Galatians 5

Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.
基督释放了我们,叫我们得以自由。所以要站立得稳,不要再被奴仆的轭挟制。
Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.
我保罗告诉你们,若受割礼,基督就与你们无益了。
Ary lazaiko marina indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy.
我再指著凡受割礼的人确实的说,他是欠著行全律法的债。
Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo.
你们这要靠律法称义的,是与基督隔绝,从恩典中坠落了。
Fa izahay amin'ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana ny fahamarinana.
我们靠著圣灵,凭著信心,等候所盼望的义。
Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.
原来在基督耶稣里,受割礼不受割礼全无功效,惟独使人生发仁爱的信心才有功效。
Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?
你们向来跑得好,有谁拦阻你们,叫你们不顺从真理呢?
Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin'ilay miantso anareo.
这样的劝导不是出于那召你们的。
Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.
一点面酵能使全团都发起来。
Izaho matoky anareo ao amin'ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan'ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.
我在主里很信你们必不怀别样的心;但搅扰你们的,无论是谁,必担当他的罪名。
Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana.
弟兄们,我若仍旧传割礼,为什么还受逼迫呢?若是这样,那十字架讨厌的地方就没有了。
Enga anie ka hiesotra aza izay mampitabataba anareo.
恨不得那搅乱你们的人把自己割绝了。
Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.
弟兄们,你们蒙召是要得自由,只是不可将你们的自由当作放纵情欲的机会,总要用爱心互相服事。
Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18).
因为全律法都包在「爱人如己」这一句话之内了。
Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.
你们要谨慎,若相咬相吞,只怕要彼此消灭了。
Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo.
我说,你们当顺著圣灵而行,就不放纵肉体的情欲了。
Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.
因为情欲和圣灵相争,圣灵和情欲相争,这两个是彼此相敌,使你们不能做所愿意做的。
Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.
但你们若被圣灵引导,就不在律法以下。
Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
情欲的事都是显而易见的,就如奸淫、污秽、邪荡、
fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,
拜偶像、邪术、仇恨、争竞、忌恨、恼怒、结党、纷争、异端、
fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.
嫉妒(有古卷在此有:凶杀二字)、醉酒、荒宴等类。我从前告诉你们,现在又告诉你们,行这样事的人必不能承受 神的国。
Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,
圣灵所结的果子,就是仁爱、喜乐、和平、忍耐、恩慈、良善、信实、
fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
温柔、节制。这样的事没有律法禁止。
Fa izay an'Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana.
凡属基督耶稣的人,是已经把肉体连肉体的邪情私欲同钉在十字架上了。
Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.
我们若是靠圣灵得生,就当靠圣灵行事。
Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.
不要贪图虚名,彼此惹气,互相嫉妒。