Ezekiel 48

Ary izao no anaran'ny firenena: Hatramin'ny farany avaratra any amoron-dranomasina amin'ny lalana mankany Hetlona any akaikin'i Hamata sy Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy eo avaratra, any anilan'i Hamata; izany no ho lafiny atsinanana sy andrefana; anjara iray ho an'i Dana.
众支派按名所得之地记在下面:从北头,由希特伦往哈马口,到大马士革地界上的哈萨‧以难。北边靠著哈马地(各支派的地都有东西的边界),是但的一分。
Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Dana hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an'i Asera.
挨著但的地界,从东到西,是亚设的一分。
Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Asera, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an'i Naftaly.
挨著亚设的地界,从东到西,是拿弗他利的一分。
Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Naftaly, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Manase,
挨著拿弗他利的地界,从东到西,是玛拿西的一分。
Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Manase, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Efraima.
挨著玛拿西的地界,从东到西,是以法莲的一分。
Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Efraima, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an? i Robena.
挨著以法莲的地界,从东到西,是流便的一分。
Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Robena, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Joda.
挨著流便的地界,从东到西,是犹大的一分。
Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Joda, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisian'ilay tany hatokanareo, indimy arivo amby roa alin'ny volotara ny sakany, ary ny lavany mitovy amin'ny anjaran'ny sasany hatrany atsinanana ka hatrany andrefana; ary ny fitoerana masina no ho eo afovoany.
挨著犹大的地界,从东到西,必有你们所当献的供地,宽二万五千肘。从东界到西界,长短与各分之地相同,圣地当在其中。
Ny tany izay hatokanareo ho an'i Jehovah, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany.
你们献与耶和华的供地要长二万五千肘,宽一万肘。
Ary ho an'ny mpisorona izany tany masina voatokana izany, dimy arivo amby roa alina ny lavany avaratra, ary iray alina ny sakany andrefana, ary iray alina ny sakany atsinanana, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany atsimo; ary ny fitoerana masin'i Jehovah no ho eo afovoany.
这圣供地要归与祭司,北长二万五千肘,西宽一万肘,东宽一万肘,南长二万五千肘。耶和华的圣地当在其中。
Ho an'ny mpisorona izay nohamasinina avy amin'ny taranak'i zadota izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandrenam ka tsy nivily tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely, tahaka ny nivilian'ny Levita,
这地要归与撒督的子孙中成为圣的祭司,就是那守我所吩咐的。当以色列人走迷的时候,他们不像那些利未人走迷了。
eny, ho azy izany ho tany halaina amin'ilay efa voatokana, dia zavatra masina indrindra, mifanolotra amin'ny faritanin'ny Levita.
这要归与他们为供地,是全地中至圣的。供地挨著利未人的地界。
Ary ny Levita koa dia hahazo ny mifanolotra amin'ny fari-tanin'ny mpisorona, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, eny, samy dimy arivo amby roa alina ny lavany, sy iray alina ny sakany.
利未人所得的地要长二万五千肘,宽一万肘,与祭司的地界相等,都长二万五千肘,宽一万肘。
Ary tsy ho azony hamidy izany, na hatakalo, ary tsy hafindrany ny voaloham-bokatra amin'ny tany; fa masina ho an'i Jehovah izany.
这地不可卖,不可换,初熟之物也不可归与别人,因为是归耶和华为圣的。
Ary ny dimy arivo, ilay navela tamin'ny sakany mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina, dia tsy masina, fa ho an'ny tanàna, ho fonenana sy ho tany fiandrasana; ary ny tanàna no ho ao afovoany.
这二万五千肘前面所剩下五千肘宽之地要作俗用,作为造城盖房郊野之地。城要在当中。
Ary izao no ohany: Ny avaratra ho dinan-jato amby efatra arivo, ary ny atsimo ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny atsinanana ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny andrefana ho diman-jato amby efatra arivo.
城的尺寸乃是如此:北面四千五百肘,南面四千五百肘,东面四千五百肘,西面四千五百肘。
Ary ny amin'ny tany fiandrasana momba ny tanàna, ny eo amin'ny avaratra dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin'ny atsinanana dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin'ny andrefana dia ho dimam-polo amby roan-jato.
城必有郊野,向北二百五十肘,向南二百五十肘,向东二百五十肘,向西二百五十肘。
Ary ny lavany sisa mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana dia iray alina atsinanana ary iray alina andrefana, ary hifanolotra amin'ny anjara masina voatokana izany; ary ny vokany hohanin'ny mpiasa ao an-tanàna.
靠著圣供地的余地,东长一万肘,西长一万肘,要与圣供地相等;其中的土产要作城内工人的食物。
Ary izay mpiasa ao an-tanàna avy amin'ny firenen'Isiraely rehetra no hiasa azy.
所有以色列支派中,在城内做工的,都要耕种这地。
Ny tany voatokana rehetra dia dimy arivo amby roa alina sokera; ny ampahefatry ny anjara masina voatokana dia halainareo ho zara-tany momba ny tanàna.
你们所献的圣供地连归城之地,是四方的:长二万五千肘,宽二万五千肘。
Ary ho an'ny mpanjaka ny sisa an-daniny roa amin'ny anjara masina voatokana sy ny zara-tany momba ny tanàna; mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina amin'ny anjara voatokana hatramin'ny fari-tany atsinanana, ary mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina hatramin'ny fari-tany andrefana, mifanolotra amin'ireo anjaran'ny sasany, ho an'ny mpanjaka izany; ary ny anjara masina voatokana sy ny trano fitoerana masina no ho eo aforoany.
圣供地连归城之地,两边的余地要归与王。供地东边,南北二万五千肘,东至东界,西边南北二万五千肘,西至西界,与各分之地相同,都要归王。圣供地和殿的圣地要在其中,
Ary hatramin'ny zara-tanin'ny Levita sy ny zara-tany momba ny tanàna, sy ao ampovoan'ny an'ny mpanjaka, anelanelan'ny fari-tanin'i Jada sy Benjamina, dia ho an'ny mpanjaka izany.
并且利未人之地,与归城之地的东西两边延长之地(这两地在王地中间),就是在犹大和便雅悯两界中间,要归与王。
Ary ny amin'ny firenena sisa, dia hatramin'ny lafiny atsinanana ka hatramin'ny andrefana, dia hisy anjara iray ho an'i Benjamina.
论到其余的支派,从东到西,是便雅悯的一分。
Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Benjamina, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Simeona.
挨著便雅悯的地界,从东到西,是西缅的一分。
Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Simeona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'Isakara.
挨著西缅的地界,从东到西,是以萨迦的一分。
Ary mifanolotra amin'ny faritanin'Isakara, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Zebolona.
挨著以萨迦的地界,从东到西,是西布伦的一分。
Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Zebolona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Gada.
挨著西布伦的地界,从东到西,是迦得的一分。
Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Gada, amin'ny lafiny atsimo, dia hatrany Tamara sy ny ranon'i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe.
迦得地的南界是从他玛到米利巴‧加低斯的水,延到埃及小河,直到大海。
Izany no tany hozarainareo amin'ny filokana ho an'ny firenen'Isiraely ho lovany, ary izany no ho anjarany ary, hoy Jehovah Tompo.
这就是你们要拈阄分给以色列支派为业之地,乃是他们各支派所得之分。这是主耶和华说的。
Ary izao no ohatry ny tanàna amin'ny lafiny avaratra: diman-jato amby efatra arivo.
城的北面四千五百肘。出城之处如下;
Ary ny anaran'ny vavahady dia ho toy ny anaran'ny firenen'Isiraely: ny vavahady telo avaratra, dia vavahadin'i Robena ny iray vavahadin'i Joda ny iray, vavahadin'i Levy ny iray.
城的各门要按以色列支派的名字。北面有三门,一为流便门,一为犹大门,一为利未门;
Ary amin'ny atsinanana dimanjato amby efatra arivo; ary ny vavahady telo, dia vavahadin'i Josefa ny iray, vavahadin'i Benjamina ny iray, ary vavahadin'i Dana ny iray.
东面四千五百肘,有三门,一为约瑟门,一为便雅悯门,一为但门;
Ary amin'ny atsimo diman-jato amby efatra arivo ohatra, ary ny vavahady telo, dia vavahadin'i Simeona ny iray, vavahadin'Isakara ny iray, vavahadin'i Zebolona ny iray.
南面四千五百肘,有三门,一为西缅门,一为以萨迦门,一为西布伦门;
Ary amin'ny andrefana dimanjato amby efatra arivo sy vavahady telo, dia vavahadin'i Gada ny iray, vavahadin'i Asera ny iray, vavahadin'i Naftaly ny iray.
西面四千五百肘,有三门,一为迦得门,一为亚设门,一为拿弗他利门。
Valo arivo amby iray alina ny manodidina. Ary ny anaran'ny tanàna hatramin'izay andro izay dia Jehovah no ao.
城四围共一万八千肘。从此以后,这城的名字必称为耶和华的所在。