Ezekiel 42

Dia nentiny nivoaka nianavaratra ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary nampidiriny ho ao amin'ny efi-trano tandrifin'ny kianja voatokana sady tandrifin'ny trano eo amin'ny avaratra,
他带我出来向北,到外院,又带我进入圣屋;这圣屋一排顺著空地,一排与北边铺石地之屋相对。
dia ho eo anoloan'ilay lavany zato hakiho izay nisy ny varavarana avaratra, ary ny sakany dimam-polo hakiho.
这圣屋长一百肘,宽五十肘,有向北的门。
Tandrifin'ny roa-polo hakiho amin'ny kianja anatiny sady tandrifin'ny lampivato amin'ny kianja ivelany dia nisy lalan-tsarany nifanandrify teo amin'ny trano fahatelo ambony indrindra.
对著内院那二十肘宽之空地,又对著外院的铺石地,在第三层楼上有楼廊对著楼廊。
Ary teo anoloan'ny efi-trano dia nisy lalana, folo hakiho ny sakany, mankao anatiny, ary lalana iray hakiho izany; ary nanatrika ny avaratra ny varavarany.
在圣屋前有一条夹道,宽十肘,长一百肘。房门都向北。
Ary nohakelezina ny efi-trano ambony, fa nangalana ho lalantsarany, ka izany no nahakely azy noho ny ambany sy ny an-tenatenany.
圣屋因为楼廊占去些地方,所以上层比中下两层窄些。
Fa nifanongoa telo ireo, fa tsy nisy andry tahaka ny andrin'ny kianja, ka izany no nahakely azy noho ny ao ambany sy ny ao an-tenatenany hatreny an-tany.
圣屋有三层,却无柱子,不像外院的屋子有柱子;所以上层比中下两层更窄。
Ary nisy ampiantany teo ivelany, tandrifin'ny efi-trano, nanatrika ny kianja ivelany, teo anoloan'ny efi-trano, ka dimam-polo hakiho ny lavany.
圣屋外,东边有墙,靠著外院,长五十肘。
Fa ny lavan'ireo efi-trano izay teo amin'ny kianja ivelany dia dimam-polo hakiho; ary, indro, ny teo anoloan'ny ati-trano lehibe dia zato hakiho.
靠著外院的圣屋长五十肘。殿北面的圣屋长一百肘。
Ary teo ambanin'ireo efi-trano ireo dia nisy fidirana avy eo atsinanana, raha miditra amin'ireo avy eo amin'ny kianja ivelany.
在圣屋以下,东头有进入之处,就是从外院进入之处。
Ary nisy efi-trano koa teo amin'ny sakan'ny ampiantanin'ny kianja teo amin'ny atsinanana, tandrifin'ny kianja voatokana sady tandrifin'ny trano.
向南(原文是东)在内院墙里有圣屋,一排与铺石地之屋相对,一排顺著空地。
Ary nisy lalana teo anoloany, ary tahaka ny tarehin'ny efi-trano teo amin'ny avaratra ny tarehiny, sady mitovy amin'ny an'ireo avokoa ny lavany sy ny sakany ary ny fivoahana avy ao aminy mbamin'ny fombafombany rehetra sy ny varavarany;
这圣屋前的夹道与北边圣屋的夹道长宽一样;出入之处与北屋门的样式相同。
ary tahaka ny varavaran'ny efi-trano eo amin'ny atsimo dia nisiana varavarana koa teo amin'ny fiandohan'ny lalana, dia ilay lalana eo anoloan'ny ampiantany mifanolotra aminy, dia ny lalana avy eo amin'ny atsinanana, raha miditra ao aminy.
正在墙前、夹道的东头,有门可以进入,与向南圣屋的门一样。
Dia hoy izy tamiko; Ny efi-trano avaratra sy ny efi-trano atsimo, izay eo anoloan'ny kianja voatokana, dia efi-trano masina, hihinanan'ny mpisorona izay manatona an'i Jehovah ny zavatra masina indrindra; any no hametrahany izay zavatra masina indrindra, dia ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana: fa masina io fitoerana io.
他对我说:「顺著空地的南屋北屋,都是圣屋;亲近耶和华的祭司当在那里吃至圣的物,也当在那里放至圣的物,就是素祭、赎罪祭,和赎愆祭,因此处为圣。
Raha miditra ao ny mpisorona, dia tsy hiala amin'ny fitoerana masina ho any amin'ny kianja ivelany izy, fa ao no hamelany ny fitafiana masina izay nentiny nanao fanompoam-pivavahana, satria masina ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny olona.
祭司进去出了圣所的时候,不可直到外院,但要在圣屋放下他们供职的衣服,因为是圣衣;要穿上别的衣服才可以到属民的外院。」
Ary nony vita ny nandrefesany ny trano anatiny, dia nentiny nivoaka nankany amin'ny vavahady izay manatrika ny atsinanana aho, ka norefesiny ny manodidina.
他量完了内殿,就带我出朝东的门,量院的四围。
Norefesiny tamin'ny volotara fandrefasana ny lafiny atsinanana, ka indiman-jaton'ny volotara manodidina, raha amin'ny volatara fandrefesana.
他用量度的竿量四围,量东面五百肘(原文是竿;本章下同),
Norefesiny koa ny lafiny avaratra, ka indiman-jaton'ny volotara manodidina, raha amin'ny volotara fandrefesana.
用竿量北面五百肘,
Norefesiny koa ny lafiny atsimo, ka indiman-jaton'ny volotara, raha amin'ny volotara fandrefesana.
用竿量南面五百肘,
Nitodika nankany amin'ny lafiny andrefana izy ka nandrefy indiman-jaton'ny volotara tamin'ny volotara fandrefesana.
又转到西面,用竿量五百肘。
Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indiman-jaton'ny volotara ny lavany, ary indiman-jatony koa ny sakany, hampiavaka ny masina sy ny tsy masina.
他量四面,四围有墙,长五百肘,宽五百肘,为要分别圣地与俗地。