Genesis 11

Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.
那时,天下人的口音、言语都是一样。
Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin'ny tany Sinara izy ka nonina teo.
他们往东边迁移的时候,在示拿地遇见一片平原,就住在那里。
Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra.
他们彼此商量说:「来吧!我们要作砖,把砖烧透了。」他们就拿砖当石头,又拿石漆当灰泥。
Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin'ny tany rehetra isika.
他们说:「来吧!我们要建造一座城和一座塔,塔顶通天,为要传扬我们的名,免得我们分散在全地上。」
Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon'ny zanak'olombelona.
耶和华降临,要看看世人所建造的城和塔。
Ary hoy Jehovah : Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan'ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.
耶和华说:「看哪,他们成为一样的人民,都是一样的言语,如今既作起这事来,以后他们所要作的事就没有不成就的了。
Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.
我们下去,在那里变乱他们的口音,使他们的言语彼此不通。」
Dia tao no nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny ambonin'ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy.
于是耶和华使他们从那里分散在全地上;他们就停工,不造那城了。
Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin'ny tany rehetra; ary tao no nampielezan'i Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany rehetra.
因为耶和华在那里变乱天下人的言语,使众人分散在全地上,所以那城名叫巴别【就是变乱的意思】。
Izao no taranak'i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an'i Arpaksada izy roa taona taorian'ny safo-drano.
闪的后代记在下面。洪水以后二年,闪一百岁生了亚法撒。
Ary ny andro niainan'i Sema taorian'ny niterahany an'i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
闪生亚法撒之后又活了五百年,并且生儿养女。
Ary rehefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan'i Arpaksada, dia niteraka an'i Sela izy.
亚法撒活到三十五岁,生了沙拉。
Ary ny andro niainan'i Arpaksada taorian'ny niterahany an'i Sela dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
亚法撒生沙拉之后又活了四百零三年,并且生儿养女。
Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Sela, dia niteraka an'i Ebera izy.
沙拉活到三十岁,生了希伯。
Ary ny andro niainan'i Sela taorian'ny niterahany an'i Ebera dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
沙拉生希伯之后又活了四百零三年,并且生儿养女。
Ary rehefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan'i Ebera, dia niteraka an'i Palega izy.
希伯活到三十四岁,生了法勒。
Ary ny andro niainan'i Ebera taorian'ny niterahany an'i Palega dia telo-polo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
希伯生法勒之后又活了四百三十年,并且生儿养女。
Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Palega, dia niteraka an-dReo izy,
法勒活到三十岁,生了拉吴。
Ary ny andro niainan'i Palega taorian'ny niterahany an-dReo dia sivy amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
法勒生拉吴之后又活了二百零九年,并且生儿养女。
Ary rehefa roa amby telo-polo, taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an'i Seroga izy.
拉吴活到三十二岁,生了西鹿。
Ary ny andro niainan-dReo taorian'ny niterahany an'i Seroga dia fito amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
拉吴生西鹿之后又活了二百零七年,并且生儿养女。
Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Seroga, dia niteraka an'i Nahora izy,
西鹿活到三十岁,生了拿鹤。
Ary ny andro niainan'i Seroga taorian'ny niterahany an'i Nahora dia roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
西鹿生拿鹤之后又活了二百年,并且生儿养女。
Ary rehefa sivy amby roa-polo taona ny andro niainan'i Nahora, dia niteraka an'i Tera izy.
拿鹤活到二十九岁,生了他拉。
Ary ny andro niainan'i Nahora taorian'ny niterahany an'i Tera dia sivy ambin'ny folo amby zato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
拿鹤生他拉之后又活了一百一十九年,并且生儿养女。
Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan'i Tera, dia niteraka an'i Abrama sy Nahora ary Harana izy:
他拉活到七十岁,生了亚伯兰、拿鹤、哈兰。
Ary izao no taranak'i Tera: Tera niteraka an'i Abrama sy Nahora ary Harana; ary Harana niteraka an'i Lota.
他拉的后代记在下面。他拉生亚伯兰、拿鹤、哈兰;哈兰生罗得。
Ary maty Harana, raha mbola teo anatrehan'i Tera rainy tany amin'ny tany nahaterahany, dia tao Oran'ny Kaldeana.
哈兰死在他的本地迦勒底的吾珥,在他父亲他拉之先。
Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran'ny vadin'i Abrama dia Saray; ary ny anaran'ny vadin'i Nahora dia Milka, zanakavavin'i Harana, rain'i Milka sy rain'Iska.
亚伯兰、拿鹤各娶了妻:亚伯兰的妻子名叫撒莱;拿鹤的妻子名叫密迦,是哈兰的女儿;哈兰是密迦和亦迦的父亲。
Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy.
撒莱不生育,没有孩子。
Ary Tera nitondra an'i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak'i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin'i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran'ny Kaldeana hankany amin'ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.
他拉带著他儿子亚伯兰和他孙子哈兰的儿子罗得,并他儿妇亚伯兰的妻子撒莱,出了迦勒底的吾珥,要往迦南地去;他们走到哈兰,就住在那里。
Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan'i Tera; dia maty tao Harana izy.
他拉共活了二百零五岁,就死在哈兰。