Ezekiel 47

Dia nentiny niverina ho eo amin'ny varavaran'ny trano aho; ary, indro,nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin'ny tokonan'ny trano; fa manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin'ny lafiny ankavanan'ny trano teo atsimon'ny alitara.
他带我回到殿门,见殿的门槛下有水往东流出(原来殿面朝东)。这水从槛下,由殿的右边,在祭坛的南边往下流。
Dia nentiny nivoaka tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin'ny lalana ivelany, hankany amin'ny vavahady ivelany, dia teo amin'ny lalana manatrika ny atsinanana, ary, indro, nisy rano nipoitra avy teo amin'ny ilany ankavanana.
他带我出北门,又领我从外边转到朝东的外门,见水从右边流出。
Ary nony nandeha niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tànany, ka nandrefy arivo hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.
他手拿准绳往东出去的时候,量了一千肘,使我蹚过水,水到踝子骨。
Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy ny rano aho, ka halohalika ny rano. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano.
他又量了一千肘,使我蹚过水,水就到膝;再量了一千肘,使我蹚过水,水便到腰;
Ary nandrefy arivo hakiho indray koa izy, ary efa ony tsy azo itana, fa efa nihalalina ny rano, dia rano holanosina, eny, ony tsy azo itana.
又量了一千肘,水便成了河,使我不能蹚过。因为水势涨起,成为可洑的水,不可蹚的河。
Dia hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, efa hitanao va izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny amoron'ny ony izy.
他对我说:「人子啊,你看见了什么?」他就带我回到河边。
Ary nony niverina aho, indro, nisy hazo betsaka teny amoron'ny ony, dia teny an-daniny roa.
我回到河边的时候,见在河这边与那边的岸上有极多的树木。
Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin'ny tany atsinanana, dia midina any amin'ny tani-hay ka miditra eo amin'ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano.
他对我说:「这水往东方流去,必下到亚拉巴,直到海。所发出来的水必流入盐海,使水变甜(原文是得医治;下同)。
Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan'ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran'ny ony.
这河水所到之处,凡滋生的动物都必生活,并且因这流来的水必有极多的鱼,海水也变甜了。这河水所到之处,百物都必生活。
Ary hisy mpaka hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano betsaka dia betsaka any amin'ny Ranomasina Lehibe.
必有渔夫站在河边,从隐‧基底直到隐‧以革莲,都作晒(或译:张)网之处。那鱼各从其类,好像大海的鱼甚多。
Fa ny honahona sy ny heniheny dia tsy hositranina, fa havela ho sira.
只是泥泞之地与洼湿之处不得治好,必为盐地。
Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny.
在河这边与那边的岸上必生长各类的树木;其果可作食物,叶子不枯干,果子不断绝。每月必结新果子,因为这水是从圣所流出来的。树上的果子必作食物,叶子乃为治病。」
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo; anjaran-droa no ho an'i Josefa.
主耶和华如此说:「你们要照地的境界,按以色列十二支派分地为业。约瑟必得两分。
Ary samy handova avokoa ianareo rehetra, satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an'ny razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity.
你们承受这地为业,要彼此均分;因为我曾起誓应许将这地赐与你们的列祖;这地必归你们为业。
Ary izao no faritry ny tany: Ny lafiny avaratra dia hatramin'ny Ranomasina Lehibe amin'ny lalana mankany Hetlona ka hatrany akaikin'i zedada,
「地的四界乃是如此:北界从大海往希特伦,直到西达达口。
dia Hamata, Berota, Sibraima, izay eo anelanelan'ny faritanin'i Damaskosy sy ny fari-tanin'i Hamata, Hazara afovoany, izay eo an-tsisin'i Haorana.
又往哈马、比罗他、西伯莲(西伯莲在大马士革与哈马两界中间),到浩兰边界的哈撒‧哈提干。
Ary ny fari-taniny dia hatramin'ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy, ary amin'ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra.
这样,境界从海边往大马士革地界上的哈萨‧以难,北边以哈马地为界。这是北界。
Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan'i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin'ny Isiraely dia Jordana; hatramin'ny fari-tany ka hatreo amoron'ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.
东界在浩兰、大马士革、基列,和以色列地的中间,就是约旦河。你们要从北界量到东海。这是东界。
Ary ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara dia hatramin'ny ranon'i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo.
南界是从他玛到米利巴‧加低斯的水,延到埃及小河,直到大海。这是南界。
Ny lafiny andrefana koa dia ny Ranomasina Lehibe hatramin'ny faritany ka hatrany akaikin'i Hamata. Izany no lafiny andrefana.
「西界就是大海,从南界直到哈马口对面之地。这是西界。
Hozarainareo ho anareo izany tany izany araka ny firenen'Isiraely.
「你们要按著以色列的支派彼此分这地。
Ary amin'ny filokana no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay miteraka ao aminareo; ka izy dia hataonareo ho tahaka ny tena zanak'Isiraely; hiara-manao filokana aminareo hiara-mandova amin'ny firenen'Isiraely izy.
要拈阄分这地为业,归与自己和你们中间寄居的外人,就是在你们中间生养儿女的外人。你们要看他们如同以色列人中所生的一样;他们在以色列支派中要与你们同得地业。
Ary amin'izay firenena hitoeran'ny vahiny dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah Tompo.
外人寄居在哪支派中,你们就在那里分给他地业。这是主耶和华说的。」