Galatians 2

Ary nony afaka efatra ambin'ny folo taona, dia niakatra tany Jerosalema indray izaho sy Barnabasy, ary Titosy dia nentiko niaraka tamiko koa.
过了十四年,我同巴拿巴又上耶路撒冷去,并带著提多同去。
Ary niakatra araka ny fanambarana aho, ka nambarako taminy ny filazantsara izay toriko any amin'ny jentilisa, nefa nangingina ihany tamin'izay manan-daza, fandrao ho mihazakazaka foana aho, na efa nihazakazaka foana.
我是奉启示上去的,把我在外邦人中所传的福音,对弟兄们陈说;却是背地里对那有名望之人说的,惟恐我现在,或是从前,徒然奔跑。
Kanefa na dia Titosy izay niaraka tamiko aza, dia tsy mba noterena hoforana, na dia Grika aza izy,
但与我同去的提多,虽是希腊人,也没有勉强他受割礼;
dia noho ny rahalahy sandoka nampidirina misokosoko, izay niditra mangingina hisafo ny fahafahantsika, izay ananantsika ao amin'i Kristy Jesosy, mba hanandevozany antsika;
因为有偷著引进来的假弟兄,私下窥探我们在基督耶稣里的自由,要叫我们作奴仆。
fa tsy nety nikoy ireo izahay na dia ora iray monja aza, mba hitoeran'ny fahamarinan'ny filazantsara aminareo.
我们就是一刻的工夫也没有容让顺服他们,为要叫福音的真理仍存在你们中间。
Fa ny amin'ny olona atao ho manan-daza (na nanao ahoana na nanao ahoana izy dia tsy mampaninona ahy; Andriamanitra tsy mizaha tavan'olona), izaho tsy nomen'ireo manan-daza ireo saina na tamin'inona na tamin'inona.
至于那些有名望的,不论他是何等人,都与我无干。 神不以外貌取人。那些有名望的,并没有加增我什么,
Fa hafa kosa no nataony, fa nony hitany fa notolorana ny filazantsara ho adidiko ho an'ny tsy voafora aho, tahaka an'i Petera ho an'ny voafora
反倒看见了主托我传福音给那未受割礼的人,正如托彼得传福音给那受割礼的人。
(fa Izay niasa ho an'i Petera hah'Apostoly azy ho an'ny voafora no niasa ho ahy koa ho an'ny jentilisa),
(那感动彼得、叫他为受割礼之人作使徒的,也感动我,叫我为外邦人作使徒;)
ary nony fantatr'i Jakoba sy Kefasy ary Jaona, izay natao ho andry, ny fahasoavana nomena ahy, dia notolorany ny tanana ankavanan'ny fihavanana izaho sy Barnabasy, mba hankany amin'ny jentilisa izahay, fa izy kosa ho any amin'ny voafora.
又知道所赐给我的恩典,那称为教会柱石的雅各、矶法、约翰,就向我和巴拿巴用右手行相交之礼,叫我们往外邦人那里去,他们往受割礼的人那里去。
Izao ihany no tiany, dia ny mba hahatsiarovanay ny malahelo, sady nahazoto ahy indrindra rahateo ny hanao izany.
只是愿意我们记念穷人;这也是我本来热心去行的。
Ary nony tonga tany Antiokia Kefasy, dia nanohitra azy nifanatrika aho, satria hita fa nanan-tsiny izy.
后来,矶法到了安提阿;因他有可责之处,我就当面抵挡他。
Fa fony tsy mbola tonga ny sasany any tany amin'i Jakoba, dia niara-nihinana tamin'ny jentilisa ihany izy; fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra ny momba ny famorana izy.
从雅各那里来的人未到以先,他和外邦人一同吃饭,及至他们来到,他因怕奉割礼的人,就退去与外邦人隔开了。
Ary ny Jiosy sasany koa niara-nihatsaravelatsihy taminy, ka Barnabasy avy aza mba voataonan'ny fihatsaram-belatsihiny koa.
其余的犹太人也都随著他装假,甚至连巴拿巴也随伙装假。
Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan'ny filazantsara ireo, dia hoy izaho tamin'i Kefasy teo anatrehan'ny olona rehetra : Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon'ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon'ny Jiosy, nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon'ny Jiosy?
但我一看见他们行的不正,与福音的真理不合,就在众人面前对矶法说:你既是犹太人,若随外邦人行事,不随犹太人行事,怎么还勉强外邦人随犹太人呢?
Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin'ny jentilisa,
我们这生来的犹太人,不是外邦的罪人;
nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin'ny asan'ny lalàna ny olona, fa amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy, dia nino an'i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin'ny finoana an'i Kristy, fa tsy amin'ny asan'ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna.
既知道人称义不是因行律法,乃是因信耶稣基督,连我们也信了基督耶稣,使我们因信基督称义,不因行律法称义;因为凡有血气的,没有一人因行律法称义。
Fa raha mitady hohamarinina ao amin'i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!
我们若求在基督里称义,却仍旧是罪人,难道基督是叫人犯罪的吗?断乎不是!
Fa raha ny zavatra efa noravako no atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa diso aho.
我素来所拆毁的,若重新建造,这就证明自己是犯罪的人。
Fa raha izaho, dia tamin'ny lalàna no nahafatesako ny amin'ny lalàna, mba ho velona ho an'Andriamanitra aho.
我因律法,就向律法死了,叫我可以向 神活著。
Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.
我已经与基督同钉十字架,现在活著的不再是我,乃是基督在我里面活著;并且我如今在肉身活著,是因信 神的儿子而活;他是爱我,为我舍己。
Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.
我不废掉 神的恩;义若是借著律法得的,基督就是徒然死了。