Genesis 1

Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
起初, 神创造天地。
Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.
地是空虚混沌,渊面黑暗; 神的灵运行在水面上。
Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.
 神说:「要有光」,就有了光。
Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.
 神看光是好的,就把光暗分开了。
Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.
 神称光为「昼」,称暗为「夜」。有晚上,有早晨,这是头一日。
Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin'ny rano izy.
 神说:「诸水之间要有空气,将水分为上下。」
Ary Andriamanitra nanao ny habakabakaka ka nampisaraka ny rano ambanin'ny habakabaka tamin'ny rano ambonin'ny habakabaka; dia nisy izany.
 神就造出空气,将空气以下的水、空气以上的水分开了。事就这样成了。
Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany.
 神称空气为「天」。有晚上,有早晨,是第二日。
Ary Andriamanitra nanao hoe : Aoka hiangona ny rano eny ambanin'ny lanitra ho eo amin'ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany.
 神说:「天下的水要聚在一处,使旱地露出来。」事就这样成了。
Ary Andriamanitra nanao ny maina hoe tany; ary ny rano tafangona nataony hoe ranomasina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
 神称旱地为「地」,称水的聚处为「海」。 神看著是好的。
Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin'ny tany; dia nisy izany.
 神说:「地要发生青草和结种子的菜蔬,并结果子的树木,各从其类,果子都包著核。」事就这样成了。
Ary ny tany naniry ahitra sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
于是地发生了青草和结种子的菜蔬,各从其类;并结果子的树木,各从其类;果子都包著核。 神看著是好的。
Dia nisy hariva. ary nisy maraina, andro fahatelo izany.
有晚上,有早晨,是第三日。
Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fahazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo.
 神说:「天上要有光体,可以分昼夜,作记号,定节令、日子、年岁,
Ary aoka ho fanazavana eny amin'ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin'ny tany; dia nisy izany.
并要发光在天空,普照在地上。」事就这样成了。
Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro ary ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina sy ny kintana.
于是 神造了两个大光,大的管昼,小的管夜,又造众星,
Ary Andriamanitra nametraka azy teny amin'ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin'ny tany,
就把这些光摆列在天空,普照在地上,
sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
管理昼夜,分别明暗。 神看著是好的。
Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahefatra izany.
有晚上,有早晨,是第四日。
Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan'aina; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin'ny tany eny amin'ny habakabaky ny lanitra.
 神说:「水要多多滋生有生命的物;要有雀鸟飞在地面以上,天空之中(原文作天空的表面)。」
Ary Andriamanitra nahary ny biby vaventy anaty rano sy ny zava-manan'aina mihetsiketsika rehetra, izay efa betsaka ao amin'ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voro-manidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
 神就造出大鱼和水中所滋生各样有生命的动物,各从其类;又造出各样飞鸟,各从其类。 神看著是好的。
Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa anaka sy mihabetsaha ary mamenoa ny rano ao amin'ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eny ambonin'ny tany.
 神就赐福给这一切,说:「滋生繁多,充满海中的水;雀鸟也要多生在地上。」
Dia nisy fa hariva, ary nisy maraina, andro fahadimy izany.
有晚上,有早晨,是第五日。
Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan'aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany.
 神说:「地要生出活物来,各从其类;牲畜、昆虫、野兽,各从其类。」事就这样成了。
Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany.
于是 神造出野兽,各从其类;牲畜,各从其类;地上一切昆虫,各从其类。 神看著是好的。
Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany.
 神说:「我们要照著我们的形像、按著我们的样式造人,使他们管理海里的鱼、空中的鸟、地上的牲畜,和全地,并地上所爬的一切昆虫。」
Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.
 神就照著自己的形像造人,乃是照著他的形像造男造女。
Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany.
 神就赐福给他们,又对他们说:「要生养众多,遍满地面,治理这地,也要管理海里的鱼、空中的鸟,和地上各样行动的活物。」
Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.
 神说:「看哪,我将遍地上一切结种子的菜蔬和一切树上所结有核的果子全赐给你们作食物。
Ary ny amin'ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan'aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany.
至于地上的走兽和空中的飞鸟,并各样爬在地上有生命的物,我将青草赐给牠们作食物。」事就这样成了。
Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.
 神看著一切所造的都甚好。有晚上,有早晨,是第六日。