Genesis 23

Ary ny andro niainan'i Saraha dia fito amby roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan'i Saraha.
撒拉享寿一百二十七岁,这是撒拉一生的岁数。
Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin'ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an'i Saraha sy hitomany azy.
撒拉死在迦南地的基列‧亚巴,就是希伯崙。亚伯拉罕为她哀恸哭号。
Ary Abrahama nitsangana niala avy teo anilan'ny fatin'ny vadiny, dia niteny tamin'ny taranak'i Heta ka nanao hoe:
后来亚伯拉罕从死人面前起来,对赫人说:
Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin'ny vadiko tsy ho eto anatrehako.
「我在你们中间是外人,是寄居的。求你们在这里给我一块地,我好埋葬我的死人,使她不在我眼前。」
Dia namaly an'i Abrahama ny taranak'i Heta ka nanao taminy hoe:
赫人回答亚伯拉罕说:
Mihainoa anay, tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin'ny fasanay no andeveno ny fatin'ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao tsy handevenanao ny fatin'ny vadinao.
「我主请听。你在我们中间是一位尊大的王子,只管在我们最好的坟地里埋葬你的死人;我们没有一人不容你在他的坟地里埋葬你的死人。」
Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan'ny taranak'i Heta tompon-tany,
亚伯拉罕就起来,向那地的赫人下拜,
dia niteny taminy ka nanao hoe: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin'ny vadiko mba tsy ho eto anatrehako, dia mihainoa ahy, ka mba iangavio kely amin'i Efrona, zanak'i Zohara,
对他们说:「你们若有意叫我埋葬我的死人,使他不在我眼前,就请听我的话,为我求琐辖的儿子以弗崙,
mba homeny ahy ny zohy ao Makpela izay azy, dia ilay eo amin'ny sisin'ny sahany; amin'izay vola tokom-bidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana.
把田头上那麦比拉洞给我;他可以按著足价卖给我,作我在你们中间的坟地。」
Ary Efrona nipetraka teo amin'ny taranak'i Heta; dia namaly an'i Abrahama Efrona Hetita teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin'ny tanànany, ka nanao hoe:
当时以弗崙正坐在赫人中间。于是,赫人以弗崙在城门出入的赫人面前对亚伯拉罕说:
Tsia, tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia omeko anao; eto imason'ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin'ny vadinao.
「不然,我主请听。我送给你这块田,连田间的洞也送给你,在我同族的人面前都给你,可以埋葬你的死人。」
Ary niankohoka teo anatrehan'ny olona tompon-tany Abrahama,
亚伯拉罕就在那地的人民面前下拜,
dia niteny tamin'i Efrona teo anatrehan'ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany ianao, dia homeko ny vidin'ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin'ny vadiko.
在他们面前对以弗崙说:「你若应允,请听我的话。我要把田价给你,求你收下,我就在那里埋葬我的死人。」
Ary Efrona dia namaly an'i Abrahama ka nanao taminy hoe:
以弗崙回答亚伯拉罕说:
Tompokolahy, mihainoa ahy: tany tokony ho lafo sekely volafotsy efa-jato, inona moa izany amintsika roa lahy? fa aleveno ny fatin'ny vadinao.
「我主请听。值四百舍客勒银子的一块田,在你我中间还算什么呢?只管埋葬你的死人吧!」
Dia neken'i Abrahama ny tenin'i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin'ny mpivarotra.
亚伯拉罕听从了以弗崙,照著他在赫人面前所说的话,把买卖通用的银子平了四百舍客勒给以弗崙。
Ary ny sahan'i Efrona, ilay teo Makpela, izay tandrifin'i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay teo anatiny mbamin'ny hazo rehetra izay teo anatiny, izay teo amin'ny sisiny rehetra manodidina, dia natao varo-maty
于是,麦比拉、幔利前、以弗崙的那块田和其中的洞,并田间四围的树木,
tamini'i Abrahama ho fananana, teo imason'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo am­bavahadin'ny tanànany.
都定准归与亚伯拉罕,乃是他在赫人面前并城门出入的人面前买妥的。
Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an'i Saraha vadiny tao amin'ny zohy tao amin'ny saha Makpela tandrifin'i Mamre (Hebrona izany), ao amin'ny tany Kanana;
此后,亚伯拉罕把他妻子撒拉埋葬在迦南地幔利前的麦比拉田间的洞里。〈幔利就是希伯崙〉。
ka ny saha mbamin'ny zohy izay ao anatiny dia nataon'ny taranak'i Heta varo-maty tamin'i Abrahama ho tany fandevenana.
从此,那块田和田间的洞就借著赫人定准归与亚伯拉罕作坟地。