你身上的肉。」
Ary tamin'ny andro fahatelo, izay niherenan'ny taona nahaterahan'i Farao, dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lohan'ny lehiben'ny mpanao mofo teo amin'ny mpanompony.
到了第三天,是法老的生日,他为众臣仆设摆筵席,把酒政和膳长提出监来,
Ary ny lehiben'ny mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin'ny fitondrany kapoaka indray, ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo an-tànan'i Farao izy;
使酒政官复原职,他仍旧递杯在法老手中;
fa ny lehiben'ny mpanao mofo kosa dia nahantony, araka izay efa nolazain'i Josefa tamin'izy roa lahy avy.
但把膳长挂起来,正如约瑟向他们所解的话。
Kanjo tsy mba nahatsiaro an'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy.
酒政却不记念约瑟,竟忘了他。