Genesis 2

Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy.
天地万物都造齐了。
Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony.
到第七日, 神造物的工已经完毕,就在第七日歇了他一切的工,安息了。
Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.
 神赐福给第七日,定为圣日;因为在这日, 神歇了他一切创造的工,就安息了。
Ary izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany tamin'ny namoronana azy, dia tamin'ny nanaovan'i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra:
创造天地的来历,在耶和华 神造天地的日子,乃是这样,
Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin'ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin'ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany;
野地还没有草木,田间的菜蔬还没有长起来;因为耶和华 神还没有降雨在地上,也没有人耕地,
nefa nisy zavona niakatra avy tamin'ny tany ka nandena ny tany rehetra.
但有雾气从地上腾,滋润遍地。
Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.
耶和华 神用地上的尘土造人,将生气吹在他鼻孔里,他就成了有灵的活人,名叫亚当。
Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.
耶和华 神在东方的伊甸立了一个园子,把所造的人安置在那里。
Ary nampanirin'i Jehovah Andriamanitra teo amin'ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon'aina teo afovoan'ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
耶和华 神使各样的树从地里长出来,可以悦人的眼目,其上的果子好作食物。园子当中又有生命树和分别善恶的树。
Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra:
有河从伊甸流出来,滋润那园子,从那里分为四道:
Ny anaran'ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena;
第一道名叫比逊,就是环绕哈腓拉全地的。在那里有金子,
ary tsara ny volamena amin'izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla.
并且那地的金子是好的;在那里又有珍珠和红玛瑙。
Ary ny anaran'ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra.
第二道河名叫基训,就是环绕古实全地的。
Ary ny anaran'ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin'i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata.
第三道河名叫底格里斯,流在亚述的东边。第四道河就是幼发拉底河。
Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.
耶和华 神将那人安置在伊甸园,使他修理,看守。
Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany;
耶和华 神吩咐他说:「园中各样树上的果子,你可以随意吃,
fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.
只是分别善恶树上的果子,你不可吃,因为你吃的日子必定死!」
Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
耶和华 神说:「那人独居不好,我要为他造一个配偶帮助他。」
Ary tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan'aina rehetra, dia izany no anarany.
耶和华 神用土所造成的野地各样走兽和空中各样飞鸟都带到那人面前,看他叫什么。那人怎样叫各样的活物,那就是牠的名字。
Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin'ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy.
那人便给一切牲畜和空中飞鸟、野地走兽都起了名;只是那人没有遇见配偶帮助他。
Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony.
耶和华 神使他沉睡,他就睡了;于是取下他的一条肋骨,又把肉合起来。
Ary ny taolan-tehezana izay nalain'i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy.
耶和华 神就用那人身上所取的肋骨造成一个女人,领她到那人跟前。
Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy.
那人说:这是我骨中的骨,肉中的肉,可以称她为「女人」,因为她是从「男人」身上取出来的。
Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo.
因此,人要离开父母,与妻子连合,二人成为一体。
Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.
当时夫妻二人赤身露体,并不羞耻。