Genesis 21

Ary Jehovah namangy an'i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon'i Jehovah tamin'i Saraha araka ilay efa noteneniny.
耶和华按著先前的话眷顾撒拉,便照他所说的给撒拉成就。
Dia nanan'anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin'i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin'ny fotoana izay efa nolazain'Andriamanitra taminy.
当亚伯拉罕年老的时候,撒拉怀了孕;到 神所说的日期,就给亚伯拉罕生了一个儿子。
Ary ny anaran'ny zanany izay teraka, ilay naterak'i Saraha taminy dia nataon'i Abrahama hoe Isaka.
亚伯拉罕给撒拉所生的儿子起名叫以撒。
Dia noforan'i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian'Andriamanitra azy.
以撒生下来第八日,亚伯拉罕照著 神所吩咐的,给以撒行了割礼。
Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an'i Isaka zanany izy.
他儿子以撒生的时候,亚伯拉罕年一百岁。
Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin'Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.
撒拉说:「 神使我喜笑,凡听见的必与我一同喜笑」;
Ary hoy koa izy: Nampoizin'iza akory moa no hilaza amin'i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.
又说:「谁能预先对亚伯拉罕说『撒拉要乳养婴孩』呢?因为在他年老的时候,我给他生了一个儿子。」
Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin'ny andro nanotazana an'Isaka.
孩子渐长,就断了奶。以撒断奶的日子,亚伯拉罕设摆丰盛的筵席。
Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak'i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin'i Abrahama.
当时,撒拉看见埃及人夏甲给亚伯拉罕所生的儿子戏笑,
Dia hoy izy tamin'i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io andevovavy io tsy hiray lova amin'ny zanako, dia amin'Isaka.
就对亚伯拉罕说:「你把这使女和她儿子赶出去!因为这使女的儿子不可与我的儿子以撒一同承受产业。」
Fa ratsy teo imason'i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin'ny zanany.
亚伯拉罕因他儿子的缘故很忧愁。
Ary hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain'i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
 神对亚伯拉罕说:「你不必为这童子和你的使女忧愁。凡撒拉对你说的话,你都该听从;因为从以撒生的,才要称为你的后裔。
Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy.
至于使女的儿子,我也必使他的后裔成立一国,因为他是你所生的。」
Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an'i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr'i Beri-sheba.
亚伯拉罕清早起来,拿饼和一皮袋水,给了夏甲,搭在她的肩上,又把孩子交给她,打发她走。夏甲就走了,在别是巴的旷野走迷了路。
Ary rehefa lany ny rano tao amin'ny siny hoditra, dia nariany teo ampototry ny hazo kely anankiray ny zaza.
皮袋的水用尽了,夏甲就把孩子撇在小树底下,
Dia lasa izy ka nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan'ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany.
自己走开约有一箭之远,相对而坐,说:「我不忍见孩子死」,就相对而坐,放声大哭。
Ary ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza, dia niantso an'i Hagara Ilay Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe : Inona izato manjo anao, ry Hagara ? Aza matahotra, fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza eo amin'ny itoerany.
 神听见童子的声音; 神的使者从天上呼叫夏甲说:「夏甲,你为何这样呢?不要害怕, 神已经听见童子的声音了。
Mitsa­ngana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy.
起来!把童子抱在怀【原文作手】中,我必使他的后裔成为大国。」
Dia nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
 神使夏甲的眼睛明亮,她就看见一口水井,便去将皮袋盛满了水,给童子喝。
Ary nomban'Andriamanitra ny zaza. dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.
 神保佑童子,他就渐长,住在旷野,成了弓箭手。
Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan'ny reniny vady avy tany amin'ny tany Egypta izy.
他住在巴兰的旷野;他母亲从埃及地给他娶了一个妻子。
Ary tamin'izany andro izany Abimeleka sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niteny tamin'i Abrahama ka nanao hoe: Omban'Andriamanitra ianao amin'izay re­hetra ataonao;
当那时候,亚比米勒同他军长非各对亚伯拉罕说:「凡你所行的事都有 神的保佑。
koa ankehitriny ianiano amin'Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin'ny tany izay ivahinianao.
我愿你如今在这里指著 神对我起誓,不要欺负我与我的儿子,并我的子孙。我怎样厚待了你,你也要照样厚待我与你所寄居这地的民。」
Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho.
亚伯拉罕说:「我情愿起誓。」
Ary Abrahama nananatra an'i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain'ny mpanompon'i Abimeleka an-keriny
从前,亚比米勒的仆人霸占了一口水井,亚伯拉罕为这事指责亚比米勒。
Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa ianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.
亚比米勒说:「谁做这事,我不知道,你也没有告诉我,今日我才听见了。」
Ary Abrahama naka ondry aman'osy sy omby. ka nomeny an'i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy.
亚伯拉罕把羊和牛给了亚比米勒,二人就彼此立约。
Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin'ny ondry.
亚伯拉罕把七只母羊羔另放在一处。
Ary hoy Abimeleka tamin'i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo?
亚比米勒问亚伯拉罕说:「你把这七只母羊羔另放在一处,是什么意思呢?」
Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin'ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io.
他说:「你要从我手里受这七只母羊羔,作我挖这口井的证据。」
Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan'izy roa lahy.
所以他给那地方起名叫别是巴,因为他们二人在那里起了誓。【别是巴就是盟誓的井的意思】
Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin'ny miaramilany, ka niverina ho any amin'ny tanin'ny Filistina.
他们在别是巴立了约,亚比米勒就同他军长非各起身回非利士地去了。
Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran'i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.
亚伯拉罕在别是巴栽上一棵垂丝柳树,又在那里求告耶和华─永生 神的名。
Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin'ny tanin'ny Filistina.
亚伯拉罕在非利士人的地寄居了多日。