Ezekiel 38

Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
耶和华的话临到我说:
Ry zanak'olona, manandrifia an'i Goga avy any amin'ny tany Magoga, izay mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala, ary maminania ny hamelezana azy,
「人子啊,你要面向玛各地的歌革,就是罗施、米设、土巴的王发预言攻击他,
ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala.
说主耶和华如此说:罗施、米设、土巴的王歌革啊,我与你为敌。
Ary hitarika anao Aho ka hanisy masom-by ny valanoranonao, ary ho entiko mivoaka ianao sy ny tafikao rehetra, dia ny soavaly sy ny mpitaingin-tsoavaly, samy mitafy marevaka izy rehetra, dia olona maro be mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary samy mitan-tsabatra;
我必用钩子钩住你的腮颊,调转你,将你和你的军兵、马匹、马兵带出来,都披挂整齐,成了大队,有大小盾牌,各拿刀剑。
miaraka aminy ny Persiana sy ny Etiopiana ary ny Libyana, samy mitondra ampinga lehibe sy fiarovan-doha avokoa,
波斯人、古实人,和弗人(又作利比亚人),各拿盾牌,头上戴盔;
Gomera koa mbamin'ny miaramilany rehetra, ny taranak'i Togarma avy any amin'ny farany avaratra mbamin'ny miaramilany rehetra, dia firenena maro izay miaraka aminao.
歌篾人和他的军队,北方极处的陀迦玛族和他的军队,这许多国的民都同著你。
Miomana, ka mitaova tsara ianao, eny, ianao sy ireo momba anao izay efa mivory ao aminao, ary aoka ianao no ho mpitarika azy.
「那聚集到你这里的各队都当准备;你自己也要准备,作他们的大帅。
Rehefa afaka andro maro, dia hotadiavina ianao, raha mby any am-parany, dia ho tonga any amin'ny tany izay novonjena ka afaka tamin'ny sabatra ianao, dia tany novorina avy tany amin'ny firenena maro, any an-tendrombohitry ny Isirady, izay efa lao hatry ny ela; fa efa navoaka avy tany amin'ny firenena izy, ka dia mandry fahizay izy rehetra.
过了多日,你必被差派。到末后之年,你必来到脱离刀剑从列国收回之地,到以色列常久荒凉的山上;但那从列国中招聚出来的必在其上安然居住。
Eny, hiakatra ianao, ary ho tahaka ny fihavin'ny rivo-doza no hihavianao, ka ho tahaka ny rahona hanarona ny tany dia ianao sy ny miaramilanao rehetra mbamin'ny firenena maro izay miaraka aminao.
你和你的军队,并同著你许多国的民,必如暴风上来,如密云遮盖地面。」
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'izany andro izany dia hisy eritreritra hiditra ao an-tsainao, ary hamoron-kevi-dratsy ianao
主耶和华如此说:「到那时,你心必起意念,图谋恶计,
ka hanao hoe: Hiakatra aho hamely ny tany izay misy tanàna tsy mimanda; hankamin'izay mandry fahizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy, monina ao an-tanàna tsy misy manda na hidy na vavahady izy rehetra,
说:『我要上那无城墙的乡村,我要到那安静的民那里,他们都没有城墙,无门、无闩,安然居住。
mba hamabo sy handroba ary hamely indray izay efa rava, saingy vao misy mponina ankehitriny izao, ary ny firenena izay nangonina avy tany amin'ny jentilisa sady nihary omby sy fananana, dia ireo mitoetra ao amin'ny foiben'ny tany.
我去要抢财为掳物,夺货为掠物,反手攻击那从前荒凉、现在有人居住之地,又攻击那住世界中间、从列国招聚、得了牲畜财货的民。』
Sheba sy Dedana ary ny mpandranton'i Tarsisy rehetra mbamin'ireo lionany tanora rehetra dia hanao aminao hoe: Tonga hamabo va ianao? Nangoninao handroba va ireto olonao betsaka ireto, hahalasa volafotsy sy volamena, handroba harena sy fananana ary hahazo babo betsaka?
示巴人、底但人、他施的客商,和其间的少壮狮子都必问你说:『你来要抢财为掳物吗?你聚集军队要夺货为掠物吗?要夺取金银,掳去牲畜、财货吗?要抢夺许多财宝为掳物吗?』
Koa maminania, ry zanak'olona, ka ataovy amin'i Goga hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa amin'izany andro hitoeran'ny Isiraely oloko mandry fahizay izany dia tsy ho fantatrao va izany?
「人子啊,你要因此发预言,对歌革说,主耶和华如此说:到我民以色列安然居住之日,你岂不知道吗?
Ary ho tonga avy any amin'ny fonenanao avy any amin'ny farany avaratra ianao mbamin'ny firenena maro miaraka aminao, izay samy mitaingin-tsoavaly, dia olona maro be sy miaramila betsaka;
你必从本地,从北方的极处率领许多国的民来,都骑著马,乃一大队极多的军兵。
ary hiakatra hamely ny Isiraely oloko tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany ianao; any am-parany no ho tonga izany; ary ho entiko hamely ny taniko ianao, mba hahafantaran'ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masina eo anatrehany Aho amin'ny ataoko aminao, ry Goga.
歌革啊,你必上来攻击我的民以色列,如密云遮盖地面。末后的日子,我必带你来攻击我的地,到我在外邦人眼前,在你身上显为圣的时候,好叫他们认识我。
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa ianao va ilay nampilazaiko ny mpanompoko hatramin'ny fahiny, dia ny mpaminanin'ny Isiraely, izay naminany ela tamin'izany andro izany ny hampakarako anao hamely azy?
主耶和华如此说:我在古时借我的仆人以色列的先知所说的,就是你吗?当日他们多年预言我必带你来攻击以色列人。」
Ary amin'izany andro izany, dia ny andro hihavian'i Goga hamely ny tanin'ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, dia hiefona eo am-bavoroko ny fahatezerako.
主耶和华说:「歌革上来攻击以色列地的时候,我的怒气要从鼻孔里发出。
Fa amin'ny fahasaro-piaroko sy ny afon'ny fahatezerako no nitenenako hoe: Amin'izany andro izany dia hisy horohoro mafy any amin'ny tanin'ny Isiraely,
我发愤恨和烈怒如火说:那日在以色列地必有大震动,
ka hangorohoro eo anatrehako ny hazandrano any an-dranomasina sy ny voro-manidina sy ny bibi-dia ary ny biby mandady sy mikisaka rehetra izay mandady sy mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra ambonin'ny tany; dia hazera ny tendrombohitra, hikoany fiakarana mideza, ary hirodana ity ampiantany rehetra.
甚至海中的鱼、天空的鸟、田野的兽,并地上的一切昆虫,和其上的众人,因见我的面就都震动;山岭必崩裂,陡巖必塌陷,墙垣都必坍倒。」
Dia hiantso sabatra Aho hamely azy eny amin'ny tendrombohitro rehetra, hoy Jehovah Tompo: ary hifamely sabatra amin'ny namany avy izy rehetra.
主耶和华说:「我必命我的诸山发刀剑来攻击歌革;人都要用刀剑杀害弟兄。
Ary hamaly azy amin'ny areti-mandringana sy ny rà sy ny ranon'orana manafotra ary ny havandra vaventy Aho; ary koa, handatsaka afo sy solifara aminy sy amin'ny miaramilany mbamin'ny firenena maro izay miaraka aminy Aho.
我必用瘟疫和流血的事刑罚他。我也必将暴雨、大雹与火,并硫磺降与他和他的军队,并他所率领的众民。
Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason'ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
我必显为大,显为圣,在多国人的眼前显现;他们就知道我是耶和华。」