Ezekiel 33

Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
耶和华的话临到我说:
Ry zanak'olona, mitenena amin'ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga sabatra amin'ny tany anankiray Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy anankiray ao aminy ka manendry azy ho mpitily,
「人子啊,你要告诉本国的子民说:我使刀剑临到哪一国,那一国的民从他们中间选立一人为守望的。
ary hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara hampitaitra ny olona izy,
他见刀剑临到那地,若吹角警戒众民,
nefa tsy mety taitr izay mandre ny feon'ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny.
凡听见角声不受警戒的,刀剑若来除灭了他,他的罪(原文是血)就必归到自己的头上。
Nandre ny feon'ny anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra; ho ao aminy ihany ny ràny; fa raha nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany.
他听见角声,不受警戒,他的罪必归到自己的身上;他若受警戒,便是救了自己的性命。
Fa raha hitan'ilay mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin'ny helony ihany iny; nefa ny ràny dia hadiniko amin'ny tànan'ilay mpitily.
倘若守望的人见刀剑临到,不吹角,以致民不受警戒,刀剑来杀了他们中间的一个人,他虽然死在罪孽之中,我却要向守望的人讨他丧命的罪(原文是血)。
Koa ianao, ry zanak'olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an'ny taranak'Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
「人子啊,我照样立你作以色列家守望的人。所以你要听我口中的话,替我警戒他们。
Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin'ny alehany, dia ho fatin'ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin'ny tananao.
我对恶人说:『恶人哪,你必要死!』你─以西结若不开口警戒恶人,使他离开所行的道,这恶人必死在罪孽之中,我却要向你讨他丧命的罪(原文是血)。
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin'ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin'izany, dia ho fatin'ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao.
倘若你警戒恶人转离所行的道,他仍不转离,他必死在罪孽之中,你却救自己脱离了罪。」
Ary ianao, ry zanak'olona, mitenena amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin'izany izahay, dia nahoana no mbola velona izahay?
「人子啊,你要对以色列家说:你们常说:『我们的过犯罪恶在我们身上,我们必因此消灭,怎能存活呢?』
Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely?
你对他们说,主耶和华说:我指著我的永生起誓,我断不喜悦恶人死亡,惟喜悦恶人转离所行的道而活。以色列家啊,你们转回,转回吧!离开恶道,何必死亡呢?
Ary ianao, ry zanak'olona'lazao amin'ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan'ny marina tsy hahavonjy azy, raha mby amin'ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin'ny andro ialany amin'ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin'ny andro anotany.
人子啊,你要对本国的人民说:义人的义,在犯罪之日不能救他;至于恶人的恶,在他转离恶行之日也不能使他倾倒;义人在犯罪之日也不能因他的义存活。
Raha lazaiko amin'ny marina hoe: Ho velona tokoa ianao, nefa izy mitoky amin'ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.
我对义人说:『你必定存活!』他若倚靠他的义而作罪孽,他所行的义都不被记念。他必因所作的罪孽死亡。
Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao, nefa miala amin'ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy.
再者,我对恶人说:『你必定死亡!』他若转离他的罪,行正直与合理的事:
ka mamerina ny natao tsatòka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
还人的当头和所抢夺的,遵行生命的律例,不作罪孽,他必定存活,不致死亡。
Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.
他所犯的一切罪必不被记念。他行了正直与合理的事,必定存活。
Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny fitondran'ny Tompo; nefa ny fitondran'ny tenany no tsy marina.
「你本国的子民还说:『主的道不公平。』其实他们的道不公平。
Raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, dia ho faty amin'izany izy.
义人转离他的义而作罪孽,就必因此死亡。
Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin'izany izy.
恶人转离他的恶,行正直与合理的事,就必因此存活。
Kanefa, hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran'ny Tompo. He! ry taranak'Isiraely, samy hotsaraiko araka ny alehany avy ianareo.
你们还说:『主的道不公平。』以色列家啊,我必按你们各人所行的审判你们。」
Ary nony tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo taorian'ny namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.
我们被掳之后十二年十月初五日,有人从耶路撒冷逃到我这里,说:「城已攻破。」
Dia efa tonga tamiko ny tànan'i Jehovah tamin'ny omaly harivan'ny andro nahatongavan'ilay nandositra izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan'ilay nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.
逃来的人未到前一日的晚上,耶和华的灵(原文是手)降在我身上,开我的口。到第二日早晨,那人来到我这里,我口就开了,不再缄默。
Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
耶和华的话临到我说:
Ry zanak'olona, ny monina amin'ireny rava amin'ny tanin'ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika
「人子啊,住在以色列荒废之地的人说:『亚伯拉罕独自一人能得这地为业,我们人数众多,这地更是给我们为业的。』
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rà sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-drà, moa hahazo handova ny tany va ianareo?
所以你要对他们说,主耶和华如此说:你们吃带血的物,仰望偶像,并且杀人流血,你们还能得这地为业吗?
Mitoky amin'ny sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin'ny namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?
你们倚仗自己的刀剑行可憎的事,人人玷污邻舍的妻,你们还能得这地为业吗?
Izao no holazainao aminy: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon'ny sabatra izay ao amin'ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin'ny bibi-dia, ary izay ao amin'ny harambato sy amin'ny lava-tany dia ho fatin'ny areti-mandringana.
你要对他们这样说,主耶和华如此说:我指著我的永生起誓,在荒场中的,必倒在刀下;在田野间的,必交给野兽吞吃;在保障和洞里的,必遭瘟疫而死。
Fa hataoko rava sy lao ny tany, ary hitsahatra ny fiavonavonan'ny heriny; ho lao ny tendrombohitry ny Isiraely, ka tsy hisy mpandia azy.
我必使这地荒凉,令人惊骇;她因势力而有的骄傲也必止息。以色列的山都必荒凉,无人经过。
Dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana nataony.
我因他们所行一切可憎的事使地荒凉,令人惊骇。那时,他们就知道我是耶和华。」
Ary ianao, ry zanak'olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo am-baravaran'ny tranony, ka samy manao amin'ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin'i Jehovah.
「人子啊,你本国的子民在墙垣旁边、在房屋门口谈论你。弟兄对弟兄彼此说:『来吧!听听有什么话从耶和华而出。』
Dia mankao aminao tahaka ny fihavin'ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain'ny vavany, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena.
他们来到你这里如同民来聚会,坐在你面前彷彿是我的民。他们听你的话却不去行;因为他们的口多显爱情,心却追随财利。
Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy.
他们看你如善于奏乐、声音幽雅之人所唱的雅歌,他们听你的话却不去行。
Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.
看哪,所说的快要应验;应验了,他们就知道在他们中间有了先知。」