Galatians 3

Ry Galatiana adala, iza no nanimba anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an'i Jesosy Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana?
无知的加拉太人哪,耶稣基督钉十字架,已经活画在你们眼前,谁又迷惑了你们呢?
Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan'ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana?
我只要问你们这一件:你们受了圣灵,是因行律法呢?是因听信福音呢?
Adala toy izany va ianareo? Rehefa nanomboka tamin'ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin'ny nofo va ankehitriny?
你们既靠圣灵入门,如今还靠肉身成全吗?你们是这样的无知吗?
Moa izany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany?
你们受苦如此之多,都是徒然的吗?难道果真是徒然的吗?
Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin'ny asan'ny lalàna va izany, sa avy amin'ny fitoriana ny finoana?
那赐给你们圣灵,又在你们中间行异能的,是因你们行律法呢?是因你们听信福音呢?
Dia tahaka an'i Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nasaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6).
正如亚伯拉罕信 神,这就算为他的义。
Koa fantaro fa izay amin'ny finoana no zanak'i Abrahama.
所以,你们要知道:那以信为本的人,就是亚伯拉罕的子孙。
Ary satria hitan'ny Soratra Masina rahateo fa amin'ny finoana no anamarinan'Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin'i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra (Gen. 12. 3);
并且圣经既然预先看明, 神要叫外邦人因信称义,就早已传福音给亚伯拉罕,说:万国都必因你得福。
ka dia izay amin'ny finoana notahina mbamin'i Abrahama mpino.
可见那以信为本的人和有信心的亚伯拉罕一同得福。
Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna (Deo. 27. 26).
凡以行律法为本的,都是被咒诅的;因为经上记著:凡不常照律法书上所记一切之事去行的,就被咒诅。
Ary hita marimarina fa amin'ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra ; fa ny marina amin'ny finoana no ho velona (Hab. 2. 4).
没有一个人靠著律法在 神面前称义,这是明显的;因为经上说,义人必因信得生。
Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy (Lev. 18. 5).
律法原不本乎信,只说:行这些事的,就必因此活著。
Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe : Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo (Deo. 21. 23),
基督既为我们受(原文是成)了咒诅,就赎出我们脱离律法的咒诅;因为经上记著:凡挂在木头上都是被咒诅的。
mba ho tonga amin'ny jentilisa ny fitahiana an'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin'ny finoana ny teny fikasana ny amin'ny Fanahy.
这便叫亚伯拉罕的福,因基督耶稣可以临到外邦人,使我们因信得著所应许的圣灵。
Ry rahalahy - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekena ataon'olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany.
弟兄们,我且照著人的常话说:虽然是人的文约,若已经立定了,就没有能废弃或加增的。
Ary tamin'i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an'ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an'ny taranakao (Gen. 22. 18), dia Kristy izany.
所应许的原是向亚伯拉罕和他子孙说的。 神并不是说众子孙,指著许多人,乃是说你那一个子孙,指著一个人,就是基督。
Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon'Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan'ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana.
我是这么说, 神预先所立的约,不能被那四百三十年以后的律法废掉,叫应许归于虚空。
Fa raha avy amin'ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin'ny teny fikasana intsony; nefa tamin'i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan'Andriamanitra azy.
因为承受产业,若本乎律法,就不本乎应许;但 神是凭著应许把产业赐给亚伯拉罕。
Inona ary ny lalàna ? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tànan'ny mpanalalana izany.
这样说来,律法是为什么有的呢?原是为过犯添上的,等候那蒙应许的子孙来到,并且是借天使经中保之手设立的。
Ary ny mpanalalana dia tsy an'ny irery, fa Andriamanitra dia iray ihany.
但中保本不是为一面作的; 神却是一位。
Ka moa manohitra ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalàna tokoa ny fahamarinana
这样,律法是与 神的应许反对吗?断乎不是!若曾传一个能叫人得生的律法,义就诚然本乎律法了。
Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an i Jesosy Kristy.
但圣经把众人都圈在罪里,使所应许的福因信耶稣基督,归给那信的人。
Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalàna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana.
但这因信得救的理还未来以先,我们被看守在律法之下,直圈到那将来的真道显明出来。
Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.
这样,律法是我们训蒙的师傅,引我们到基督那里,使我们因信称义。
Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika.
但这因信得救的理既然来到,我们从此就不在师傅的手下了。
Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy.
所以,你们因信基督耶稣都是 神的儿子。
Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy.
你们受洗归入基督的都是披戴基督了。
Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.
并不分犹太人、希腊人,自主的、为奴的,或男或女,因为你们在基督耶稣里都成为一了。
Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.
你们既属乎基督,就是亚伯拉罕的后裔,是照著应许承受产业的了。