Genesis 26

Ary nisy mosary indray teo amin'ny tany afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon'i Abrahama. Ary Isaka nankany amin'i Abimeleka mpanjakan'ny Filistina, tany Gerara.
在亚伯拉罕的日子,那地有一次饥荒;这时又有饥荒,以撒就往基拉耳去,到非利士人的王亚比米勒那里。
Ary Jehovah niseho taminy ka nanao hoe: Aza midina any Egypta ianao; mitoera eo amin'ny tany izay holazaiko aminao.
耶和华向以撒显现,说:「你不要下埃及去,要住在我所指示你的地。
Miva­hinia eto amin'ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin'i Abrahama rainao;
你寄居在这地,我必与你同在,赐福给你,因为我要将这些地都赐给你和你的后裔。我必坚定我向你父亚伯拉罕所起的誓。
dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany;
我要加增你的后裔,像天上的星那样多,又要将这些地都赐给你的后裔。并且地上万国必因你的后裔得福─
satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.
都因亚伯拉罕听从我的话,遵守我的吩咐和我的命令、律例、法度。」
Ary Isaka dia nitoetra tany Gerara.
以撒就住在基拉耳。
Ary ny lehilahy tompon-tany nanontany ny amin'ny vadiny; ary hoy kosa izy: Anabaviko izy; fa natahotra hilaza hoe: Vadiko izy, fandrao, hoy izy, hamono ahy ny lehilahy tompon-tany noho Rebeka, satria tsara tarehy izy.
那地方的人问到他的妻子,他便说:「那是我的妹子。」原来他怕说:「是我的妻子」;他心里想:「恐怕这地方的人为利百加的缘故杀我,」因为她容貌俊美。
Ary rehefa nitoetra ela teo izy, dia nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina, ka nahita fa, indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka vadiny.
他在那里住了许久。有一天,非利士人的王亚比米勒从窗户里往外观看,见以撒和他的妻子利百加戏玩。
Ary Abimeleka dia niantso an'Isaka ka nanao hoe: Efa hita mihi­tsy fa vadinao izy, ka nahoana no nolazainao hoe: Anabaviko izy? Ary hoy Isaka taminy: Satria hoy izaho anakampo: Fandrao maty aho noho ny aminy.
亚比米勒召了以撒来,对他说:「她实在是你的妻子,你怎么说她是你的妹子?」以撒说:「我心里想,恐怕我因她而死。」
Ary hoy Abimeleka: Inona izao nataonao taminay izao? Saiky nisy nandry tamin'ny vadinao ny olona, dia ho nahatonga heloka taminay ianao.
亚比米勒说:「你向我们做的是什么事呢?民中险些有人和你的妻同寝,把我们陷在罪里」。
Dia nandidy ny vahoakany rehetra Abimeleka ka nanao hoe: Izay manendry io lehilahy io na ny vadiny dia hatao maty tokoa.
于是亚比米勒晓谕众民说:「凡沾著这个人,或是他妻子的,定要把他治死。」
Dia namafy tamin'izany tany izany Isaka ka nahazo zato heny tamin'izay taona izay, satria efa notahin'i Jehovah izy.
以撒在那地耕种,那一年有百倍的收成。耶和华赐福给他,
Ary nanan-karena ralehilahy ka nandroso sy nitombo ambara-pahatongany ho mpanjatobe indrindra;
他就昌大,日增月盛,成了大富户。
fa nanana fananana be izy, dia ondry aman'osy sy omby ary andevo maro; ka dia nialona azy ny Filistina.
他有羊群牛群,又有许多仆人,非利士人就嫉妒他。
Ary ny lavaka fantsakana rehetra, izay efa nohadin'ny mpanompon-drainy fony fahavelon'i Abrahama rainy, dia efa novonoin'ny Filistina sy nototofany tany avokoa.
当他父亲亚伯拉罕在世的日子,他父亲的仆人所挖的井,非利士人全都塞住,填满了土。
Ary hoy Abimeleka tamin'Isaka: Miala atỳ aminay; fa ianao mahery lavitra noho izahay.
亚比米勒对以撒说:「你离开我们去吧。因为你比我们强盛得多。」
Ary lasa niala teo Isaka, dia nanorina ny lainy teo an-dohasahan'i Gerara ka nonina teo.
以撒就离开那里,在基拉耳谷支搭帐棚,住在那里。
Dia noloaran'Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon'i Abrahama rainy, fa efa novonoin'ny Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary dia nasiany anarana ireny araka ny anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany.
当他父亲亚伯拉罕在世之日所挖的水井因非利士人在亚伯拉罕死后塞住了,以撒就重新挖出来,仍照他父亲所叫的叫那些井的名字。
Dia nihady teo amin'ny lohasaha ny mpanompon'Isaka ka nahita loharano velona teo.
以撒的仆人在谷中挖井,便得了一口活水井。
Ary niady tamin'ny mpiandry ombin'Isaka ny mpiandry omby tao Gerara ka nanao hoe: Anay ny rano; ary ny anaran'ny lavaka fantsakana dia nataon'Isaka hoe Eseka, satria nifanditra taminy izy ireo.
基拉耳的牧人与以撒的牧人争竞,说:「这水是我们的。」以撒就给那井起名叫埃色【就是相争的意思】,因为他们和他相争。
Dia nihady lavaka fantsakana hafa koa izy, ka niadiany indray io; ary ny anarany dia nataony hoe Sitna.
以撒的仆人又挖了一口井,他们又为这井争竞,因此以撒给这井起名叫西提拿【就是为敌的意思】。
Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa koa indray; fa io kosa tsy mba niadiany; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Efa nomen'i Jehovah toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eo amin'ny tany.
以撒离开那里,又挖了一口井,他们不为这井争竞了,他就给那井起名叫利河伯【就是宽阔的意思】。他说:「耶和华现在给我们宽阔之地,我们必在这地昌盛。」
Dia niakatra niala teo izy ka nankany Beri-sheba.
以撒从那里上别是巴去。
Ary Jehovah niseho taminy tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin'i Abrahama mpanompoko.
当夜耶和华向他显现,说:「我是你父亲亚伯拉罕的 神,不要惧怕!因为我与你同在,要赐福给你,并要为我仆人亚伯拉罕的缘故,使你的后裔繁多。」
Ary nanorina alitara teo izy, dia niantso ny anaran'i Jehovah sady nanorina ny lainy teo koa; ary nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon'Isaka.
以撒就在那里筑了一座坛,求告耶和华的名,并且支搭帐棚;他的仆人便在那里挖了一口井。
Ary Abimeleka mbamin'i Ahozata sakaizany sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niala tao Gerara hankany amin'Isaka.
亚比米勒,同他的朋友亚户撒和他的军长非各,从基拉耳来见以撒。
Fa hoy Isaka taminy: Nahoana ianareo no mankaty amiko, kanefa nankahala ahy ianareo ka nandroaka ahy niala teo aminareo?
以撒对他们说:「你们既然恨我,打发我走了,为什么到我这里来呢?」
Ary hoy izy ireo: Efa hitanay marimarina fa momba anao Jehovah, ka dia hoy izahay: Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao, ary aoka izahay hanao fanekena aminao,
他们说:「我们明明的看见耶和华与你同在,便说,不如我们两下彼此起誓,彼此立约,
fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Fa ianao ankehitriny efa notahin'i Jehovah.
使你不害我们,正如我们未曾害你,一味的厚待你,并且打发你平平安安的走。你是蒙耶和华赐福的了。」
Dia nanao fanasana ho azy Isaka, ka dia nihinana sy nisotro izy.
以撒就为他们设摆筵席,他们便吃了喝了。
Dia nifoha maraina koa izy, ka samy nanao fianianana; dia nampandehanin'Isaka ireo, ka dia lasa nody soa aman-tsara izy.
他们清早起来彼此起誓。以撒打发他们走,他们就平平安安的离开他走了。
Ary tamin'izany andro izany dia avy ny mpanompon'Isaka ka nanambara taminy ny amin'ny lavaka fantsakana izay efa nohadiny ka nanao taminy hoe: Efa nahita rano izahay.
那一天,以撒的仆人来,将挖井的事告诉他说:「我们得了水了。」
Dia nanao ny anarany hoe Sheba izy; izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Beri-sheba mandraka androany.
他就给那井起名叫示巴;因此那城叫做别是巴,直到今日。
Ary rehefa efa-polo taona Esao, dia nampakatra an'i Jodita, zanakavavin'i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin'i Elona Hetita, izy.
以扫四十岁的时候娶了赫人比利的女儿犹滴,与赫人以伦的女儿巴实抹为妻。
Dia nangidy tamin'ny fanahin'Isaka sy Rebeka indrindra ireny.
她们常使以撒和利百加心里愁烦。